FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 1/8 p. 23-28
  • Ny atao hoe fitiavana an’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny atao hoe fitiavana an’Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fampiasana lakroa ao amin’ny fivavahana
  • Ny lakroan’i Constantin
  • Mety ve ny hankamasinana fiasana nentina nampijaliana?
  • Aoka isika hiaro ny Teny ara-tsindrimandry
  • ‘Aoka isika hitandrina ny didiny’
  • Teo Amin’ny Lakroa Tokoa ve i Jesosy no Maty?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Natao ho an’ny kristiana ve ny lakroa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Tokony Hampiasa Lakroa ve ny Kristianina?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Lakroa
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 1/8 p. 23-28

Ny atao hoe fitiavana an’Andriamanitra

“Fa izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny.” — 1 JAONA 5:3.

1. Ahoana no tokony hampisehoantsika ny fitiavantsika an’Andriamanitra, ary inona no ho vokatr’izany?

NASEHON’I Jesosy fa tsy maintsy mivavaka amin’Andriamanitra ny olombelona, ka hoy izy: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.” (Matio 22:37). Ahoana no tokony hampisehoantsika izany fitiavana izany? Mamaly toy izao ny Baiboly: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny.” (1 Jaona 5:3). Soa inona avy no azon’ireo izay manao toy izany? “Izay mitoetra ao amin’ny fitiavana no mitoetra ao amin’Andriamanitra”, hoy i Jaona. — 1 Jaona 4:16b.

2. Iza irery ihany no tokony hanolorantsika fanompoam-pivavahana?

2 Raha toa isika tia an’Andriamanitra, dia tsy hanolotra fanompoam-pivavahana mihitsy ho an’izay mety ho zavaboary velona na maty, fa ho Azy irery ihany (Lioka 4:7, 8). Ny apostoly Petera, ary na ny anjely anankiray aza, dia nanda ny hivavahan’olombelona aminy (Asa. 10:25, 26; Apokalypsy 22:8, 9). Nasehon’i Jesosy koa fa tsy mety ny hankamasinana an’i Maria reniny, satria izany voninahitra izany dia tokony ho an’Andriamanitra irery ihany (Lioka 11:27, 28; Jaona 2:3, 4; Apokalypsy 4:11). Ny fiantefan’ny fanompoam-pivavahana amin’ny fomba diso dia fandikana ny didin’Andriamanitra, satria “tsy misy olona mahay manompo tompo roa”. — Matio 6:24.

Ny fampiasana lakroa ao amin’ny fivavahana

3. Ahoana no fiheveran’ny fivavahana lazaina fa kristiana ny fankamasinana ny lakroa?

3 Mifanohitra amin’ny didin’Andriamanitra koa ny fankalazana zavatra tsy manana aina. Ny lakroa dia anankiray amin’ireo zavatra ankamasinina miely indrindra. Hatramin’ny taonjato maro dia nampiasaina toy ny fitaovana enti-manompo izy io teo anivon’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Ny Firaketana Vaovao britanika dia miresaka ny aminy ho toy ny “marika lehibe indrindran’ny fivavahana kristiana”. Tany Gresy, nandritra ny fitsarana iray, dia nilaza mihitsy aza ny Eglizy ortodoksa grika fa ireo izay mandà ny ‘Lakroa Masina’ dia tsy mba kristiana. Tena marika kristiana anefa ve ny lakroa? Avy aiza no niaviany?

4, 5. a) Inona no lazain’ny rakibolana iray momba ny teny hoe stauros, izay adikan’ny Baiboly frantsay samihafa amin’ny hoe “lakroa”? b) Avy aiza no niandohan’ny fankamasinana ny lakroa?

4 Matio 27:32 sy 40 dia anankiray amin’ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly izay iresahana ny fitaovana fampijaliana namonoana an’i Jesosy. Baiboly frantsay samihafa no mandika ny teny grika stauros amin’ny hoe “lakroa”. Inona anefa no hevitr’io teny io tamin’ny fotoana nanoratana ny Soratra grika, tamin’ny taonjato voalohany? Ao amin’ny Diksionera fanazavana ny teny ao amin’ny Testamenta Vaovao (anglisy) nataony, i W. Vine dia nanoratra hoe: “Stauros (...) dia manondro voalohany indrindra tsato-kazo mahitsy. Teo ambony tsato-kazo tahaka izany no namantsihana ny olon-dratsy mba hamonoana azy. Ny anarana hoe [stauros] sy ny matoanteny stauroō izay midika hoe manantona amin’ny hazo, dia samy tsy nifandray tamin’ny endriky ny lakroa misy vatan-kazo roa mihitsy teo am-piandohana. Io karazana lakroa io dia avy tany Kaldea fahiny; nampiasaina izy io ho fampisehoana an’i Tamoza andriamanitra (satria nanana ny endriky ny litera ara-pivavahana Tau, litera voalohany tamin’ny anarany) tao amin’io tany io sy tao amin’ireo tany mifanolo-bodirindrina aminy, anisan’izany Egypta.”

