Ny Fifaliana Nentin’ny Fanompoana An’i Jehovah ho Ahy
NOTANTARAIN’I GEORGE BRUMLEY
Vao avy nampianatra momba ny radio an’ireo tanora mpiofana ho polisin’ny Emperora Haile Selassie aho, raha nilaza mangingina tamiko ny iray tamin’izy ireo hoe fantany aho fa misionera Vavolombelon’i Jehovah. “Irinao ve ny hiara-mianatra ny Baiboly amiko?” hoy izy nanontany tamin-kafanam-po.
KOA satria voarara tamin’izany fotoana izany ny asantsika tany Etiopia, dia ho noroahina hiala tao amin’ilay tany, sahala amin’ireo Vavolombelona hafa aho, raha nahafantatra ny momba ahy ireo manam-pahefana. Nanontany tena aho raha toa ka tsotra ilay mpianatra na mpitsikilon’ny fitondram-panjakana nirahina hanatratra ahy izy io. Noho izaho loham-pianakaviana nanan-janaka kely telo nobeazina, dia nampihoron-koditra ahy ny fieritreretana ny hamoizana ny asako sy ny hahavoatery ahy handao ilay tany sy ireo sakaiza efa niraiketan’ny foko.
‘Kanefa’, hoy angamba ianao, manontany, ‘ahoana no nahatonga ny Amerikana iray nanana fianakaviana novelomina, hifidy ny hiaina any Afrika avaratra, lavitra ny tanindrazany sy ny havany?’ Mamelà ahy ianareo hanazava izany.
Nihalehibe teto Etazonia
Tany amin’ireo taona 1920, fony aho mbola tany amin’ny sekoly fanabeazana fototra, dia nanao famandrihana tamin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana ny raiko ary nahazo fitambarany tamin’ilay boky hoe Etudes des Ecritures. Nankafy famakian-teny i Dada, ary namaky tamim-pahazotoana ireo boky izy. Nanana toetra nahay nanao vazivazy zary tenany izy, araka izay nahariharin’ny fomba nanaovany vazivazy tamin’ireo mpitsidika nasainy rehefa alahady. Nanana boky iray mifono hoditra tsara tarehy izy, izay misy soratra amin’ny ranom-bolamena hoe “Baiboly Masina” eo amin’ny fonony anoloana sy ny vohony. Nanomboka ny fifampiresahana izy tamin’ny filazana hoe: “Eny àry, alahady androany. Ho tianao ve ny hamaky andininy vitsivitsy aminay?”
Nanaiky foana ilay mpitsidika, saingy rehefa nanokatra ilay boky izy dia tsy nisy pejy nahitana soratra na kely aza! Mazava ho azy fa gaga ilay olona. Avy eo dia niteny i Dada fa ‘tsy mahalala na inona na inona momba ny Baiboly ireo mpitondra fivavahana’, ary taorian’izay dia naka Baiboly iray izy ka namaky ny Genesisy 2:7. Ao, dia miteny toy izao ny Baiboly rehefa milazalaza ny famoronana ny olombelona voalohany: “Tonga fanahy velona ny olona.” — Genesisy 2:7, King James Version.
Nanazava i Dada fa tsy hoe manana fanahy ny olona fa izy dia fanahy, fa ny tambin’ny ota dia fahafatesana, ka rehefa maty ny olona iray dia maty marina tokoa izy, tsy mahalala na inona na inona velively. (Mpitoriteny 9:5, 10; Ezekiela 18:4; Romana 6:23). Na dia talohan’ny nahaizako namaky teny tsara aza, dia efa nanao tsianjery ny Genesisy 2:7 aho. Izany no fahatsiarovana voalohany nananako ny amin’ny tena fifaliana amin’ny fahafantarana ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly sy ny fizarana izany amin’ny hafa.
Koa satria izahay tamin’izany naharay Ny Tilikambo Fiambenana tany an-trano, ny fianakaviana manontolo dia nanomboka nahazo io sakafo ara-panahy io. Niara-nipetraka taminay ny renibeko niteraka ny reniko, ary izy no tonga mpitory ny vaovao tsara voalohany tao amin’ny fianakavianay. Tsy nisy kongregasiona tany Carbondale, any Illinois, nipetrahanay, nefa nisy fivoriana tsy ara-potoana natao tany. I Neny dia nitondra anay dimy mianadahy nankany amin’ny faran’ny tanàna izay nitarihan’ireo vehivavy efa zokiolona ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Nanomboka nandray anjara tamin’ny asa fanompoana koa izahay.
Avy eo amin’ny asa momba ny radio ka hatrany am-ponja
Nanambady aho tamin’ny 1937, raha vao 17 taona monja. Niezaka nanao ny fanamboarana radio ho antom-pivelomana aho ary nampianatra io fahaizan-javatra io koa. Taorian’ny fahaterahan’ny zaza roa, i Peggy sy i Hank, dia nifarana ny fanambadiako. Fahadisoana avy amiko no nahatonga ny fisaraham-panambadiana; tsy nanana fiainana kristiana aho. Ny tsy nahazoako nanabe ireo zanako roa zokiny dia fahorian-tsaina ho ahy nandritra ny fotoana naharitra teo amin’ny fiainako.
Tonga ny Ady Lehibe Faharoa ary nahatonga ahy hieritreritra zavatra maro be izany. Ny tafika dia nanolotra ho ahy fahafahana ho tonga lietnà ka hampianatra radio an’ireo voantso ho miaramila, nefa ny fiheverako ho zava-dehibe ny fomba fijerin’i Jehovah ny ady dia nanosika ahy hanomboka hivavaka isan’andro. Tapitra ny famandrihako tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, ary i Lucille Haworth no naharay ny taratasy nilaza ny fahataperany ka nitsidika ahy. Efa Vavolombelona hatramin’ireo taona 1930 i Perry Haworth, rain’i Lucille, mbamin’ny ankamaroany tao amin’ny fianakaviana maro anaka nisy azy. Nifankatia izahay sy i Lucille ary nivady tamin’ny Desambra 1943.
Tamin’ny 1944 dia natao batisa aho ary niaraka tamin’ny vadiko tao amin’ny fanompoana manontolo andro tamin’ny naha-mpisava lalana. Tsy ela aho dia voantso ho miaramila nefa nanda tsy hirotsaka amin’izany. Vokatr’izany, dia niharan’ny sazy telo taona tao amin’ny toby fanarenana federaly tany El Reno, any Oklahoma, aho. Fifaliana ny nijaly ho an’i Jehovah. Isa-maraina, rehefa nifoha aho ka nahita hoe aiza aho izao ary nahoana, dia nahatsapa fahafahampo lehibe aho ary velom-pisaorana an’i Jehovah. Taorian’ny ady dia nanomboka nahazo fahafahana narahina fepetra ireo izay 25 taona no ho miakatra taminay. Nafahana aho tamin’ny Febroary 1946.
Ny fanompoana manontolo andro
Tamin’ny fotoana nihaonako indray tamin’i Lucille, dia nanao ny asan’ny mpisava lalana tao amin’ny tanàna kely iray tao Wagoner, any Oklahoma, izy. Tsy nanana fiara izahay, koa dia nandeha an-tongotra teny rehetra teny, nitety ilay tanàna manontolo. Tatỳ aoriana izahay dia nifindra nankany Wewoka, any Oklahoma. Tsy ela aho dia nahita asa tao amin’ny foiben’ny radio iray teo akaiky teo ary nanomboka niasa tao amin’ny fampielezam-peo. Tsy mora ny niasa adiny enina isan’andro sady nandany fotoana ho an’ny asan’ny mpisava lalana, nefa faly izahay tamin’ny tombontsoa nanananay tamin’ny fanompoana an’i Jehovah. Nanana fahafahana nividy fiara tranainy iray tamin’ny fotoan’ny fivoriamben’ny distrika tany Los Angeles, tamin’ny 1947 indrindra izahay. Tany dia nanomboka nieritreritra ny amin’ny hanaovana fangatahana ho ao amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada Alamin’ny Watchtower ho fampiofanana misionera izahay.
Tsapanay fa ho dingana lehibe iray izany, ary tsy tianay ny ho maimaika tamin’ny fanaovana fanapahan-kevitra ny handao an’i Etazonia. Mbola ory noho ny famoizana ireo zanako ihany aho, koa dia nanandrana nanao izay hahazoanay lalana hikarakarana azy ireo indray izahay. Noho ny fomba fiainako taloha sy ny tahirin-taratasin’ny fonja, dia tsy azo natao izany. Koa dia nanapa-kevitra ny hiezaka ho tonga misionera izahay. Nasaina ho ao amin’ny kilasy faha-12-n’i Gileada izahay.
Nahazo ny diplaomanay izahay tamin’ny 1949, nefa voatendry hitsidika kongregasiona tany Tennessee tamin’ny voalohany. Rehefa telo taona no nanaovanay ny asa fitetezam-paritany teto Etazonia, dia naharay taratasy avy tamin’ny biraon’ny prezidan’ny Fikambanana Watch Tower izahay, nanontany raha ho tianay ny hampianatra an-tsekoly any Etiopia ho fanampin’ny fanaovana ny asa fitoriana. Iray tamin’ireo zavatra notakin’io fitondram-panjakana io ny hampianaran’ireo misionera. Nanaiky izahay, ary tamin’ny fahavaratry ny taona 1952, dia niainga ho any Etiopia izahay.
Rehefa tonga tany Etiopia izahay dia nampianatra tany amin’ny kilasy fanabeazana fototra ny maraina, ary nitarika fampianarana Baiboly maimaimpoana ny tolakandro. Tsy ela dia maro no nanomboka tonga tamin’ny fianarana ny Baiboly, hany ka nampianatra Baiboly adiny telo na adiny efatra isan’andro izahay. Polisy ny sasany tamin’ireo mpianatra; ny hafa mpampianatra na diakona tao amina sekoly misiona sy sekoly ortodoksa etiopiana. Indraindray dia nisy olona 20 na maherin’izany isaky ny fianarana Baiboly tsirairay! Maro be tamin’ireo mpianatra no nandao ny fivavahan-diso ary nanomboka nanompo an’i Jehovah. Dibo-kafaliana ny fonay. Teto koa, rehefa nifoha aho isa-maraina, dia nanolotra fisaorana ho an’i Jehovah.
Ny fiainana tamin’ny naha-ray aman-dreny sy ny fitoriana teo ambany fandrarana
Tamin’ny 1954 dia fantatray fa tsy maintsy ho tonga ray aman-dreny izahay, koa dia voatery hanapa-kevitra na hiverina teto Etazonia na hijanona tao Etiopia. Ny fijanonana, mazava ho azy, dia hiankina amin’ny fahazoako asa tsy ara-pivavahana. Nahita asa aho tamin’ny naha-enjenieran’ny fampielezam-peo, nikarakara ny fampandehanana foiben’ny radio iray ho an’ny Emperora Haile Selassie. Nijanona àry izahay.
Tamin’ny 8 Septambra 1954, dia teraka i Judith zanakay vavy. Nieritreritra aho fa nanana antoka tamin’ny asa noho ny fiasana ho an’ilay emperora, kinanjo namoy izany asa izany aho rehefa afaka roa taona. Na izany aza, tsy ampy iray volana akory dia noraisin’ny Sampan-draharahan’ny Polisy aho — tamin’ny karama ambony kokoa — mba hampianatra zatovolahy hanamboatra radio mpandray sady mpandefa hafatra. Tao anatin’ireo telo taona nanaraka, dia teraka i Philip sy i Leslie zanakay lahy.
Teo anelanelan’izany, dia niova ny fahafahanay hirotsaka tamin’ny asa fitoriana. Nampanaiky ny fitondram-panjakana ny Fiangonana Ortodoksa Etiopiana mba handroaka ireo misionera Vavolombelon’i Jehovah rehetra. Araka ny torohevitry ny Fikambanana, dia nanova ny visa-ko milaza ny asa misionera nataoko ho amin’ny asa tsy ara-pivavahana aho. Voarara ny asa misionera nataonay ary tsy maintsy ho mailo sady malina izahay. Nitohy avokoa ireo fivorian’ny kongregasiona, saingy nizara ho antokom-pampianarana kely ny fivoriana nataonay.
Nitady ireo trano maro samihafa nisy ireo Vavolombelona nahihina ny polisy. Na dia izany aza, dia tsy fantatr’izy ireo fa nisy lietnà polisy iray mpivavaka tamin’i Jehovah nampandre anay foana rehefa nisy fisafoana nomanina. Ho vokatr’izany dia tsy nisy zavatra vita an-tsoratra azon’izy ireo tamin’izany taona izany. Nanao ny Fianarana ny Tilikambo Fiambenana izahay isaky ny alahady, tamin’ny fandehanana tany amin’ireo hotely fisakafoana any an-tsisin’ny tanàna izay nisy latabatra fitondra, azo nampiasaina teny ivelany.
