“Ranomasom-pankasitrahana”
“NANDROTSAKA ranomasom-pankasitrahana aho, raha vao avy nahavaky ilay lahatsoratra hoe ‘Ny fomba hanampiana ireo ketraka hahita fifaliana indray’.” (Ny Tilikambo Fiambenana, 15 Jona 1990, pejy faha-27-30). Manomboka toy izany ny iray amin’ireo taratasim-pankasitrahana voarain’ny Fikambanana noho ireo lahatsoratra momba ny fahaketrahana niseho tao amin’ny nomeraon’ny 1 Jona sy 15 Jona taona 1990. Kanefa io fitenenana manokana io, dia avy amin’ny anabavy iray any Japana izay voan’ny “schizophrénie” vao haingana ny zanany. Manazava toy izao izy:
Mampionona sy mampahery fanahy ketraka iray isan’andro aho, hany ka indraindray dia mahatsiaro tokoa ho trotraka loatra mba hanohy. Tratran’ny tahotra sy ny tebiteby ny zanako lahy rehefa manomboka ny haizina. Koa manome pilina fampatoriana azy aho ary mipetraka eo akaikin’ny fandriany manafosafo ny tanany na mametraka ny tanako eo amin’ny handriny mandra-patoriny. Toy ny mampatory zaza mihitsy ny ataoko ary rehefa afaka adiny iray eo ho eo, rehefa ela ny ela dia sintonin-tory lalina izy. Amin’izay aho vao mahatsiaro ho maivamaivana, kanefa ihany koa dia miteny irery aho hoe hitondra andro iray mbola holalovana ny ampitso maraina.
“Miteny toy izao ny zanako lahy: ‘Tsy misy ilàna ahy. Tsy misy fanantenana mihitsy ho ahy’. Isan’andro dia manontany amin’alahelo izy hoe: ‘Mbola ho sitrana amin’ny aretiko ve aho? Rahoviana aho no ho afaka amin’ny fanafody? Mandra-pahoviana no hitohizan’izao karazam-piainana izao?’ Amin’ny fotoana toy izany dia mampiasa fanontaniana aho mba hanovana ny eritreriny toy ny anoroan’ireo gazety azy, ary manampy azy hihatsara kely izany. Kanefa dia mamerina izany izahay isan’andro.
“Misy koa fotoana izay iantsoan’ny zanako lahy an-telefaonina ireo loholona [ao amin’ny kongregasiona eo an-toerana] amin’ny misasakalina rehefa faran’izay mitebiteby izy ary mangataka azy ireo hivavaka ho azy. Hita ho fampaherezana lehibe ho azy izany ary mampitony ny sainy. (...) Mazàna dia miharatsy ny toe-tenan’ny zanako lahy rehefa lasa any an-toeran-kafa noho ny asany ny vadiko (tsy mpino). Rehefa miantso an-telefaonina mba hangataka fanampiana aho, dia misy rahavavy sy anadahy maro tonga midodododo atỳ aminay.
“Ry anadahy malala, misaotra anareo eram-po aho noho ny amoahanareo indraindray lahatsoratra karazan’izany izay mampiseho ny fiahianareo ny amin’izay ilain’ny osa.”
[Sonia] H. H.