5 Manohy ny teniny i Vine: “Tokony ho teo antenantenan’ny taonjato faha-3 taorian’i J.-K., dia nihataka tamin’ny fampianaran’ny finoana kristiana sasany na nanova azy ireny ireo Eglizy. Mba hampitomboana ny lazan’ny fandehan-javatra ara-pivavahana nivadi-pinoana noforonin’ireo mpitondra fivavahana, dia nandray mpanompo sampy teo anivony ireo Eglizy na dia mbola tsy nohavaozin’ny finoana akory aza izy ireny, sady navelany hitana hatrany ihany ny ankamaroan’ireo famantarana sy marika avy amin’ny mpanompo sampy. Avy tamin’izay no nahazoana ny Tau na T, amin’ny endriny ampiasaina indrindra misy hazo mitsivalana midina natao ho fampisehoana ny lakroan’i Kristy.”

6, 7. a) Avy aiza ny teny hoe “lakroa”, ary nahoana no tsy manana ny toerany ao amin’ny Baiboly izany? b) Nahoana ny fampiasan’ny Baiboly ny teny hoe xulon no manamafy fa ny hoe stauros dia manondro vatan-kazo mahitsy?

6 Toy izao no azo vakina ao amin’ny boky iray amin’ny teny anglisy (The Companion Bible) eo ambanin’ny lohateny hoe “Lakroa sy fanomboana amin’ny lakroa”: “Ny teny hoe ‘lakroa’ fampiasantsika dia mandika ny teny latina hoe crux; fa ny teny grika hoe stauros kosa dia tsy midika hoe crux toy ny tsy andikana amin’ny hoe ‘tehina’ ny teny hoe ‘tongo-kazo’. Homère dia mampiasa ny teny hoe stauros mba hilazana tsato-kazo na andry, na sakamandimby hazo tsotra tokana. Ary toy izany no ampiasana an’io teny io ao amin’ireo mpampiasa rehetra ny grika klasika. Izy io dia tsy manondro mihitsy vatan-kazo roa mifanapaka manao zoro mahitsy. (...) Tsy misy na inona na inona mihitsy ao amin’ny teny grikan’ny T[estamenta] V[aovao] mahatonga hihevitra ny amin’ny vatan-kazo roa.”

7 Ny Baiboly dia mampiasa teny grika hafa iray, xulon, mba hoentina manondro ny fitaovana nahafaty an’i Jesosy. Izany dia manohana ny hevitra fa stauros dia hazo mahitsy tsy misy mitsivalana. Izany no hamafisin’ilay boky vao avy notononintsika, amin’izao teny izao: “Ny teny [xulon] (...) dia manondro amin’ny ankapobeny vatan-kazo maty natao kitay na natao hampiasaina amin’ny fomba hafa. (...) Koa satria azo ampifanoloana amin’ilay teo aloha, “stauros”, io teny io [xulon], dia azontsika tsoahina avy amin’izany fa mitovy marina ny heviny. (...) Izany no nahatonga ny nampiasana ilay teny [xulon] (...) hilazalazana ny fomba nahafatesan’ny Tompontsika, teny izay adika hoe ‘hazo’ ao amin’ny Asan’ny apostoly 5:30; 10:39; 13:29; Galatiana 3:13; 1 Petera 2:24 [Fandikan-teny Eokomenikan’ny Baiboly].”

8. Inona no ambaran’ny loharanom-panazavana hafa momba ny lakroa sy ny niandohany?

8 Izao no vakina ao amin’ny Dictionnaire Encyclopédique universel: “Efa ela no ninoana fa ny lakroa, noraisina ho marika ara-pivavahana, dia nampiavaka ny kristiana. Tsy izany anefa no izy.” Ny boky hoe Lova anankiroa — Ny Baiboly sy ny British Museum (anglisy) dia nanambara hoe: “Mety hanelingelina ny fahalalana fa ny teny hoe ‘lakroa’ dia tsy hita na aiza na aiza mihitsy ao amin’ny soratra grikan’ny Testamenta Vaovao. Io teny io dia mandika foana ny teny grika [stauros] izay midika hoe ‘tsato-kazo’ na ‘vatan-kazo mahitsy’. Tamin’ny fiandohany dia tsy marika kristiana ny ‘lakroa’; azo avy tany Egypta sy tamin’i Constantin izany.” Mbola amakiana izao koa ao amin’ny Firaketana Vaovao katolika: “Ny fampisehoana ny sorom-panavotan’i Kristy tao Golgota dia tsy hita mihitsy tao amin’ny zava-kanto ara-panoharan’ny kristiana tamin’ireo taonjato voalohandohany. Voatariky ny fandrarana tsy hanao sarin-javatra voasokitra, fandrarana hita ao amin’ny Testamenta Taloha, ny kristiana voalohany ka nanda ny hampiseho ny fitaovana [nahafaty] ny Tompo. (...) Nipoitra tamin’ny andron’i Constantin ny lakroa.”

Ny lakroan’i Constantin

9. Anjara inona no noraisin’ny emperora Constantin mikasika ny lakroa?

9 Constantin dia ilay emperora romana namory ny konsilin’i Nicée tamin’ny 325 amin’ny fanisan-taona iraisana ka namporisika azy hanaiky ny fampianarana tsy araka ny Baiboly ilazana fa Kristy dia Andriamanitra. Ny zava-nokendreny dia ny hanamafy ny empirany voaforon’ny mpanompo sampy sy ny kristiana nivadi-pinoana. Izao no lazain’ny Firaketana Vaovao britanika momba azy: “Rehefa hadiva handresy an’i Maxence tamin’ny 312 i Constantin, dia nahazo fahitana ny ‘famantarana avy any an-danitra’ iray, ny lakroa, izay noraisiny ho toy ny antoka avy amin’Andriamanitra fa handresy izy.” Nanampy io boky io fa tato aoriana dia namporisihan’i Constantin ny fankamasinana ny lakroa.

10. Nahoana no tsy ara-dalàna sy tsy araka ny Baiboly ny hinoana fa nanome “famantarana”, dia ny lakroa, ho an’i Constantin Andriamanitra na Kristy?

10 Nefa moa ve Andriamanitra hanome famantarana ho an’ny emperora mpanompo sampy iray izay tsy nanao ny sitrapony sady ambonin’izay marika avy amin’ny mpanompo sampy? Jesosy dia nanome tsiny an’ireo mpiray firenena taminy noho ny nitadiavany famantarana (Matio 12:38-40). Ankoatra izany, Constantin dia nandatsaka ny ran’ireo tsy nanan-tsiny tamin’ny alalan’ny fiadiana ara-nofo mba hampiorina mafy ny fahamboniany ara-politika, ary tao anatin’ny faritry ny firaisan-tetika ara-politika, dia nampamono ny sasany tamin’ireo ray aman-dreniny sy ireo havany akaiky izy. Jesosy kosa anefa dia nilaza hoe: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko.” (Jaona 18:36). Noho izany, dia nanome izao baiko izao an’i Petera izy: “Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ny sabatra.” — Matio 26:52.

11. Inona avy ireo antony nahatonga an’i Constantin hamporisika ny hankamasinana ny lakroa?

11 Ilay boky hoe Sisa velona hafahafa (anglisy) dia nilaza toy izao momba an’i Constantin sy ny lakroany: “Tsy misy isalasalana fa nanao zavatra noho ny antony ara-politika izy; ny marika nasandrany dia namalifaly ireo kristiana nilatsaka tao amin’ny tafiny tetsy an-daniny, sy ny Gaulois [mpanompo sampy] tetsy an-kilany. (...) Teo imason’ireto farany, io famantarana io dia antoky ny fanohanan’ny andriamaniny masoandro”, ilay andriamanitra masoandro nivavahany. Tsia, ilay ‘famantarana avy any an-danitra’ hitan’i Constantin dia tsy misy ifandraisana amin’Andriamanitra na Kristy mihitsy. Voton’ny fanompoan-tsampy izany.

Mety ve ny hankamasinana fiasana nentina nampijaliana?

12, 13. Antony hafa inona avy no tsy maha-mety ny hankamasinana ny lakroa?

