FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 1/9 p. 4-6
  • Ny Baiboly — Avy amin’Andriamanitra ve izy io?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Baiboly — Avy amin’Andriamanitra ve izy io?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy tantara fotsiny
  • Ny andraikitsika
  • Avy amin’Andriamanitra marina tokoa ve ny Baiboly?
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Nahoana Isika no Tokony Hamaky ny Baiboly?
    Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?
  • Inona Marina ny Baiboly?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Fampianarana Marina Ankasitrahan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 1/9 p. 4-6

Ny Baiboly — Avy amin’Andriamanitra ve izy io?

I JEHOVAH, Andriamanitry ny hery sy ny fahefana tsy misy fetra, dia azo antoka fa manana zo hifandray amin’ny olombelona noforoniny amin’izay fomba rehetra iriny hanaovana izany. Raha mifidy ny hifandray amin’ny alalan’ny teny voasoratra izy, dia tsy maintsy niaro koa ny hafany nandritra ireo taona maro. Toy izany ve no izy amin’ny Baiboly?

Tany amin’ny 1 500 taona talohan’i Kristy, rehefa nanomboka ny fanoratana ny Baiboly, dia efa nisy soratra ara-pivavahana hafa maro be. Kanefa, tsy nampiasaina intsony ireny rehetra ireny ary nanjavona rehefa ela ny ela. Ny sasany nohadin’ny manam-pahaizana momba ny arkeôlôjia ary zary fahatsiarovana aseho any amin’ny fitahirizana ny rakitry ny ela sisa ankehitriny. Etsy an-danin’izany kosa, ireo tapatapany amin’ny Baiboly nosoratana efa maherin’ny telo arivo taona lasa izay dia tsy hadino na oviana na oviana ary kopia maro be no mbola naharitra hatramin’ny androntsika. Miavaka izany, indrindra fa rehefa heverina ny fankahalana napoitra hanoherana ny Baiboly nandritra ny tantara. Tsy nisy mihitsy boky hafa natao lasibatry ny fanoherana sy fankahalana tamin-kalozana be toy izany. Ny famakiana na ny fizarana ny Baiboly dia nahavoasazy tamin’ny fandoavana onitra, fampidirana am-ponja, fampijaliana, ary matetika fahafatesana.

Ahoana no nahafahan’ny boky iray fotsiny haharitra teo ambanin’ny toe-javatra toy izany? Ny Baiboly mihitsy no milaza amintsika hoe: “Ny tenin’ny Tompo [Jehovah, MN] maharitra mandrakizay.” (1 Petera 1:25). Ny fiaretana sy ny tsy fetezan-ko simba ananan’ny Baiboly dia manampy hamantarana azy io ho ny Teny masin’Andriamanitra.

Ambonin’izany, dia tokony hanampo araka ny fandrindran-kevitra isika fa ho hita maneran-tany ny hafatr’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Toy izany ve no izy amin’ny Baiboly? Tena izany tokoa! Tsy nisy boky hafa teo amin’ny tantara nanakaiky ny Baiboly akory aza tamin’izany lafiny izany. Notombanana ho 3 000 000 000 ny Baiboly natonta. Ankoatra izany, dia tsy misy boky hafa nadika ho amin’ny fiteny maro be tahaka azy io. Ny Baiboly izao dia azo vakina, manontolo na tapatapany, amin’ny fiteny samy hafa maherin’ny 1 900. Manao tatitra ny Fikambanana ara-baiboly amerikana fa afaka mahazo azy io ny 98 isan-jaton’ny mponina eran’izao tontolo izao ankehitriny. Ny Firaketana britanika vaovao (anglisy) dia miantso ny Baiboly ho “azo inoana fa ny fanangonam-boky manana hery mitaona be indrindra teo amin’ny tantaran’olombelona.” Tsy tafahoatra àry ny filazalazana azy io ho ny boky lehibe indrindra eto an-tany.

Ny fifanarahana anatiny misy ao amin’ny Baiboly, manomboka eo amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, dia porofo mahery ao aminy ihany fa avy tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra tokoa izy io. Araka ny zava-misy ve ny hanantenana fa ny zavatra nosoratan’olona eo amin’ny 40 samy hafa nandritra ny vanim-potoana nisy 1 600 taona dia ho afaka hiseho ho mifanaraka tsara sy manana foto-kevitra iray ihany? Tsy hety hisy ny toy izany raha navela hiankina tamin’ny kisendrasendra na tamin’ny fitarihan’olombelona fotsiny. Kanefa dia toy izany no izy tamin’ireo boky 66 mahaforona ny Baiboly. Ny saina iray ambony noho ny an’ny olombelona sady maharitra mandrakizay ihany no afaka ny hanatanteraka zava-bita miavaka toy izany.

Tsy tantara fotsiny

Miavaka ny zavatra raketin’ny Baiboly ara-tantara. Nefa raha hafatra iray avy amin’Andriamanitra tsy ahitana afa-tsy filazalazana ara-tantara dia tsy hisy afa-tsy lanjany voafetra ihany ho antsika. Mila fitarihana sy fahendrena azo ampiharina isika, ary azo atao ny mahita izany ao amin’ny Baiboly. Ohatra, mampirisika antsika ny Baiboly mba hamboly “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana [finoana, MN], fahalemem-panahy, fahononam-po [fifehezan-tena, MN]”, toetoetra izay voasoratra imbetsaka ao amin’ireo pejiny. (Galatiana 5:22, 23; Kolosiana 3:12-14). Ny Baiboly dia mampirisika ny fahazotoana miasa, ny fahadiovana, ny fanaovana ny marina, ny fahatokiana eo amin’ny fanambadiana, ny fanajana sy fitiavana ny olona sahala amin’ny tena; ary mirakitra torohevitra sesehena hahasoa ny olombelona eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina izy io.

Rehefa ampiharina ny torohevitry ny Baiboly, dia miharihary ho tena mahasoa. Manafaka antsika amin’ny tsy fahalalana sy ny finoanoam-poana izy io. (Jaona 8:32). Tsy manam-paharoa ny fahendrena azo ampiharina raketiny. Marina tokoa fa izy io dia mirakitra, tsy misy isalasalana, ny fahendren’Andriamanitra.

Ny filazana fa “velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra” dia mifanaraka tanteraka amin’ny fomba anovan’ny Baiboly marina ny olona. (Hebreo 4:12). An-tapitrisany maro amin’izao andro izao no naharesy toetra ratsy maro ary nanova ny fomba fiaina manimba nananany taloha ho amin’ny tsaratsara kokoa, noho ny fandraisana am-po ireo fari-pitondrantena ao amin’ny Baiboly. — Efesiana 4:22.

Inona no mitranga rehefa tsy raharahaina ireo fari-pitondrantena ao amin’ny Baiboly? Ny vokany dia fahoriana sy alahelo, ady, fahantrana, areti-mifindra avy amin’ny firaisana, ary tokantrano rava. Tsy misy afa-tsy ny zavatra toy izany no andrasana satria ny tsy firaharahana ny Baiboly masina dia midika ho fandavana ny fitarihan’Andriamanitra izay namorona ny olombelona sady mahalala izay ilainy.

Ny Baiboly koa dia manambara mialoha ny hoavy, zavatra izay tsy hain’ny olombelona atao. Ny fipoiran’ireo herim-panjakana nanomboka tamin’i Babylona sy nandritra ireo taonjato ka hatramin’ny androntsika dia efa voambara ara-paminaniana ao amin’ny Baiboly. (Daniela toko faha-2, 7, 8). Fanampin’izany, efa ho roa arivo taona lasa izay, dia nisy filazalazana marina voarakitra ao amin’ny Baiboly mikasika ny toe-piainana maneran-tany amin’izao taonjato faha-20 izao. (Matio toko faha-24, 25; Marka toko faha-13; Lioka toko faha-21; 2 Timoty 3:1-5; 2 Petera 3:3, 4; Apokalypsy 6:1-8). Ny lisitra lava be momba ireo faminanian’ny Baiboly efa tanteraka dia manome antoka antsika fa tena marina ireo fahatsinjovana hoavy sambatra araka ny ilazalazana azy ao amin’ireo pejin’ny Baiboly.

Ny andraikitsika

Ireo rehetra ireo dia porofo mampiaiky fa tena nifandray tamin’ny olombelona Andriamanitra. Marina fa nampita ny hafany tamin’ny alalan’olombelona tsy tanteraka Andriamanitra. Nefa izany akory tsy antony tokony hinoana fa tsy dia marina loatra noho ny hafatra am-bava iray avy amin’Andriamanitra na ny iray natolotra tamin’ny alalan’ny anjely na koa ny iray nosoratana tamin’ny fomba mahagaga tany an-danitra ka natolotra an-tanana ho an’ny olona tetỳ an-tany, ny Baiboly.

Na izany aza, ny fiekena ny maha-masina na avy amin’Andriamanitra ny nipoiran’ny Baiboly dia mametraka andraikitra iray amintsika. Manantena ara-drariny ny hamakiantsika tsy tapaka ny Teniny i Jehovah. (Salamo 1:1, 2). Mitaky toe-tsaina mety ny famakiana Baiboly mitondra vokatra tsara. Tsy maintsy mitadidy an-tsaina ny olona iray fa tsy natao hovakina toy ny karazana zavatra vita an-tsoratra rehetra fotsiny ny Baiboly. Ny olona iray dia tsy maintsy mandray azy io, tsy ho toy ny “tenin’olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra”. — 1 Tesaloniana 2:13.

Mety ho sarotra takarina ny zavatra sasany ao amin’ny Baiboly. Nefa amin’ny famakiana azy tsy tapaka, dia mitombo amin’ny fahatakarana ny heviny sy mandray fitadidiana feno kokoa ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fikasany ny olona iray. (Hebreo 5:14). Angamba ianao mbola tsy miaiky tanteraka fa Teny masin’Andriamanitra ny Baiboly. Nefa, ahoana no ahafahanao maneho finoana ny Baiboly na tsia foana, raha tsy nianatra azy io tamim-pitandremana ianao?

Na dia eo aza ny fisalasalana amin’ny andro ankehitriny ny amin’ny maha-avy amin’Andriamanitra azy io, ny fandinihana amim-pitandremana ny Baiboly masina dia nahatonga olona misaina maro be hihiaka toy ny nataon’ny apostoly Paoly hoe: “Aoka Andriamanitra no ho [fantatra fa, MN] marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga!” — Romana 3:4.

[Tabilao, pejy 4]

(Jereo ny gazety)

Afaka mahazo ny Baiboly izao ny 98 isan-jaton’ny mponina eran’izao tontolo izao.

Tsy nisy boky teo amin’ny tantara nanakaiky akory ny fanontana ny Baiboly izay tombanana ho 3 000 000 000. Ny Firaketana britanika vaovao dia miantso azy io hoe “azo inoana fa ny fanangonam-boky manana hery mitaona be indrindra teo amin’ny tantaran’olombelona”

[Sary, pejy 4]

Naharitra ny Baiboly, nefa zary fahatsiarovana any amin’ny fitahirizana ny rakitry ny ela kosa sisa ireo soratra ara-pivavahana hafa.

Etsy ambony: Fitantarana asyriana momba ny safodrano

Eo ankavanana: Vavaka atao amin’ny andriamanitra egyptiana Ra.

[Sary nahazoan-dalana]

Ny sary roa: Nahazoan-dalana noho ny hamoram-pon’ny British Museum

[Sary, pejy 5]

Nosoratan’olona teo amin’ny 40 samy hafa nandritra ny vanim-potoana 1 600 taona ny Baiboly, ary manaraka foto-kevitra iray ihany manomboka eo amin’ny voalohany ka hatrany amin’ny farany. Ny saina iray ambony noho ny an’ny olombelona sady maharitra mandrakizay ihany no afaka ny hanatanteraka zava-bita miavaka toy izany.

[Sary, pejy 5]

Ny fipoiran’ireo herim-panjakana nanomboka tamin’i Babylona sy nandritra ireo taonjato ka hatramin’ny androntsika dia efa voambara ara-paminaniana ao amin’ny Baiboly. (Daniela 2, 7, 8).

Eo ankavanana: Aogosto Kaisara

[Sary nahazoan-dalana]

Museo della Civiltà Romana, Roma

[Sary, pejy 6]

Efa ho roa arivo taona lasa izay, ny Baiboly dia nanambara mazava mialoha ny amin’ny toe-piainana maneran-tany ankehitriny. (Matio 24, 25; Marka 13; Lioka 21; 2 Timoty 3:1-5; 2 Petera 3:3, 4; Apokalypsy 6:1-8). Ny fahamarinana tsy misy tsinin’ny faminanian’ny Baiboly dia manome antoka antsika fa tsy maintsy ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra tany paradisa iray.

[Sary nahazoan-dalana]

Reuters/Bettman Newsphotos

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara