Nanova ny fiainan’izy ireo io boky io
Taona maromaro lasa izay, ny vehivavy iray dia nahazo fanekem-pisaraham-panambadiana tamin’ny vadiny. Tatỳ aoriana, ny zanany lahy atao hoe Steve dia lasa iray amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah. Nanandrana tsy nisy fahombiazana niresaka tamin’ny reniny mikasika ny finoany i Steve. Nandeha nitsidika ny rainy izay teo an-dalam-pahafatesana noho ny homamiadana koa izy.
Tsy nanao resa-be i Steve fa nametraka ny boky Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany teo akaikin’ny fandrian’ny rainy fotsiny ary niteny fa ny famakiana azy io dia hanampy azy. Namaky ilay boky ny rainy ary nanomboka nanatrika samy irery ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny Janoary 1988.
Teo anelanelan’izany fotoana izany, ny renin’i Steve dia nanana fahafahana, nandritra ireo fihaonam-pianakaviana, nandinika ny fiovan-toetra nasehon’ilay vadiny taloha. Tena nanohina ny fony tokoa izany, hany ka nanaiky hanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Nanomboka nanatrika azy ireny tsy tapaka izy, ary tsy ela dia niara-nipetraka tamin’ilay vadiny taloha tany amin’ireo fivoriana. Nivady indray izy ireo tatỳ aoriana.
Maty tamin’ny Septambra 1988 ny rain’i Steve kanefa efa nanomboka nandray anjara tamin’ny fanompoana kristiana izy talohan’izay. Ny renin’i Steve, izay nikarakara ny rainy nandritra ireo volana farany naharariany, dia vita batisa tamin’ny Jona 1988 ary ankehitriny dia vavombelona marisika.
Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany dia boky iray izay manome fanantenana amin’ny fampisehoana ireo valin-tenin’ny Baiboly ny amin’ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana. Fitaovana nanova fiainana maro izy io. Mandraisa iray aminy amin’ny famenoana sy amin’ny fandefasana ny tapakila etsy ambany.
Maniry ny hahazo ilay boky mifono baoritra 256 pejy hoe Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany aho. (Raha any ivelan’i Madagasikara ianao, dia manorata any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-2.)