Fivoriambe fanao isan-taona — 7 Oktobra 1989
NY FIVORIAMBE ISAN-TAONA fanaon’ireo mpikambana ao amin’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania dia hatao ny 7 Oktobra 1989, ao amin’ny Efitrano fanaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah fivoriambe, 2932 boulevard Kennedy any Jersey City, any amin’ny Fanjakan’i New Jersey. Ny fivoriana mialoha hataon’ireo anisan’ny Fikambanana ihany dia hatao amin’ny 9 ora sy sasany, harahin’ny fivoriambe fanao isan-taona amin’ny 10 ora.
Hankasitrahanay raha toa ireo anisan’ny Fikambanana izay niova adiresy tao anatin’ny taona lasa ka mampahafantatra izany dieny izao ao amin’ny Biraon’ny Mpitantsoratra, mba ho voarain’izy ireo ny fiantsoana sy fanomezam-pahefana halefa aoriana kelin’ny 15 aogositra.
Ireo fanomezam-pahefana izay halefa any amin’ireo anisan’ny Fikambanana miaraka amin’ny fiantsoana azy, dia tokony haverina any amin’ny Biraon’ny Mpitantsoratra ny 1 septambra raha ela indrindra. Ny mpikambana tsirairay avy dia tokony hameno ny fanomezam-pahefana sy hamerina izany haingana amin’ny filazana amin’ny fomba hentitra raha hanatrika ny fivoriambe izy na tsia. Ho raikitra ireo filazana homena, satria hampiasaina izany hamantarana ny isan’ny mpikambana ho tonga.
Kendrena ho vita amin’ny 1 ora antoandro na aoriana kelin’izany ny fandaharana feno, ao anatin’izany ny fivoriana mialoha sy ireo tatitra hatao. Tsy hisy fotoam-pivoriana ny tolakandro. Koa satria voafetra ny isan’ny toerana, dia izay mampiseho karatra fanasana ihany no ho afaka hiditra. Tsy voaomana ny hampitana an-tariby ny fandaharana amin’io fivoriambe io.