Hevero ireo ohatra fakan-tahaka ny amin’ny fahari-po
“Andriamanitra (...) dia be fahari-po ka nandefitra tamin’izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana”. — ROMANA 9:22.
1. a) Amin’ny ahoana ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry no natao hahasoa antsika? b) Mifandray amin’izany, nahoana no dinihina eto ny toetra hoe fahari-po?
NANOME antsika ny Teniny ara-tsindrimandry, ny Baiboly masina, i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona antsika. Izy io dia natao ho ‘fanilon’ny tongotsika sy fanazavana ny lalantsika’. (Salamo 119:105). Manampy antsika koa ny Tenin’Andriamanitra mba hanjary “ho ampy fitaovana amin’ny asa tsara rehetra”. (2 Timoty 3:16, 17, MN). Ny fomba iray ataony ho fampitaovana antsika toy izany dia ny fanomezany ohatra fakan-tahaka tsara dia tsara ny amin’ny fahari-po. Iray amin’ireo vokatry ny fanahin’Andriamanitra io toetra tsara io, sady tena ilaina mba hahazoantsika ny fankasitrahany sy mba hahatsara fihavanana amin’ny mpiara-belona. — Galatiana 5:22, 23.
2. Inona no dikan’ilay teny grika nadika hoe “fahari-po”, ary iza no lehibe indrindra tamin’ny fanehoana io toetra tsara io?
2 Ny teny grika nadika hoe “fahari-po” dia midika ara-bakiteny hoe “fahalavan-tsaina”. Ny fahari-po dia nofaritana ho “io toetra tsara fahatanan-tena eo anatrehan’ny fihantsiana io ka tsy mamaly maika loatra na mailaka ny hanafay.” (Rakibolana fanazavana ireo teny ao amin’ny Testamenta Taloha sy Vaovao, nataon’i W. E. Vine, boky faha-3, pejy faha-12.) Ny hoe mahari-po dia midika ho fanehoana fifehezan-tena sy fisehoana ho tsy mora tezitra. Ary iza moa no lehibe indrindra eo amin’ireo izay tsy mora tezitra, maneho fahari-po? Tsy iza fa i Jehovah Andriamanitra. Araka izany, dia vakintsika ao amin’ny Eksodosy 34:6 fa i Jehovah dia “Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana”. Raha ny marina, imbalo ao amin’ny Soratra masina, i Jehovah dia lazaina hoe “tsy mora tezitra”. — Nomery 14:18, MN; Nehemia 9:17, MN; Salamo 86:15; 103:8; 145:8, MN; Joela 2:13, MN; Jona 4:2, MN; Nahoma 1:3.
3. Toetra tsara inona avy no manamarina ny maha-mahari-po an’i Jehovah?
3 Ampoizintsika indrindra ny maha-mahari-po na tsy mora tezitra an’i Jehovah Andriamanitra, satria izy dia tsy manam-petra amin’ny hery sy ny fahendrena, tanteraka amin’ny rariny, ary tena sary velona mampiseho ny fitiavana. (Deoteronomia 32:4; Joba 12:13; Isaia 40:26; 1 Jaona 4:8). Mifehy ireo toetra tsara ananany izy, mitana izany amim-pahaiza-mandajalanja tanteraka amin’ny fotoana rehetra. Inona no asehon’ny Teniny mikasika ny antony sy ny fomba nanehoany fahari-po tamin’ny olombelona tsy tanteraka?
Fahari-po noho ny amin’ny anarany
4. Noho ny antony tsara inona avy no nanehoan’Andriamanitra fahari-po tamin’ny mpanota?
4 Nahoana i Jehovah no mahari-po? Nahoana izy no tsy manafay avy hatrany ny mpanota? Tsy noho ny tsy firaikana akory na noho ny tsy fahampian’ny zotom-po ho an’ny fahamarinana. Tsia, fa noho ny antony tsara, dia tsy mora tezitra sy tsy mailaka ny hanafay ny olona i Jehovah. Mba hahafahana mampahafantatra ny anarany ny antony iray. Ny antony iray hafa dia satria nilaina ny fotoana mba handaminana ilay raharaha niadian-kevitra momba ny fiandrianan’Andriamanitra sy ny fahatokian’ny olombelona napoitran’ny fikomiana tany Edena. Mbola anton’ny faharipon’Andriamanitra hafa iray koa, dia noho izany manome ho an’ireo manao fahadisoana, fahafahana hanitsy ny lalany.
5, 6. Nahoana i Jehovah no naneho fahari-po nifandray tamin’ny fikomian’olombelona?