Nandritra izany fotoana izany, raha mbola nampianatra radio ireo tanora mpiofana ho polisy aho, no nangataka fampianarana Baiboly tamiko ilay mpianatra noresahiko terỳ am-piandohana. Nihevitra aho fa tso-po izy, ka dia nanomboka nianatra izahay. Taorian’ny fianarana indroa monja, dia nisy mpianatra faharoa tonga niaraka taminy, avy eo dia nisy fahatelo. Nampitandrina azy ireo aho mba tsy hilaza na amin’iza na iza mihitsy fa hoe miara-mianatra ny Baiboly amiko izy, ary dia tsy nanao araka izany tokoa izy ireo.
Tamin’ny 1958, dia natao tao amin’ny Yankee Stadium sy ny Polo Grounds any New York ny Fivoriambe Niraisam-pirenena hoe La Volonté Divine. Teo anelanelan’izany, dia tonga Vavolombelona narisika i Peggy sy i Hank ary toy izany koa ny maro hafa tamin’ny mpikambana tao amin’ilay fianakaviako maro anaka. Endre ny fifaliako afaka nanatrika izany! Tsy vitan’ny hoe tafaray indray tamin’ireo zanako roa zokiny mbamin’ireo mpianakaviko hafa fotsiny aho fa nientam-po koa nahita izato vahoaka sesehena voaforon’ny olona maherin’ny ampahefa-tapitrisa, tafavory tamin’ny andro farany tamin’ilay fivoriambe!
Ny taona nanaraka an’iny dia tonga nitsidika anay tany Etiopia i Nathan H. Knorr, prezidan’ny Fikambanana. Nanana fanoloran-kevitra tsara dia tsara izy mba hanohizana ny asa teo ambany fandrarana ary koa naneho fiheverana ny fianakavianay sy ny fahasalamanay ara-panahy. Nanazava aho fa nampianatra ireo zanakay hivavaka izahay. Nanontany aho raha iriny ny handre an’i Judith mivavaka. Nilaza hoe eny izy, ary hoy izy taminy taorian’izany: “Tena tsara, ry Judith.” Avy eo, tamin’ny fotoam-pisakafoana, dia nanontany ny Rahalahy Knorr aho raha afaka manao ny vavaka izy, ary rehefa nahavita izany izy, dia hoy i Judith hoe: “Tena tsara, ry Ranadahy Knorr!”
Ny fanabeazana ireo zanakay teto Etazonia
Tapitra tamin’ny 1959 ny fifanekena nataoko tamin’ny Sampan-draharahan’ny Polisy. Naniry ny hijanona izahay, saingy tsy nanaiky hanao fifanekena vaovao ho ahy ny fitondram-panjakana. Aiza àry no ho azonay aleha? Nanandrana nankany amin’ny tany hafa tena nila rahalahy aho, nefa tsy nahazo nanao izany. Nalahelo ihany izahay niverina teto Etazonia. Raha vantany vao tonga izahay dia nanao fihaonam-pianakaviana nahafaly; nanjary nifankahalala daholo ireo zanako dimy ary nifankatia avy hatrany. Nifankazatra tsara izy ireo nanomboka hatreo.
Nonina tany Wichita, any Kansas, izahay ka tany aho dia nahita asa tamin’ny naha-enjenieran’ny radio sady disque-jockey. Nizatra tamin’ireo raharaha tao an-tokantrano i Lucille ary nankany amin’ny sekoly akaikin’ny trano ireo ankizy. Nitarika fianaram-pianakaviana niorina tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana aho isaky ny alatsinainy alina, ary niezaka foana ny hanao izay hahatonga izany ho velombelona sy hahaliana. Nanao fanadihadiana isan’andro izahay hahitana raha nisy zava-nanahirana tany an-tsekoly.
Nony samy nandray anjara tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika ireo ankizy, dia nanampy azy ireo tamin’ny fianarany io fampiofanana io. Nampiofana azy ireo teny amin’ny asa fitoriana izahay raha mbola vao zazakely izy ireo. Nianatra nanolotra zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly teny am-baravarana izy ireo, ary nandeha niaraka taminay tany amin’ireo fampianarana Baiboly tany an-tokantrano.
Niezaka koa izahay nampianatra ireo ankizy zavatra fototra momba ny fiainana, ka nanazava fa tsy afaka ny samy hahazo foana izay zavatra ananan’ny hafa akory izy ireo. Ohatra, tsy hisy fanomezana mitovy ho an’ny rehetra foana akory. “Raha nahazo kilalao iray ny rahalahinao na ny anabavinao”, hoy ny fanjohian-kevitray tamin’izy ireo, “ary tsy nisy azo nomena anao, hety ve raha mitaraina ianao?” Tamin’ny fotoana hafa dia ekena fa nahazo zavatra ireo ankizy sasany, koa tsy nisy nohadinoina àry. Tianay foana izy rehetra, tsy nisy fiangarana tamin’ny iray mihoatra noho ireo roa hafa.
Indraindray ireo ankizy hafa dia nahazo nanao zavatra tsy navelanay hataon’ny zanakay. Matetika aho no nandre hoe: “Ry anona sy anona mahazo manao izany, nahoana kosa izahay no tsy mahazo manao?” Niezaka nanazava aho, nefa indraindray dia izao fotsiny no valiny nomeko: “Tsy ao amin’izany fianakaviana izany ange ianareo e; fianakaviana Brumley ianareo. Samy hafa ny fitsipika arahintsika.”
Ny fanompoana tany Peroa
Hatramin’ny nodiana avy tany Etiopia, dia samy naniry mafy ny handray anjara tamin’ny asa misionera indray izahay sy i Lucille. Farany, tamin’ny 1972, dia nipoitra ny fahafahana handeha ho any Peroa, any Amerika Atsimo. Tsy ho afaka nifidy toerana tsara kokoa noho ny tany mba hanabeazana ireo zanakay nandritra ireo taona naha-zatovo azy izahay. Ny fifaneraserana nananan’izy ireo tamin’ireo misionera, mpisava lalana manokana, ary ireo hafa izay tonga tany Peroa mba hanompo, dia nanampy azy ireo hahita mivantana hoe toy inona ny fifalian’ireo izay mikatsaka marina ny tombontsoan’ilay Fanjakana voalohany indrindra. Niantso ny fifaneraserany hoe fitaomana manorina i Philip.
Rehefa afaka fotoana fohy dia nahafantatra ny halehiben’ny fahombiazana hitanay teo amin’ny fanompoana ilay Fanjakana ny sakaiza fahiny sasany avy any Kansas, ary tonga anisanay tany Peroa izy ireo. Nandamina ny tranonay ho toy ny tranon’ny misionera aho. Samy nanana ny raharaha nanendrena azy ny tsirairay mba hananan’ny rehetra fotoana hanaovana ny asa fanompoana. Nanao fiaraha-mandinika andinin-teny iray ao amin’ny Baiboly izahay teo am-pisakafoana isa-maraina. Fotoana nahasambatra erỳ izany ho anay rehetra. Teto koa, rehefa nifoha aho isa-maraina ka nahita hoe aiza aho izao ary nahoana, dia nanolotra mangingina fisaorana lalina ho an’i Jehovah.
Tatỳ aoriana, dia nanambady i Judith, ary niverina nankaty Etazonia, izay nanohizany nanao fanompoana manontolo andro. Taorian’ny telo taona nanaovana ny asan’ny mpisava lalana manokana, dia nanao fangatahana i Philip ary nekena hanompo ao amin’ny Betela any Brooklyn, New York. Farany, dia niverina nankaty Etazonia koa i Leslie. Izy ireo dia samy nandao anay tamin’ny fihetseham-po nifangaro, ary nilaza matetika taminay fa ny fitondranay azy ireo tany Peroa no zavatra tsara indrindra tsy nisy toy izany natao tamin’izy ireo.
Rehefa niharatsy ny toekaren’i Peroa, dia hitanay fa voatery handeha koa izahay. Raha vantany vao tafaverina tany Wichita izahay tamin’ny 1978, dia nahita antokona Vavolombelona niteny espaniola. Nangataka anay izy ireo mba hijanona sy hanampy azy, ary dia nanao izany tamim-pifaliana izahay. Niforona ny kongregasiona iray, ary vetivety izy io dia tonga maminay toy ireo efa nanompoanay teo aloha.
Miantso i Ekoatera
Na dia teo aza ny aretina namely tampoka nahatonga ahy halemy ila, dia naniry fatratra ary nanantena aho fa ho afaka hanompo indray tany amin’ny tany hafa izahay sy i Lucille. Tamin’ny 1984, ny mpiandraikitra mpitety faritany iray dia nilaza taminay ny amin’ny fitomboana any Ekoatera sy ny ilana loholona kristiana any. Nampahafantatra taminy aho fa tsy afaka manao afa-tsy kely ihany eo amin’ny asa fanompoana noho ny fahavoazako, nefa nanome toky ahy izy fa afaka ny hitondra fanampiana ny loholona malemy ila na dia efa 65 taona aza.
Rehefa lasa izy dia tsy nahita tory izahay ny alina tontolo, fa niresaka ny amin’ny mety hahafahana ho any Ekoatera. Nanana faniriana niredareda ny handeha toy ny ahy i Lucille. Nanao filazam-barotra ny raharaha kelinay momba ny fiarovana amin’ny bibikely izahay ary nivarotra izany rehefa afaka ny tapa-bolana. Nivarotra ny tranonay izahay tao anatin’ny folo andro monja. Araka izany, tamin’ireo taom-pahalehibeazanay, dia niverina indray tamin’ny fifaliana lehibe nanananay izahay, dia ny asa misionera tany amin’ny tany hafa.
Nonina tany Quito izahay, ary nahafinaritra ny asa fanompoana, ka ny andro tsirairay dia nitondra fanandraman-javatra na fisetran-javatra vaovao. Kinanjo avy eo, tamin’ny 1987, dia fantatra fa voan’ny homamiadana amin’ny tsinaibe aho; nila fandidiana avy hatrany aho. Niverina tany Wichita izahay hanao ilay fandidiana izay nahomby. Vao niverina tany Quito roa taona monja izahay dia fantatra indray ny fisian’ny homamiadana, ary voatery niverina tanteraka teto Etazonia izahay. Nonina teto North Carolina izay misy anay amin’izao fotoana izao izahay.
Fiainana ampoky ny soa sady mitondra valisoa
Tsy azo antoka ny hoaviko ara-batana. Voatery nanaovana colostomie aho tamin’ny 1989. Na izany aza, dia mbola mahavita manompo amin’ny maha-loholona aho sy mitarika fampianarana Baiboly maromaro miaraka amin’ireo olona tonga ato an-tranoko. Nandritra ireo taona izahay dia nanampy ara-bakiteny olona an-jatony maro tamin’ny famafazana, fanondrahana, na fambolena voan’ny fahamarinana. Izany dia fifaliana izay tsy ho lefy na oviana na oviana, na dia miverimberina hatrany aza.
Fanampin’izany, dia faly aoka izany aho mahita ny zanako rehetra manompo an’i Jehovah. I Peggy dia niaraka tamin’i Paul Moske vadiny nandritra ny 30 taona tamin’ny asa fitetezam-paritany eto Etazonia. I Philip sy i Elizabeth vadiny, miaraka amin’i Judith, dia manohy manao fanompoana manokana manontolo andro ao amin’ny Betelan’i Brooklyn, New York. I Hank sy i Leslie mbamin’ny vadiny avy dia Vavolombelona marisika, ary ny rahalahiko sy ny anabaviko, efatra mianadahy ary ny fianakavian’izy ireo, anisan’izany ireo havana ara-nofo maherin’ny 80, dia manompo an’i Jehovah avokoa. Ary i Lucille dia vehivavy kristiana fakan-tahaka nandritra ireo efa ho 50 taona nivadianay. Hatramin’ireo taona faramparany izy dia manatanteraka tsy misy fitarainana raharaha tsy mahafinaritra maro amin’ny fanampiana ahy hikarakara ny vatako mihasimba.
Raha ny marina, dia feno fifaliana tokoa ny fiainako. Nahasambatra mihoatra lavitra noho izay azo lazaina amin’ny teny izany. Mameno fifaliana aoka izany ny fanompoana an’i Jehovah ka ny faniriako amim-pahatsorana dia ny hanolotra fanompoam-pivavahana ho azy mandrakizay eto amin’ity tany ity. Tsaroako mandrakariva ny Salamo 59:16, manao hoe: “Fa izaho kosa dia hihira ny herinao, ary hihoby ny famindramponao nony maraina, satria fiarovana avo ho ahy Hianao, ary fandosirako amin’ny andro fahoriana.”
[Sary, pejy 23]
George Brumley sy ilay emperora etiopiana Haile Selassie
[Sary, pejy 25]
George Brumley sy Lucille vadiny