Indray mitopy maso amin’ny vaovao
Nahoana no mitory?
Misy ifandraisany amin’ny fihenan’ny mpiangona ao amin’ireo fivavahana lehibe, hoy ny manam-pahefana sasany, ny tsy fanaovan’ireo mpivavaka fitoriana. Nanahy ny amin’izany zava-manahirana izany ny Fiangonan’i Kristy Tafaray, ka nanapa-kevitra, tamin’ny 1988, ny hanao ho laharam-pahamehana ny “fitoriana sy fitomboan’ny mpikambana”, mandritra ny efa-taona.
Ampahafantarin’ny St. Petersburg Times fa misy antokom-pivavahana lehibe hafa any Etazonia nanao toy izany, anisan’izany ny Eglizy presbiteriana sy ny Eglizy episkopaly. Nasehon’ny fandinihana natao vao haingana tamina kongregasiona 200 ao amin’ny Fiangonan’i Kristy Tafaray anefa fa mpikambana maherin’ny 1,6 tapitrisa ao aminy no tsy dia mampiseho fahalianana firy amin’ny hoe hiresaka amin’ny hafa ny zavatra inoany. Nanontany toy izao ny mpikambana iray: “Nahoana isika no tokony hiresaka amin’ny hafa raha manao ny tsara?” Nilaza toy izao ny iray hafa: “Raha iainanao ny finoanao dia tsy misy tokony hiresahana izany amin’ny hafa.”
Ao amin’ilay boky hoe Ny fivavahana lehibe amerikana (anglisy), anefa dia niaiky i Wade Clark Roof, mpiara-manoratra io boky io fa “ny fomba firesahan’ny olona ny amin’ny fivavahany sy ny fiainany ara-panahy dia mifamatotra tanteraka amin’ny fiorenan’ny finoana mihitsy.”
Raha ampy ny “fanaovana ny tsara” sy ny fananana “finoana” mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, nahoana ny apostoly Paoly no nanoratra hoe: “Lozako, raha tsy mitory ny vaovao tsara aho”? Nanazava toy izao tamin’ireo mpiray finoana taminy tany Roma izy: “Raha manambara ampahibemaso ianao fa ‘eo amin’ny molotrao ny teny’, fa Jesosy no Tompo, ary inoanao am-po fa efa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty izy, dia ho voavonjy ianao. Fa amin’ny fo no anehoana finoana hahazoana fahamarinana, nefa amin’ny vava no anaovana fanambarana ampahibemaso hahazoana famonjena.” — 1 Korintiana 9:16, MN; Romana 10:9, 10, MN.
Fifetsena momba ny lahy sy ny vavy
Mihoatra ny antsasak’ireo tantara an-tsary 1100 mivoaka ao amin’ireo boky japone isan-karazany, anisan’izany ireo ho an’ny ankizy, no mampiseho firaisan’ny lahy sy ny vavy, hoy ny profesora Mamoru Fukutomi. Nitarika fandinihana gazety sy boky maherin’ny 390 novidina nandritra ny iray volana tany Tokyo izy.
‘Ny ankamaroan’ireo sary momba ny firaisana ireo’, hoy ny profesora Fukutomi, ‘dia mampiseho ohatra ny amin’ny lehilahy manery vehivavy tsy marisika [hanao firaisana], ary manaiky amim-paharisihana ihany ireo vehivavy amin’ny farany.’ Milaza ny Daily Yomiuri fa saika ny 80 isan-jato amin’ireo sary 6861 amin’ny gazety japone nodinihina no “mampiseho vehivavy eo am-pihantsiana”. Ny ankabeazan’ireo vehivavy teo amin’ny sary anefa dia “nanao akanjo anatiny fotsiny, na fitondra milomano, na niboridana”, ka ny 40 isan-jato monja no niakanjo, ary 75 isan-jaton’ny lehilahy tamin’ireo sary nodinihina no niakanjo.
Ahoana no hananan’ny fifetsena momba ny lahy sy ny vavy toy izany hery eo amin’ny tanora? Ny bokin’ny Ohabolana ao amin’ny Baiboly dia milazalaza amin’ny fomba velona ny zatovolahy iray “tsy manana antony tsara manosika” voatarika ho any an-tranon’ny vehivavy janga. (Ohabolana 7:7, Baiboly misy Fakàn-teny, ambany pejy) Ary ilay vehivavy janga? “Vetivety mby eny an-dàlambe izy, ary vetivety mby eny an-tsena, ary mamitsaka eny an-joron-trano rehetra eny izy. Ka dia nisavika ilay tovolahy izy.” (Ohabolana 7:8-13) Amin’ny andro ankehitriny na dia ny takela-taratasy aza dia ‘miandry mba hisavika’ ny tanora. Mananatra toy izao anefa ny Baiboly: “Aoka tsy hivily ho any amin’ny làlany ny fonareo, ary aza mania ho amin’ny alehany.” — Ohabolana 7:25.
Iza no kristiana “tsara indrindra”?
“Na inona na inona fanapahan-kevitra ataon’ny kristiana iray, na hanao miaramila izy na tsy hanao izany noho ny fieritreretana, dia ho hadalana ho azy ny hilaza ho manana ambaratongana kristianisma ambony kokoa noho ny hafa, na hisalasala ny amin’ny maha-kristiana ny hafa raha maka safidy hafa noho ny azy io.”
Nataon’ny konsilin’ny Fiangonana ara-pilazantsara Loterana tany Alemaina tamin’ny jolay 1989 io fanambarana io. Nahoana? Nambaran’ireo mpitondra fa izany dia natao hanoherana ny toerana tanan’ny sasany ao amin’ny fiangonana, dia ny hoe “famantarana azo antoka” kokoa ny maha-kristiana ny tsy fanaovana ny raharaha miaramila noho ny fieritreretana noho ny fanaovana raharaha miaramila. Sady miaiky ny konsilin’ny fiangonana fa mety hahafoana ny ady ny kristiana amin’ny “fifehezan-tena tsy hanao herisetra”, no niady hevitra fa azo atao koa izany amin’ny fandresena ny herisetra amin’ny alalan’ny tafika mba hiantohana ny fandriampahalemana.
Nosoratan’i Edward Gibbon ao amin’ilay bokiny hoe Tantaran’ny kristianisma (anglisy), fa ny kristiana tamin’ny taonjato voalohany dia “nanda tsy hanao asa na inona na inona mahakasika raharaham-pitondrana na tafika tao amin’ny empira”, ary “tsy nety tamin’ny kristiana, raha mbola tsy niala tamin’ny asa masina kokoa nataony izy, ny hanao ny raharahan’ny miaramila, na mpitsara, na mpanapaka.”
Ny fanontaniana àry dia tsy ny hoe iza no kristiana “tsara indrindra” fa ny hoe tena kristiana ve ny olona iray manao zavatra mifanohitra amin’ny kristianisma voalohany. Izao no nosoratan’i Paoly: “Fa na dia velona amin’ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo (...) fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay.” — 2 Korintiana 10:3, 4.