FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 1/11 p. 31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Mitovitovy Aminy
  • Ry loholona, hevero ho zava-dehibe ny andraikitrareo amin’ny maha-mpiandry
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Ny Fiainana Fahiny: Ny Mpiandry Ondry
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Miandry Amim-pangorahana ny Ondry Kely Izy Ireo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • “Mpiandry Sitraky ny Foko”
    Mahasoa Anao Ireo Boky Nosoratan’i Jeremia Mpaminany
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 1/11 p. 31

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Torohevitra fototra inona no atolotry ny Ohabolana 27:23 ho an’ireo mpiandry ara-panahy ary koa ireo kristiana amin’ny ankapobeny?

Izao no vakin’io andinin-teny io: “Fantaro tsara ny tarehin’ny ondry aman-osinao, ary miahia tsara ny andian’ny bibinao.” (Ohabolana 27:23). Matetika io andinin-teny io no nampiasaina mba hampirisihana ireo mpiandry ara-panahy haneho fiheverana sy hifankazatra amin’ny tarehin-javatra sy zava-manahirana hitan’ireo kristiana ao amin’ny kongregasiona. Mifanentana tsara izany fampirisihana izany satria mampitaha ireo loholona amin’ny mpiandry ny Baiboly ary ny kongregasiona amin’ny andian’ondry. (Asan’ny apostoly 20:28, 29; 1 Petera 5:2-4). Kanefa, na dia mihatra aza io fotopoto-pitsipika eo ambony io, dia tsy mahakasika ny mpiandry ara-panahy voalohany indrindra io andinin-teny io.

Ny bokin’ny Ohabolana dia mirakitra andinin-teny maro be mahaleotena toy ny filazana torohevitra voafintina, nefa ny Ohabolana 27:23 dia anisan’ny fitambaran’andinin-teny manao hoe: “Fantaro tsara ny tarehin’ny ondry aman-osinao, ary miahia tsara ny andian’ny bibinao; fa ny harena tsy ho mandrakizay; ary moa haharitra ho amin’ny taranaka rehetra va ny satroboninahitra? Na dia lany aza ny ahitra, ka mitsiry ny solofony, ary voataona ny zava-maniry any an-tendrombohitra, ny zanak’ondry dia hahazoanao fitafiana, ary ny osy hamidinao tany; ary ho ampy hosotroinao ny rononon’osy sy ho an’ny ankohonanao, sy hisy hiveloman’ny ankizivavinao.” — Ohabolana 27:23-27.

Io an-dalan-teny ara-tsindrimandry io dia mampisongadina ny fananana fomba fiaina voamariky ny faharisihana, ny fahazotoana miasa, ny fahatsorana, ary ny fiekena ny fiankinantsika amin’i Jehovah. Manao izany izy amin’ny fampiharihariana ny fiainana momba ny fiandrasana nataon’ny Isiraelita mpiandry ondry iray, angamba nifanohitra tamin’ny fiainana nirenty niorina tamin’ny raharaham-barotra sy ny harena mora azo.

Ny “harena” na fananana azo tamin’ny fanaovan-javatra kisendrasendra, miafara amin’ny laza (“satroboninahitra”), dia mety hanjavona mora foana, araka ny ho tsapan’ny olona maro. Betsaka àry, araka izany, ny tokony holazaina mba hananana fiainana tsotra toy ny narahin’ireo mpiandry fahiny teo amin’ny fikarakarana ny bibiny. Izany fomba fiaina izany dia tsy tsotra amin’ny heviny hoe tsy nisy fikarakarana. Nila ny nitandrina ny andiam-bibiny ny mpiandry iray tamin’ny fanaovana izay hahazoana antoka fa voaro ny ondriny. (Salamo 23:4). Raha teo am-pikarakarana azy ireo izy no nahita ondry iray narary na naratra, dia tokony hanosotra izany tamin’ny diloilo. (Salamo 23:5; Ezekiela 34:4; Zakaria 11:16). Tamin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, ny mpiandry narisika iray izay niahy tsara ny bibiny dia nahita ny fiezahany nisy vokany, dia ny fitomboana miandalana teo amin’ny andiam-bibiny.

Ny mpiandry iray niasa mafy sady nikarakara dia nanana loharanom-panampiana azo ianteherana, dia i Jehovah. Ahoana izany? Mampisy fizaran-taona sy tsingerina manome tsy tapaka vilona ampy, azo amahanana ny andiam-biby, Andriamanitra. (Salamo 145:16). Rehefa lany ny vilona eny amin’ny faritra ambany kokoa noho ny fiovan’ny fizaran-taona, dia nety ho tondraka kosa tany amin’ireo faritra avo kokoa, izay azon’ny mpiandry mailo iray namindrana ny bibiny.

Miresaka vokatra iray azo avy amin’ny asa mafy toy izany ny Ohabolana 27:26, 27, dia sakafo sy fitafiana. Ekena fa tsy mahakasika fandaniana be amin’ny sakafo na fahaizana manokana momba ny sakafo, na koa manome antony ho an’ny mpiasa iray hanantenana akanjo araka ny lamaody farany na ny fitafiana tsara indrindra izany. Kanefa, raha vonona ny hiezaka an-tsitrapo izy, dia ho afaka hahazo ronono (sy fromazy) ary koa volon’ondry hahazoana akanjo mafy voatenona avy amin’ilay andiam-biby ilay mpiandry ondry sy ny fianakaviany.

Noho izany, ny torohevitra hoe: “Fantaro tsara ny tarehin’ny ondry aman-osinao” dia tsy natao voalohany indrindra ho an’ireo mpiandraikitra ara-panahy; natao ho an’ny kristiana rehetra izy io. Izy io dia manasongadina ny hasarobidin’ny fianinana amin’ny sakafo sy ny fitafiana azo avy tamin’ny asa atao tsy tapaka sy amim-paharisihana, amin’ny fatokiana fa tsy handao antsika Andriamanitra. (Salamo 37:25; 2 Tesaloniana 3:8, 12; Hebreo 13:5). Amin’ny fampitahana ny Ohabolana 17:23-27 amin’ny torohevitra ao amin’ny Lioka 12:15-21 sy ny 1 Timoty 6:6-11, dia mahita isika fa tena tsy niova ny torohevitr’Andriamanitra ny amin’io raharaha io. Noho izany dia afaka mamaky indray ny Ohabolana 27:23-27 ny tsirairay avy amintsika ary manontany ny tenantsika hoe: ‘Moa ve aho mandray izany am-po sy mampihatra izany eo amin’ny fiainako andavanandro?’

[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara