Ny Lakroa — Marika Famantarana ny Kristianisma Ve?
NANDRITRA ny taonjato maro, dia nisy olona sesehena nandray ny lakroa ho marika famantarana ny Kristianisma. Izany tokoa ve anefa izy io? Ny olona maro izay nino izany tamim-pahatsorana dia taitra tokoa rehefa nahalala fa tsy marika famantarana manokana ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana velively akory ny lakroa. Mifanohitra amin’izany fa izy io dia nampiasaina hatraiza hatraiza tany amin’ireo fivavahana tsy kristiana manerana izao tontolo izao.
Tany am-piandohan’ireo taona 1500, ohatra, raha teo am-piomanana hanafika ny Empira Aztèque ry Hernán Cortés sy ny tafiny “kristiana”, dia nilanja faneva nanambara hoe: “Aoka isika hanaraka ilay famantaran’ny Lakroa Masina amim-pinoana marina, satria eo ambanin’io famantarana io isika no handresy.” Tsy maintsy taitra izy ireo nahita fa ireo fahavalony mpanompo sampy dia nankamasina lakroa iray izay tsy nisy valaka tamin’ny azy. Hoy ilay boky hoe Great Religions of the World: “Tafintohina ry Cortés sy ny mpanara-dia azy teo anatrehan’ny fanaovan’ireo Aztèques sorona olombelona sy izay toa mitovy amin’ny fakana tahaka ny Kristianisma tamin’ny fomba nahatsikaiky sy araka ny tolotsain’i Satana: (...) ny fankamasinana marika famantarana toy ny lakroa, izay marika famantarana ireo andriamanitra rivotra sy orana.”
Tao amin’ny lahatsoratra iray tao amin’ny gazety La Nación, dia nanazava ilay mpanoratra atao hoe José Alberto Furque fa tamin’ny tapany faharoa amin’ny taonjato faha-18, dia nanomboka “ny ady hevitra nafana sy nandrisika ny saina teo amin’ireo manam-pahaizana manokana momba ny olombelona sy ny fiainany, sy ireo mpanao fikarohana any ambanin’ny tany mikasika ny fiaviana sy ny dikan’ireo marika famantarana miendrika lakroa” izay hitan’izy ireo saika nanerana an’i Amerika Afovoany sy Atsimo. Toa mailaka aoka izany ny sasany mba hiaro ny toeran’ny lakroa amin’ny maha-marika famantarana manokana ho an’ny “kristiana” azy, hany ka naroson’izy ireo ilay tsangan-kevitra hoe tamin’ny fomba iray tsy fantatra dia efa nitoriana ny filazantsara ireo mponina tany Amerika talohan’ny dia famaritana tany nataon’i Christophe Colomb! Voatery nailika ho tsy marim-pototra io hevitra sarotra inoana io.
Fotoana kelikely tatỳ aoriana, dia namarana ireo ady hevitra ny fahitan-javatra fanampiny nahakasika io foto-kevitra io. Nanao izao fanamarihana izao i Furque: “Tao amin’ny boky iray navoakan’ny Smithsonian Institution tamin’ny 1893, dia voamarina fa ny lakroa dia efa nankamasinina (...) ela be talohan’ny nahatongavan’ireo Eoropeana voalohany tany Amerika Avaratra, ka izany dia manamafy ilay tsangan-kevitra (...) fa izany marika famantarana izany dia hita tany amin’ny fitambaran’olona rehetra ho toy ny tapany amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ny hery izay niavian’ny fiainana.”
Asehon’ny Baiboly fa tsy novonoina teo amin’ny lakroa araka ny mahazatra mihitsy i Jesosy, fa teo amin’ny tsato-kazo tsotra, na stau·rosʹ. Io teny grika io, izay hita ao amin’ny Matio 27:40, dia midika indrindra hoe sakamandimby na andry mahitsy fotsiny, toy ireny ampiasaina amin’ny fanorenana trano ireny. Noho izany, ny lakroa dia tsy nampiseho na oviana na oviana ny Kristianisma marina. Nampahafantatra ny tena marika famantarana, na “marika” ho an’ny Kristianisma marina i Jesosy Kristy rehefa nilaza tamin’ireo mpanara-dia azy hoe: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” — Jaona 13:35.