Ny fomba ahafahan’ny fanahin’Andriamanitra hisy heriny eo aminao
“TAMIN’NY voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary ny aizina no tambonin’ny lalina. Ary ny Fanahin’Andriamanitra nanomba tambonin’ny rano.” (Genesisy 1:1, 2). Io filazana araka ny Soratra masina io dia mampisongadina fomba miavaka iray nandraisan’ny velona rehetra soa avy amin’ny fanahy masina. Niasa nandritra ny famoronana io fanahy io, ary noho ny fiasany, dia nanjary fonenana mahafinaritra ho an’ny taranak’olombelona ny tany.
Afaka mandray soa be lavitra avy amin’ny fanahy masina anefa ny olona. Hoy ny ohabolana iray ara-tsindrimandry: “Miverena hianareo hihaino ny fananarako; indro, haidiko aminareo ny fanahiko, ary hampahafantariko anareo ny teniko”. (Ohabolana 1:23). Amin’izao androntsika izao, dia azo raisina ao amin’ny Baiboly ny ‘tenin’Andriamanitra’ nangonina, nosoratan’olona izay ‘notarihin’ny Fanahy Masina’. (2 Petera 1:21; Marka 12:36; 2 Timoty 3:16). Na oviana na oviana ny olona manetry tena iray no mamaky ny Baiboly, dia mandray soa avy amin’ny fanahy masina.
Ny fanahy masina sy ny asa fitoriana
Rehefa mitsidika any an-tranonao ny iray amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah mba hiresaka ny amin’ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, dia afaka manan-kery eo amin’ny fiainanao amin’ny fomba hafa iray ny fanahy masina. Ahoana no ahafantarantsika izany? Rehefa nanomboka nitory ny vaovao tsara i Jesosy Kristy, dia nampihatra tamin’ny tenany ny tenin’ny mpaminany Isaia tamin’ny filazana hoe: “Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy (...), hitory ny taona ankasitrahan’i Jehovah”. (Lioka 4:18, 19; Isaia 61:1, 2). Eny, voahosotry ny fanahy masina i Jesosy mba hitory ny vaovao tsara.
Ankoatra izany, dia nanambara mialoha i Jesosy fa hitohy aorian’ny fahafatesany ny fitoriana ny vaovao tsara. Naminany toy izao izy: “Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana [vaovao tsaran’ny fanjakana, MN] ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany”. (Matio 24:14). Fotoana fohy talohan’ny niakarany tany an-danitra, dia nanome ny mpanara-dia azy izao baiko izao i Jesosy: “Mandehana (...) dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo”. (Matio 28:19, 20). Noho izany, taorian’ny fiakaran’i Kristy tany an-danitra, dia nanohy ny asa fitoriana sy fampianarana nahazoan-dalana avy tamin’ny fanahy ireo mpianany. Maka tahaka ireo mpianatra voalohany ireo ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny amin’ny fitoriana ny vaovao tsara maneran-tany.
Ny batisa sy ny fanahy masina
Rehefa misy olona iray mandray tsara ny vaovao tsara, dia nilaza i Jesosy fa tokony hatao batisa “amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina” izy. Koa andairan’ny herin’ny fanahy masina bebe kokoa àry ireo mpianatra vaovao. Ny fitenenana hoe “amin’ny anaran’ny” dia tena midika hoe “amin’ny fahefan’ny” na “amin’ny fanekena ny toeran’ny”.a Noho izany, ny hoe atao batisa amin’ny anaran’ny Ray dia midika hoe manaiky tsy misy ady hevitra ny fiandrianan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. Ny batisa amin’ny anaran’ny Zanaka dia midika fanekena an’i Jesosy ho Mpanavotra, sy Môdely ary Mpanjaka. Ary ny batisa amin’ny anaran’ny fanahy masina dia mahatafiditra fianteherana amin’ny fanahy masina sy fanekena ny heriny.b
Ny fanahy masina eo amin’ny fiainanao
Mampalahelo fa ny tsy fanaovana ny marina, ny fahalotoam-pitondrantena, ny herisetra, ary ny tsy fankatoavan-dalàna amin’ny ankapobeny hitantsika any amin’ireo tany “kristiana”, dia mampiharihary fa ny ankamaroan’ireo milaza tena ho kristiana, raha ny marina, dia manohitra ny fanahy masina. Izay manaiky azy io anefa dia mandray fitahiana betsaka. Noho izy ireo mandray ho zava-dehibe izay vakiny ao amin’ny Baiboly avy amin’ny tsindrimandrin’ny fanahy, sy mampihatra izany eo amin’ny fiainany no antony iray mahatonga izany. Araka izany, izy ireo dia manana fahendrena, fahaiza-manavaka, fahaiza-mitsara zavatra, fahakingan-tsaina, fahalalana, ary fahaiza-misaina. (Ohabolana 1:1-4, MN). Fananana sarobidy ireo amin’izao andro mikorontana misy antsika izao.
Manampy ny olona toy izany handresy zava-manahirana sarotra koa ny fanahy masina. Fahiny, Andriamanitra dia naneho tamin’ny vahoakany ny fomba hahafahan’izy ireo manatanteraka asa tena sarotra iray. Nilaza i Jehovah fa hatao izany “tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ny Fanahiko [ny azy]”. (Zakaria 4:6). Raha manaiky an’Andriamanitra sy ny fanahiny isika, dia hampiana koa mba hanatanteraka asa sy handresy vato misakana izay ho lehibe loatra ho antsika raha tsy izany. — Matio 6:33; Filipiana 4:13.
Fanampin’izany, ny fanahin’Andriamanitra dia manampy antsika hanana fahafahana izay tsy fantatr’izao tontolo izao amin’ny ankapobeny. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Ary izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo [Jehovah, MN] no itoeran’ny fahafahana”. (2 Korintiana 3:17). Ireo manaiky ny fanahin’Andriamanitra dia afaka amin’ny fivavahan-diso, ny finoanoam-poana, sy ny tahotra ny hoavy, ary amin’ny anton-javatra maro hafa manandevo. Tena hery ho amin’ny tsara tokoa ny fanahin’Andriamanitra! Afaka manova olona mihitsy aza izy io. Manisy firesahana kely ny amin’izany ny Baiboly rehefa milaza hoe: “Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa [hatsaram-po, MN], fahamarinana [finoana, MN] fahalemem-panahy, fahononam-po [fifehezan-tena, MN]; tsy misy lalàna manohitra izany”. (Galatiana 5:22, 23). Ho hafa tokoa lahy ity tontolo ity raha toa ka nanaiky ny herin’ny fanahin’Andriamanitra ny olona tsirairay!
Amin’ny maha-fitambaran’olona azy, ny tena kristiana marina dia manana koa ny “firaisan-tsaina avy amin’ny fanahy ao amin’ny fehy mampirain’ny fihavanana”. (Efesiana 4:3, MN). Zava-tsoa tsy fahita firy ankehitriny ny firaisan-tsaina sy ny fihavanana. Misy anefa izany any amin’izay iasan’ny fanahin’Andriamanitra. Eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah tokoa, ny fehy mampirain’ny fanahy masina dia nampiditra tao amin’ny tena “fianakavian’ny mpirahalahy” marina, olona avy amin’ny firazanana sy fiteny ary fokom-pirenena rehetra. — 1 Petera 2:17, MN.
Ny fanahin’Andriamanitra sy ianao
Hitanao ve ny soa entin’ny fananana fahendrena avy amin’Andriamanitra sy ny fananana fahafahana marina? Moa ve tsy hahafinaritra ny hahazo ny fanampian’Andriamanitra rehefa mandamina zava-manahirana sy mamboly fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, hatsaram-po, finoana, fahalemem-panahy, ary fifehezan-tena? Maneke àry ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra. Ahoana anefa no ahafahan’ny olona iray hanao izany?
Aoka ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, hanan-kery eo amin’ny sainao sy ny fonao. Miaraha amin’ireo izay mamela ny fanahy masina hanan-kery eo amin’ny fiainany. Manaova dingana izao mba hianarana sy hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Amin’izay dia ‘Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anao amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanao, mba hitomboanao amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina’. — Romana 15:13.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ampitahao amin’ilay fomba fiteny hoe: “amin’ny anaran’ny lalàna”. Jereo koa ny Matio 10:41, ao amin’ny King James Version, izay nampiasan’i Jesosy ny teny hoe “amin’ny anaran’ny mpaminany” sy hoe “amin’ny anaran’ny olona marina”.
b Jereo ny lahateny nataon’i Petera ho an’ny Jiosy tamin’ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir., rehefa nanazava lafiny maro tamin’ny anjara asan’i Jesosy sy ny an’ny fanahy masina eo amin’ny fiainan’ny mpino vita batisa izy. Taorian’ny lahateniny, dia nisy 3 000 natao batisa tamin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina. — Asan’ny apostoly 2:14-42.