5 Nahari-po i Jehovah teo amin’ny fifandraisany tamin’ny olombelona mpivady voalohany tao amin’ny zaridainan’i Edena. Rehefa nandika ny didiny nandrara ny fihinanana ilay voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy izy ireo, dia afaka namono avy hatrany azy ireo sy ilay anjely nietry izay namitaka an’i Eva, Andriamanitra. Tsy isalasalana mihitsy fa voatohina mafy ny fahatsapan’i Jehovah ny fahamarinana sy ny rariny, ary tezitra tamin’ireo mpikomy telo izy. Ho zony tanteraka raha tonga dia namono azy ireo izy. Nampitandrina an’i Adama, lehilahy voalohany, toy izao Andriamanitra: “Fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” (Genesisy 2:17). Tamin’iny andro nanotan’i Adama iny ihany, dia nampamoaka ireo mpandika lalàna Andriamanitra ary nanonona fanamelohana ho faty. Tamin’ny heviny ara-pitsarana dia maty tamin’io andro io i Adama sy i Eva. Kanefa ilay Mpamorona antsika mahari-po dia namela an’i Adama ho velona nandritra ny 930 taona. — Genesisy 5:5.
6 Nanana antony tsara nisehoana ho nahari-po, na tsy mora tezitra Andriamanitra tamin’io toe-javatra io. Raha tonga dia namono ireo mpikomy ireo Andriamanitra, izany dia tsy ho namaly ny fihantsiana an-kolaka nataon’ny Devoly hoe tsy mendrika ny hotompoina i Jehovah Andriamanitra, ary tsy afaka hanana mpanompo olombelona izay tsy hivadika hatrany amin’ny toe-javatra rehetra izy. Ambonin’izany, ny fanontaniana toy itony dia ho navela tsy hisy valiny: An’iza ny fahadisoana raha nanota i Adama sy i Eva? Moa ve i Jehovah, tamin’ny voalohany, namorona azy ireo nalemy aoka izany ara-tsaina ka tsy afaka nanohitra ny fakam-panahy, ary avy eo dia nanasazy azy noho ny tsy fanaovana izany? Ny valin’izany rehetra izany dia miharihary amin’ilay fitantarana hita ao amin’ny bokin’i Joba, toko voalohany sy faharoa. Tamin’ny famelana ny taranak’olombelona hitombo, i Jehovah dia namela ny olombelona hanana fahafahana hanaporofo fa diso ny fiampangan’i Satana.
7. Nahoana i Jehovah no tsy tonga dia namono an’i Farao?
7 Rehefa nadiva hanafaka ny Isiraelita vahoakany tamin’ny fanandevozan’ny Egyptiana i Jehovah, dia niseho ho nahari-po indray. Ho afaka nandringana avy hatrany an’i Farao sy ny heriny ara-tafika izy. Tsy nanao izany anefa Andriamanitra fa nandefitra taminy kosa nandritra ny fotoana kelikely. Noho ny antony inona? Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, i Farao dia nanjary nikiry kokoa tamin’ny tsy fetezany hamela ny Isiraelita handao an’i Egypta amin’ny maha-vahoakan’i Jehovah afaka azy ireo. Nasehony tamin’izany fa izy dia “fanaky ny fahatezerana” mendrika fandringanana noho ny fihaikana an’i Jehovah. (Romana 9:14-24). Misy anefa antony iray lehibe kokoa nahatonga an’Andriamanitra hahari-po tamin’io toe-javatra io. Tamin’ny alalan’i Mosesy, dia hoy izy tamin’i Farao: “Fa ankehitriny, raha izay Aho no naninjitra ny tànako hamely anao sy ny vahoakanao amin’ny areti-mandringana, dia efa fongotra tamin’ny tany hianao. Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin’ny tany rehetra ny anarako.” — Eksodosy 9:15, 16.
8. Noho ny antony inona no tsy namonoan’Andriamanitra ireo Isiraelita nikomy tany an’efitra?
8 Naseho noho ny antony tsara koa ny fahari-pon’Andriamanitra fony tany an’efitra ny Isiraelita. Nanao ahoana moa no nisedran’izy ireo ny faharetan’Andriamanitra tamin’ny fanompoana ombilahy kely volamena ary tamin’ny tsy fanehoana finoana rehefa niverina nanao tatitra ratsy ireo mpisafo tany folo! Tsy namongotra azy tamin’ny naha-vahoakany Andriamanitra satria tafiditra ny anarany sy ny lazany. Eny, nampiseho fahari-po i Jehovah noho ny amin’ny anarany. — Eksodosy 32:10-14; Nomery 14:11-20.