12 Na dia iniantsika ailika aza ireo fisehoan-javatra ireo ka ataontsika hoe nohomboana teo amin’ny lakroa Jesosy, mety ve na izany aza ny hankamasinana an’io fiasana natao hampijaliana io? Tsia, satria Jesosy novonoina toy ny olo-meloka, tahaka an’ireo lehilahy nohomboana teo anilany, ary izany karazana fahafatesana izany dia nampiseho azy tsy araka ny naha-izy azy. Azo antoka fa tsy noheverin’ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany ho masina ny fiasana nentina namonoana an’i Jesosy Kristy. Ny fankamasinana izany fiasana izany dia ho nidika fanandratana ny asa ratsy izay nampiasana azy: ny famonoana an’i Jesosy.

13 Raha toa ka novonoina noho ny fiampangana diso ny anankiray amin’ny sakaizanao tianao indrindra, moa ve ianao hampanao fitaovana mitovy amin’ilay namonoana azy (tady, seza misy aratra na basin’ny antoko miaramila mpamono ohatra) ka avy eo dia hanoroka an’izany, hampirehitra labozia eo anoloany, na hiambozona azy ho firavaka masina? Tsy azo heverina izany. Dia tahaka izany koa ny amin’ny fivavahana amin’ny lakroa. Ny maha-avy amin’ny mpanompo sampy an’izany fanao izany dia vao mainka mahatonga azy hanafintohina.

14. Momba ny lakroa, mitarika antsika ho amin’ny famaranan-kevitra inona ny zavatra niseho ara-tantara sy araka ny Baiboly?

14 Ny fankamasinana lakroa dia tsy fanao kristiana. Tsy fampisehoana fitiavana an’Andriamanitra sy Kristy izany fa fanamavoana kosa ireo fotopoto-pitsipika arovany. Fandikana ireo didin’Andriamanitra manameloka ny fanompoan-tsampy izany. Izany dia fanajana mariky ny mpanompo sampy nampitafiana ny anarana hoe kristiana (Eksodosy 20:4, 5; Salamo 115:4-8; 1 Korintiana 10:14). Izay rehetra mihevitra ho masina ny mariky ny mpanompo sampy, dia mandika izao didin’Andriamanitra izao: “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana? (...) Aza manendry izay zavatra tsy madio.” — 2 Korintiana 6:14, 17.

Aoka isika hiaro ny Teny ara-tsindrimandry

15. Nahoana no tokony hariantsika ireo lovantsofina mifanohitra amin’ny Tenin’Andriamanitra?

15 Araka ny filazan’ireo Eglizy, ireo fanao toy ny fankamasinana lakroa dia anisan’ny “lovantsofina masina”. Ireo izay tia an’Andriamanitra anefa dia mandà ny lovantsofina rehetra mifanohitra amin’ny Teniny. Ao amin’izany Teny izany no ahitana izay tena ilaina mba hanarahana ny fanomopoam-pivavahana marina, araka ny anamafisan’ireto teny nataon’i Paoly ho an’i Timoty ireto azy: “Fa hatry ny fony vao zaza hianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (2 Timoty 3:15-17). Tsy ahitana teny na aiza mihitsy ao amin’ny Baiboly milaza fa tokony harahina ny lovantsofina mifanohitra amin’ny Tenin’Andriamanitra mba hahazoana famonjena.

16. Inona no nambaran’i Jesosy tamin’ireo filoham-pivavahana jiosy mikasika ny lovantsofiny?

16 Tsy vaovao akory ny fifanoherana hita eo amin’ny Soratra Masina sy ny lovantsofin’olombelona. Teo anelanelan’ny famitana ny fanoratana ny Soratra hebreo azo tamin’ny tsindrimandry sy ny nahatongavan’i Jesosy, ireo filoham-pivavahana jiosy dia nametra lovantsofina am-bava maro tsy avy tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra, ka natambany ho boky izany avy eo. Ny ankamaroan’ireny lovantsofina ireny dia nifanohitra tamin’ny Soratra Masina. Izany no antony nanambaran’i Jesosy tamin’ireo mpitondra fivavahana hoe: “Nahoana kosa hianareo no mandika ny didin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo? (...) Koa dia foananareo ny tenin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo.” Nampihariny taminy izao fanambaran’ny Tenin’Andriamanitra izao: “Koa foana ny ivavahan’ireo amiko raha mampianatra ny didin’olombelona ho fampianarana izy.” (Matio 15:1-6, 9). Tsy nanovo velively tao amin’ireny lovantsofina ireny Jesosy rehefa nampianatra fa naka teny tao amin’ny Soratra azo tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra mandrakariva. — Matio 4:4-10; Marka 12:10; Lioka 10:26.

17. Nahoana no azontsika raisina ho toy ny vatofantsika mafy orina ho an’ny fanantenantsika ny Baiboly?

17 Andriamanitra dia tsy namela tamin’ireo mpifikitra amin’ny lovantsofina mampiahiahy ny andraikitra hiaro ny “tenin’ny fiainana”. (Filipiana 2:16.) Tamin’ny alalan’ny fanahiny masina mahery kosa dia nitarika ny fanoratana ny Baiboly izy mba “hananantsika ny fanantenana (...) sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina”. (Romana 15:4.) Ny filazana fa tsy feno ny Baiboly ka tokony hiankina koa amin’ny hevitr’olombelona tsy lavorary miovaova sady tsy nahazo tsindrimandry dia toy ny fandavana ny fahefan’Andriamanitra. Moa àry ve ny Mpamorona tsitoha sy be voninahitra an’izao rehetra izao tsy ho afaka hampanao boky iray? Izy io dia nataony mba hananantsika vatofantsika mafy ho an’ny fanantenantsika sy mba tsy hahatonga antsika ho lasan’ny lovantsofin’olombelona izay mitarika ho amin’ny fandikana ny didiny ny fanarahana azy. Izany no antony anambaran’ny Teniny hoe: ‘Aza mihoatra noho izay voasoratra.’ (1 Korintiana 4:6). Ireo izay tia an’Andriamanitra amim-pahatsorana dia mandray am-po an’izany torohevitra izany. — Jereo koa Ohabolana 30:5, 6.

‘Aoka isika hitandrina ny didiny’

18. Raha tena tia an’Andriamanitra isika, didy inona no tokony hankatoavintsika?

18 “Fa izao no fitiavana an’Andriamanitra dia ny hitandremantsika ny didiny”, hoy ny vakina ao amin’ny 1 Jaona 5:3. Rehefa misy filoham-pivavahana manatsatso ireny didy ireny ka minia tsy mahalala ireny na manolo azy amin’ireo lovantsofin’olombelona manohitra izany, raha ny marina dia mamporisika ny mpiangona ao aminy hanohitra ny sitrapon’Andriamanitra izy ireo. Aoka hodinihintsika ny fotopoto-pitsipika iray fototry ny kristianisma: ilay mifandray amin’ny fitiavana. Izany no votoatin’ny fampianaran’i Jesosy, izay nanambara hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” — Matio 22:39.

19. a) Inona no maha-zava-dehibe ny fifankatiavana eo amin’ny samy kristiana marina? b) Amin’ny ahoana no mampiavaka ilay “didy vaovao” momba ny fitiavana nomen’i Jesosy amin’ilay taloha?

19 Inona no maha-zava-dehibe an’io fitiavana ny namana io ho an’ny kristiana marina? Araka ny nilazan’i Jesosy azy, amin’ny fitiavana misy eo amin’izy samy izy no ahafantarana azy ireo. Indreto ny teniny: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:34, 35). Marina fa ny Lalàna nomena ny Isiraely fahiny dia nisy didy iray nibaiko ny ‘ho tia ny namana tahaka ny tena’. (Levitikosy 19:18.) Ny maha-vaovao ny didy nomen’i Jesosy anefa dia ny fitenenana hoe “tahaka ny nitiavako anareo”. Nanome lanjany bebe kokoa ny fitiavana kristiana izany. Ny kristiana iray tokoa dia tokony ho vonona hanome ny ainy mihitsy ho an’ireo rahalahiny ao amin’ny finoana, ho fanahafana an’i Jesosy.

20. Araka ny tantaran’izao taonjato faha-20 izao, iza no mankatò ny baiko mandidy ny ‘hifankatiavan’ny samy kristiana’?

20 Araka izany, dia azo atao ny mamantatra ny tena mpanompon’Andriamanitra amin’izao androntsika izao, amin’ny fitiavana tsy mety levona izay mampiray azy ireo maneran-tany. Iza, amin’izao androntsika izao, no mankatò tahaka izany an’ireo didin’Andriamanitra mifandray amin’ny fitiavana? Kristiana iza no nenjehina, natao an-tranomaizina, nampidirina tany amin’ny toby fitanana na novonoina noho ny fandavany ny handray fiadiana mba hamelezana an’ireo namany kristiana — ary na ny tsy mpino aza — any amin’ny tany hafa? Ny tantaran’ny taonjato faha-20 dia mamaly hoe: tsy iza fa ny Vavolombelon’i Jehovah.

21. Moa ve ireo Fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana nanaraka ny baiko mandidy ny kristiana ho tia ny mpiray finoana aminy?

21 Ireo finoana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana kosa dia nandika tsy tapaka ireo didin’Andriamanitra mifandray amin’ny fitiavana. Tao amin’ireo ady rehetra tamin’izao taonjato faha-20 izao, dia namporisika ny mpiangona tao aminy handray anjara amin’ny fifamelezana sy hifamono an-tapitrisany maro ireo filoham-pivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana. Koa namono protestanta ny protestanta, nifamono ny samy katolika, kanefa samy milaza ny tenany ho kristiana izy rehetra. Ny Tenin’Andriamanitra anefa dia milaza tsy misy fiolakolahana toy izao: “Raha misy manao hoe: Tia an’Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra Izay tsy hitany? Ary izao no didy efa azontsika taminy: Izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.” — 1 Jaona 4:20, 21.

22. Araka ny fanazavana omena ao amin’ny 1 Jaona 3:10-12, zanak’iza moa ireo Fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, ary nahoana?

22 Mbola manambara toy izao koa ny Tenin’Andriamanitra: “Izany no mampiseho miharihary izay Zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin’Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny. Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo (...): tsy maintsy mifankatia isika, tsy mba tahaka an’i Kaina izay avy tamin’ilay ratsy ka namono ny rahalahiny.” (1 Jaona 3:10-12). Mihambo ho zanak’Andriamanitra ireo Fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, nefa tsy mety ho izany no izy satria mandika ireo didin’Andriamanitra momba ny fitiavana amin’ny fomba miharihary izy, ka “namono ny rahalahiny.” (1 Jaona 3:10-12). Mihambo ho zanak’Andriamanitra ireo Fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, nefa tsy mety ho izany no izy satria mandika ireo didin’Andriamanitra momba ny fitiavana amin’ny fomba miharihary izy, ka “namono ny rahalahiny”. Tsy inona fa zanak’ilay “ratsy” izy ireo. Noho izany, dia mandefa izao famporisihana izao ho an’ireo olona tso-po anisan’ny fivavahan-diso ny Tenin’Andriamanitra: “Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.” (Apokalypsy 18:4). Madiva hampihatra ny fitsarany amin’ny fivavahan-diso rehetra izao Andriamanitra, ary ireo izay mifikitra aminy hatrany dia hitovy fiafarana aminy (Apokalypsy 17:16). Fa “izay manao ny sitrapon’Andriamanitra kosa no maharitra mandrakizay”. — 1 Jaona 2:17.

Ahoana no havalinao?

◻ Nahoana no fandikana diso ny teny grika hoe stauros ny teny hoe “lakroa”?

◻ Taiza no niandohan’ny fankamasinana lakroa, ary nahoana no tokony hanary izany fanao izany isika?

◻ Ohatra inona no navelan’i Jesosy raha ny amin’ny fomba fiheverana ireo lovantsofina ara-pivavahana?

◻ Zava-niseho inona avy no ahafantarana an’ireo izay manaraka ireo didy mifandray amin’ny fitiavan-drahalahy?

[Efajoro/Sary, pejy 25]

NY NIANDOHAN’NY LAKROA

Taloha elan’ny andro kristiana, dia nampiasaina ho toy ny marika ara-pivavahana ireo endrika samihafan’ny lakroa saika tany amin’ny faritra rehetra teto amin’izao tontolo izao.

Ny crux ansata dia mariky ny fiainana ho avy tamin’ireo Egyptiana fahiny.

Ny crux quadrata dia nampiseho ny foto-javatra efatra izay, avy amin’ireny, hono, no namoronana ny zavatra rehetra.

Ny crux gammata dia ninoana fa nampiseho ny afo na ny masoandro, ary tatỳ aoriana, dia ny aina.

Ny lakroa latina, fatra-piely eo anivon’ny fivavahana lazaina fa kristiana.

Io lakroa io dia fanafohezana ny litera grika roa voalohany amin’ny teny hoe “Kristy”.

[Sary, pejy 24]

Nohomboana teo amin’ny tsato-kazo mahitsy Kristy fa tsy teo amin’ny lakroa.

[Sary, pejy 26, 27]

“Manaiky fa mahalala an’Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin’ny asany.” — Titosy 1:16.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara