“Avy eo dia nomeny koa ny vadiny”
MOA ve teo i Adama fony ilay menarana niresaka tamin’i Eva ka namitaka azy mba hitaomana azy hikomy tamin’Andriamanitra? Tsy resahin’ny Baiboly izany. Voalazan’ny Genesisy 3:6 [MN ] fa “nanomboka naka tamin’ilay voankazo [i Eva] ary nihinana izany. Avy eo dia nomeny koa ny vadiny rehefa tafaraka taminy.” Manome filazana hafa anefa ny dikatenin’ny Baiboly sasany. Toy izao manaraka izao no andikan’ny Dikateny Katolika an’io andinin-teny io: “Nioty tamin’ny voany izy, dia nihinana ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy, ary nihinana izy.”
Ny matoanteny hebreo nadika hoe “nomeny” dia amin’ny filazam-potoana teo am-panaovana ny asa, ary mikambana amin’ny endrika manokan’ny mpampifandray “ary” [hebreo, wâw], izay manondro fitohizan-javatra mirindra sy ara-potoana. Noho izany, ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao dia mandika ny hoe wâw, izay miseho matetika ary mampifandray ny fitohizan’ny fisehoan-javatra ao amin’ny Genesisy 3:6, tsy amin’ny hoe “ary” ihany fa amin’ny teny mpampitohy hafa toy ny “noho izany”, “ka”, ary “avy eo”. Ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao àry no manana fototra mafy orina handikana azy toy io ambony io.
Moa ve i Adama nandinika fotsiny ny fifampiresahan’ny vadiny sy ny menarana, tamin’ny fihainoana ny resaka lainga sy fanaratsiana nataon’ilay mpikomy tsy hita maso tao ambadiky ny menarana? Nanda izany fiheverana izany ilay Alemanina mpivaofy teny ao amin’ny Baiboly, atao hoe J. P. Lange, ary nanao izao fanazavana izao: “Tsy azo alaina sary an-tsaina velively ny naha-teo an-dralehilahy na ny fanginany nandritra ny fakàna fanahy.” Ary tamin’ny fanazavany ny fehezanteny hoe “niaraka taminy”, dia marihin’ilay Jiosy mpivaofy teny antsoina hoe B. Jacob fa izany dia “tsy [midika] hoe izay nijoro niaraka taminy (nandritra ny fisehoan-javatra teo aloha na tamin’ny fotoana nihinanany).”
Nasehon’ny resak’i Eva sy ny menarana fa efa nampahafantarin’ny vadiny azy ny didin’Andriamanitra ny amin’ny tsy tokony hihinanana ny voan’ny hazo. (Genesisy 3:3) Tamin’ny naha-filohan’i Eva azy, dia nahatanteraka izany andraikitra izany i Adama. Nodian’ny Devoly tsy fantatra ny fandaharan’Andriamanitra momba ny ambaratongam-pahefana ka nanararaotra tamin-kafetsena ny naha-irery an’i Eva izy. Namaly toy izao izy avy eo: “Ny menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.” (Genesisy 3:13) Voafitaka i Eva satria nino lainga izy, nefa tsy nanala tsiny ny fandikany lalàna izany. Izany ohatra fampitandremana izany dia mampiseho fa tsy azontsika atao mihitsy ny mahita fialan-tsiny mba hanaovana zavatra ratsy eo imason’i Jehovah. — 1 Timoty 2:14.