Fahari-po noho ny amin’ny olombelona
9. Nahoana i Jehovah no naneho fahari-po tamin’ny andron’i Noa?
9 Nahari-po noho ny amin’ny olombelona i Jehovah na dia hatramin’ny nanasian’i Adama ratsy izay rehetra mety ho taranany aza, ka nanaovany taminy zavatra tsy ara-drariny lehibe tamin’ny fanotana. Ny fahari-pon’Andriamanitra dia nahatonga hety ny fanitsiana io ratsy io tamin’ny famelany fotoana hahatonga ireo olona nibebaka hihavana aminy. (Romana 5:8-10). Naneho fahari-po tamin’ny olona tamin’ny andron’i Noa koa i Jehovah Andriamanitra. Tamin’izany fotoana izany, dia “hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.” (Genesisy 6:5). Na dia afaka namongotra ny taranak’olombelona aza Andriamanitra raha vao nahita io toe-javatra io, dia nanapa-kevitra fa hamarana izany rehefa afaka 120 taona. (Genesisy 6:3). Io fisehoan’ny fahari-po io dia nanome fotoana mba hananan’i Noa zanaka telo lahy, fotoana mba hitomboan’ireo ka hanambadiany, ary mba hanamboaran’io fianakaviana io ilay sambo fiara hamonjena ny ainy sy hitsimbinana ny biby. Tamin’io fomba io no nety hahatanteraka ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ny tany tany am-boalohany.
10, 11. Nahoana i Jehovah no nahari-po aoka izany tamin’ny firenen’ny Isiraely?
10 Ny filazalazana hafa iray ny amin’ny fahari-po dia mihatra manokana amin’ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny vahoakany. Izany dia “ny fiaretana amim-paharetana ny ratsy na ny fihantsiana, miaraka amin’ny tsy fetezana hanary toky ny amin’ny mbola hihatsaran’ilay fifandraisana voakorontana” (Insight on the Scriptures, boky faha-2, pejy faha-262; navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.) Milaza antony fanampiny nahatonga an’Andriamanitra hahari-po tamin’ireo Isiraelita io hevitra io. Niodina tamin’i Jehovah imbetsaka izy ireo ary lasa andevon’ny firenena jentilisa. Nampiseho fahari-po anefa izy tamin’ny fanafahana ireo Isiraelita sy tamin’ny fanomezana azy ireo fahafahana hibebaka. — Mpitsara 2:16-20.
11 Nitarika ny vahoakany ho amin’ny fanompoam-pivavahan-diso ny ankamaroan’ireo mpanjakan’ny Isiraely. Moa ve Andriamanitra tonga dia nanary ilay firenena? Tsia, tsy nalaky nanary toky izy ny amin’ny mbola hihatsaran’ilay fifandraisana voakorontana. Niseho ho tsy mora tezitra kosa i Jehovah. Tamin’ny fanehoana fahari-po, dia nanome azy ireo imbetsaka fahafahana hibebaka Andriamanitra. Izao no vakintsika ao amin’ny 2 Tantara 36: 15, 16: “Jehovah, Andriamanitry ny razany, nampitondra teny ny iraka izay nirahiny ho any aminy; eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka, fa namindra fo tamin’ny olony sy ny fonenany. Kanjo ny olona nihomehy ireny irak’Andriamanitra ireny sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran’i Jehovah taminy, ka tsy nisy nahavonjy azy.”
12. Porofo inona no omen’ny Soratra grika kristiana mikasika ny antony maha-mahari-po an’i Jehovah?
12 Ny Soratra grika kristiana koa dia manome porofo fa maneho fahari-po mba hanampiana ny vahoakany manao fahadisoana i Jehovah. Nanontany ny kristiana nandika lalàna toy izao, ohatra, ny apostoly Paoly: “Sa hamavoinao ny haren’ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?” (Romana 2:4). Ho amin’ny vokatra mitovy amin’izany no nanaovana ny tenin’i Petera hoe: “Ny Tompo [Jehovah, MN] tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra.” (2 Petera 3:9). Amin’ny fomba mety indrindra, isika dia asaina ‘hanaiky ny fahari-pon’ny Tompontsika ho famonjena’. (2 Petera 3:15). Araka izany, dia hitantsika fa mahari-po i Jehovah, tsy hoe noho ny fihetsehampo na fanaovana baranahiny, fa satria tafiditra amin’izany ny anarany sy ny fikasany, ary noho izy mamindra fo sy be fitiavana.
Ohatra navelan’i Jesosy ny amin’ny fahari-po
13. Inona no porofo araka ny Soratra masina fa nahari-po i Jesosy Kristy?
13 Manaraka avy hatrany ny ohatra navelan’Andriamanitra ny amin’ny fahari-po ny an’ny Zanany, Jesosy Kristy, ilay Mesia. Izy dia ohatra mahatalanjona ny amin’ny fahatanan-tena tsy ho maika ny hamaly na dia eo aza ny fihantsiana.a Ny hoe hahari-po ny Mesia, izany dia efa nambaran’ny mpaminany Isaia mialoha tamin’ireto teny ireto: “Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan’ny mpanety azy, — eny, tsy niloa-bava Izy.” (Isaia 53:7). Manamarina io fahamarinana io ihany ny filazan’i Petera hoe: “Raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ny Mpitsara marina”. (1 Petera 2:23). Tsy maintsy nisedra an’i Jesosy toy inona moa ireo mpianany tamin’ireo fifandirana niverimberina nataony ny amin’izay lehibe indrindra! Kanefa toy inona moa ny fahari-pony sy ny faharetany tamin’izy ireo! — Marka 9:34; Lioka 9:46; 22:24.
14. Tokony hanosika antsika hanao inona ny ohatr’i Jesosy ny amin’ny fahari-po?
14 Tokony hanaraka ny ohatra navelan’i Jesosy ny amin’ny fahari-po isika. Nanoratra toy izao i Paoly: “Aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana [fiaretana, MN] amin’izao fihazakazahana filokana [fifaninanana, MN] napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra [niaritra, MN] ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra Izy. Fa hevero tsara ilay naharitra [niaritra, MN] ny fanoherana nataon’ny mpanota taminy, fandrao ho ketraka hianareo, ka ho reraka ny fanahinareo.” — Hebreo 12:1-3.
15. Ahoana no ahafantarantsika fa nahari-po i Jesosy ary niaritra fitsapana an-tsitrapo?
15 Hita teo amin’ny fihetsika nasehony tamin’ny fotoana nisamborana azy fa nahari-po sy niaritra fitsapana an-tsitrapo i Jesosy. Rehefa avy niteny mafy an’i Petera i Jesosy noho ny namoahany ny sabatra mba hiarovana ny Tompony, dia hoy izy: “Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin’ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin’ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny? Raha izany, dia hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izany?” — Matio 26:51-54; Jaona 18:10, 11.
Ohatra hafa ny amin’ny fahari-po
16. Ahoana no anehoan’ny Soratra masina fa nahari-po i Josefa zanak’i Jakoba?
16 Na dia tsy tanteraka aza ny olombelona mpanota dia afaka maneho fahari-po. Mirakitra ohatra ny amin’ny fiaretana tamim-paharetana ny ratsy nasehon’olona tsy tanteraka ny Soratra hebreo. Ao ohatra, i Josefa, zanak’i Jakoba patriarka hebreo. Tamim-paharetana toy inona moa no niaretany ny tsy rariny nampiharin’ireo rahalahiny hafa reny sy ny vadin’i Potifara taminy! (Genesisy 37:18-28; 39:1-20). Tsy namela ireny fitsapana ireny hahatonga azy ho sosotra i Josefa. Niharihary izany rehefa nilaza tamin’ireo rahalahiny izy hoe: “Aza malahelo na tezitra amin’ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atỳ; fa hamonjy aina no nampandehanan’Andriamanitra ahy hialoha anareo atỳ.” (Genesisy 45:4, 5). Endrey izany ohatra tsara dia tsara ny amin’ny fahari-po navelan’i Josefa!
17, 18. Porofon’ny fahari-po inona no ananantsika mikasika an’i Davida?
17 I Davida dia ohatra hafa iray ny amin’ny mpanompo mahatokin’i Jehovah izay niaritra tamim-paharetana ny ratsy, naneho fahari-po. Rehefa nenjehin’i Saoly mpanjaka be fialonana toy ny alika i Davida, dia nanana fahafahana indroa hamaly tamin’ny famonoana azy. (1 Samoela 24:1-22; 26:1-25). Niandry an’Andriamanitra anefa i Davida araka ny hita amin’ny teniny tamin’i Abisay hoe: “Aoka Jehovah no hamely azy [Saoly]; na ho tonga ny androny, ka ho faty izy; na hirotsaka ho amin’ny ady izy, ka any no hahafaty azy. Sanatria amiko eo anatrehan’i Jehovah, raha haninjitra ny tànako hamely ny voahosotr’i Jehovah aho”. (1 Samoela 26:10, 11). Eny, nanana fahefana hamarana ny fihazan’i Saoly azy i Davida. Nifidy ny hahari-po kosa anefa izy.
18 Hevero koa izay nitranga rehefa nandositra an’i Absaloma zanany nivadika taminy i Davida mpanjaka. Nitora-bato an’i Davida i Simey, Benjamita avy amin’ny ankohonan’i Saoly, sady nanozona azy niantsoantso hoe: “Mandehana, mandehana, ry lehilahy mpandatsa-dra sy tena ratsy fanahy [lehilahy tsy misy ilàna azy, NW]!” Naniry ny hamono an’i Simey i Abisay, kanefa i Davida tsy nety namaly. Toy izay hanao izany, dia nasehony indray ilay toetra tsara, dia ny fahari-po. — 2 Samoela 16:5-13.
Hevero ny ohatr’i Paoly
19, 20. Ahoana no nanehoan’ny apostoly Paoly ny tenany ho nahari-po?
19 Ao amin’ny Soratra grika kristiana isika dia manana ohatra tsara dia tsara hafa iray ny amin’ny fahari-po nasehon’olona tsy tanteraka iray — ny apostoly Paoly. Naneho fiaretana tamim-paharetana, izany hoe fahari-po, izy na tamin’ireo fahavalony ara-pivavahana izany na tamin’ireo olona nilaza ny tenany ho kristiana. Eny, naneho fahari-po i Paoly na dia nisy niteny toy izao aza tao amin’ny kongregasionan’i Korinto: “Fa ny epistiliny (...) dia mavesatra sy mahery; fa malemy kosa ny fanatrehan’ny tenany, ary tsinontsinona ny teniny.” — 2 Korintiana 10:10; 11:5, 6, 22-33.
20 Noho ny antony tsara àry no nilazan’i Paoly tamin’ny Korintiana hoe: “Amin’ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’Andriamanitra izahay, dia amin’ny faharetana [fiaretana, MN] be, amin’ny fahoriana, amin’ny fahaterena, amin’ny fahantrana, amin’ny kapoka, amin’ny fatorana, amin’ny tabataba, amin’ny fisasarana, amin’ny tsy fahitan-tory, amin’ny fifadian-kanina, amin’ny fahadiovana, amin’ny fahalalana, amin’ny fahari-po, amin’ny fahamoram-panahy, amin’ny Fanahy Masina, amin’ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy”. (2 Korintiana 6:4-6). Tamin’ny hevitra mitovy amin’izany, dia afaka nanoratra toy izao ho an’i Timoty mpiara-miasa taminy ilay apostoly: “Fa hianao kosa dia efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondrantenako, ny fisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako, ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy (...); ary ny Tompo nahafaka ahy tamin’izany rehetra izany.” (2 Timoty 3:10, 11). Ohatra tsara dia tsara toy inona moa no navelan’ny apostoly Paoly ho antsika noho izy nahari-po!
21. Ahoana no ahafahan’ny lahatsoratra manaraka manampy antsika?
21 Mazava fa feno ohatra tsara dia tsara ny amin’ny fahari-po ny Soratra masina. Ohatra voalohany i Jehovah sy ny Zanany malala. Kanefa, dia mampahery tokoa ny manamarika fa io toetra tsara io dia nasehon’olombelona tsy tanteraka toa an-dry Josefa sy Davida ary ny apostoly Paoly! Ny lahatsoratra manaraka dia natao mba hanampy antsika haka tahaka ohatra tsara dia tsara toy izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny hoe mahari-po akory tsy midika fotsiny hoe miaritra maharitra. Raha kivy na sosotra ny olona iray miaritra maharitra noho ny tsy fahafahana mamaly, dia tsy mahari-po izy izany.
Ahoana no havalinao?
◻ Inona no dikan’ny hoe mahari-po?
◻ Nahari-po i Jehovah, noho ny antony inona voalohany indrindra?
◻ Tamin’ny fomba ahoana no nisehoan’i Jesosy ho nahari-po?
◻ Inona no porofo araka ny Soratra masina fa afaka maneho fahari-po ny olombelona tsy tanteraka?
[Sary, pejy 10]
Ohatra fakan-tahaka ny amin’ny fahari-po ry Josefa, Jesosy, Davida, Paoly, ary Joba
[Sary, pejy 13]
Nampiseho fahari-po tamin’ny mpianany i Jesosy