FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 1/12 p. 31
  • Fivoriana isan-taona — 6 Oktobra 1990

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriana isan-taona — 6 Oktobra 1990
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Mitovitovy Aminy
  • Fivoriana isan-taona — 6 Oktobra 1990
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Fivoriambe fanao isan-taona — 7 oktobra 1989
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Fivoriambe fanao isan-taona — 7 Oktobra 1989
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Fivoriambe fanao isan-taona — 1 oktobra 1988
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 1/12 p. 31

Fivoriana isan-taona — 6 Oktobra 1990

NY FIVORIANA ISAN-TAONA fanaon’ireo mpikambana ao amin’ny Watch Tower Bible and Tract Society any Pennsylvania dia hatao amin’ny 6 oktobra 1990, ao amin’ny Efitrano fanaovana fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah, 2932 Lalana Kennedy, any Jersey City, New Jersey. Hisy fivoriana mialoha hataon’ny mpikambana ihany amin’ny 9 ora sy sasany maraina, izay harahin’ny fivoriana fanao isan-taona amin’ny 10 ora maraina.

Ireo anisan’ny mpikambana dia tokony hampilaza any amin’ny Biraon’ny Mpitantsoratra dieny izao ny amin’izay mety ho fiovan’ny adiresiny nandritra ny taona lasa mba hahafahan’ny taratasy fiantsoana sy fanomezam-pahefana ho tonga any aminy, fotoana fohy aorian’ny 15 aogositra.

Ny taratasy fanomezam-pahefana izay halefa any amin’ireo mpikambana miaraka amin’ny fiantsoana ho amin’ny fivoriambe fanao isan-taona, dia tokony haverina mba ho tonga any amin’ny Biraon’ny Mpitantsoratry ny Fikambanana amin’ny 1 septambra fara fahelany. Tokony hameno sy hamerina haingana ny taratasy fanomezam-pahefana azy ny mpikambana tsirairay, hilaza raha ho tonga amin’ny fivoriana ny tenany na tsia. Tokony tsy hiova intsony ny filazalazana ny amin’izany, omena ao amin’ny taratasy fanomezam-pahefana tsirairay, satria hiankina amin’izany ny famaritana izay ho tonga.

Antenaina ny hahavitan’ny fandaharana manontolo, anisan’izany ny fivoriana momba ny raharaha ofisialy sy filazana, amin’ny 1 ora na fotoana fohy aorian’izay. Tsy hisy fandaharana ny tolakandro. Noho ny toerana voafetra, dia hatao amin’ny fampisehoana karatra ihany ny fidirana. Tsy hisy fandaharana hatao mba hampifandraisana an-taribin-telefaonina ny fivoriana isan-taona amin’ny toeran-kafa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara