FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 1/11 p. 24
  • “Isan-trano”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Isan-trano”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Mitovitovy Aminy
  • Mampianara ampahibemaso sy isan-trano
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Ny “Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao” — Lalina sady azo antoka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Fitoriana Isan-trano
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Dingana Iray Lehibe ho An’ireo Tia ny Tenin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 1/11 p. 24

“Isan-trano”

“TSY nitsahatra nampianatra sy nitory an’i Jesosy ho Kristy isan-andro teo an-kianjan’ny tempoly sy tao an-trano [isan-trano, MN] izy.” (Asan’ny apostoly 5:42). Mampiasa matetika an’io andinin-teny io sy ilay iray ao amin’ny Asan’ny apostoly 20:20 ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanaporofoana ny fototra araka ny Soratra masina iorenan’ny asa fitoriana isam-baravarana ataon’izy ireo. Any Alemaina anefa, dia misy fanakianana momba ny Vavolombelon’i Jehovah nanohitra ny fomba andikan’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao an’ireo andinin-teny ireo, amin’ny fanambarana fa mampiseho amin’ny fomba diso ny soratra grika tany am-boalohany ireo.

Ara-dalàna ve ny fanambarana toy izany? Tsy izany velively. Voalohany indrindra, dia fandikan-tenin’ny Baiboly alemanina enina, fara fahakeliny, no mandika an’ireo andinin-teny ireo mitovy amin’izany. Anisan’izany ny fanontana nasiana fanitsiana amin’ny Zürcher Bibel mbamin’ny “News Testaments” nosoratan-dry Rupert Storr, Franz Sigge, ary Jakob Schäfer (nasian’i N. Adler fanitsiana). Dikan-teny anglisy maro be no mifanaraka amin’izany.

Manamarina ny fandikan-teniny hoe: “isan-trano”, ao amin’ny Asan’ny apostoly 5:42 ilay Alemanina mpivaofy teny atao hoe Hans Bruns, amin’ny filazana hoe: “Araka ny soratra tany am-boalohany, dia toa nandeha isan-trano izy ireo.” Eny, ny fitenenana tany am-boalohany hoe katʼ oiʹkon, ao amin’io andinin-teny io, dia tsy nampiasaina tamin’ny heviny mamaritra (“tao an-trano”), fa tamin’ny heviny manavaka, midika ara-bakiteny hoe “arakaraka ny trano”. (Ny endriny milaza maro amin’ny katʼ oiʹkon, midika hoe “arakaraka ireo trano”, dia hita ao amin’ny Asan’ny apostoly 20:20). Ireo mpivaofy teny hafa toa an’i Heinz Schürmann, dia manamarina ny fandikan-teny manavaka natao tamin’ireo fitenenana ireo. Milaza ry Horst Balz sy Gerhard Schneider, namoaka ny rakibolana iray momba ny fivoasan-teny ao amin’ny Testamenta Vaovao, fa azo adika hoe “mitety trano” io fitenenana io. Misy boky fianarana amin’ny teny anglisy sasantsasany manazava an’io andininy io tahaka izany.

Mbola nahatohitra indray ny famelezan’ny fanakianana àry ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao. Mbola zava-dehibe kokoa ihany fa miharihary ny fisian’ny fototra ara-baiboly mafy orina ho an’ny fanompoana isan-trano. (Ampitahao amin’ny Matio 10:11-14; 24:14.) Manana tombontsoa ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fanahafana ireo nanao toa azy ireo tamin’ny taonjato voalohany tamin’izany lafiny izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara