Fitoriana Isan-tanàna Kely any Espaina
I JESOSY Kristy dia nandeha “nitety tanàn-dehibe sy tanàna kely (...) nampianatra sady nandroso nankany Jerosalema”. (Lioka 13:22, DIEM ). Mba hanatanterahana ny fanompoany, dia tsy hoe nitory “nitety tanàn-dehibe” fotsiny i Jesosy sy ny mpianany, fa ‘nitety tanàna kely’ koa. Na dia mora kokoa aza ny nitangorona tany amin’ireo tanàn-dehibe, dia tsy nandalo fotsiny an’ireo tanàna kely maro be tany ambanivohitra izy ireo.a
Niatrika zava-tsarotra toy ilay natrehin’i Jesosy ireo Vavolombelon’i Jehovah any Espaina. Tany amin’ny faramparan’ny taona 1970, dia nisy faritra nidadasika maro anisan’ny faritany ambanivohitra mbola tsy niasana, vonona ho amin’ny fijinjana. (Matio 9:37, 38). Tanàna kely an-jatony maro any amin’ireo tendrombohitra be orana any avaratra sy any amin’ireo lemaka karakaina any afovoany ary manaraka ny moron-tsiraka, no mbola tsy tongan’ny hafatra momba ilay Fanjakana mihitsy.
Ireo Vavolombelon’i Jehovah espaniola dia tapa-kevitra ny tsy hitsitsy fiezahana mba hitondra ny vaovao tsara tany amin’izany faritra izany. Fa nahoana ny mponina tany amin’izany faritra izany no voatery niandry ela tokoa vao nandre ny hafatra momba ilay Fanjakana? Ary nanao ahoana ny fihetsik’izy ireo?
Nanentana ny fitoriana tany ambanivohitra ny fanekena ny asa ho ara-dalàna
Teo ambany fandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Espaina, nanomboka tamin’ny faran’ny ady an-trano tamin’ny 1939. Nandritra ireo taona 1950 sy 1960, ireo Vavolombelona be zotom-po dia nitory tamim-pahamalinana tany amin’ireo tanàn-dehibe. Tsy voamarika firy ny fisian’izy ireo tany. Rehefa nekena ho ara-dalàna tamin’ny farany ny asan’izy ireo, tamin’ny 1970, dia nisy mpitory ilay Fanjakana sahabo ho 10 000 tany Espaina. Saika nonina tany amin’ireo tanàn-dehibe sy vohitra lehibe avokoa izy rehetra ireo, nefa nila ny nandre ny hafatra momba ilay Fanjakana koa ireo tanàna kely any Espaina. Iza no niatrika ilay zava-tsarotra?
Tao anatin’ireo taona 1970, dia nisy fandaharana natomboka mba hanatratrarana ireo faritra rehetra any amin’ilay saikinosy tamin’ny alalan’ny vaovao tsara. Saika isam-bolana, nanomboka tamin’ny 1973 ka hatramin’ny 1979, dia nisy filazana manokana nanasongadina ny zavatra ilain’ny olona any amin’ireo faritra samy hafa ao amin’ilay tany, nivoaka tao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, dia ilay zavatra vita an-tsoratra momba ny fanompoana mivoaka isam-bolana ho an’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Fianakaviana maro be vonona sy mandray tsara no namaly ilay antso ary nanolo-tena an-tsitrapo hanompo any amin’izay ilana izany kokoa.
Mampiseho izany ny ohatr’i Rosendo sy i Luci vadiny. Nirahina ho mpisava lalana manokana (mpitory ilay Fanjakana manontolo andro) tany amin’ny tanàna be mpanjono iray any avaratra-andrefan’i Espaina izy ireo, ary avy eo dia nanapa-kevitra ny hitoetra tao amin’ilay faritra rehefa tonga ray sy reny. “Tsy maintsy miaiky aho fa nandalo fotoana tena sarotra tokoa izahay”, hoy ny fieken’i Rosendo. “Sarotra ny nahita asa tsy ara-pivavahana, nefa niantehitra tamin’ny fanampian’i Jehovah izahay ary mbola tsy nandry fotsy na hoe tsy nanan-trano hisitrihana mihitsy. Azo antoka fa mendrika ny hatao ilay izy.” Nandritra ireo taona, dia afaka nanampy tamin’ny fiorenan’ireo kongregasiona efatra any amin’io faritr’i Espaina io izy ireo.
‘Fitadiavana izay mendrika’
Niteny tamin’ny mpianany i Jesosy mba ‘hitady’ ireo olona mendrika isaky ny tanàn-dehibe na tanàna kely. (Matio 10:11, NW ). Any amin’ireo faritra ambanivohitra any Espaina, dia mitaky faharisihana sy fahaiza-manombo-javatra ny fitadiavana, araka ny hitan’i Ángel, rahalahy iray avy any Alcoy (Alicante). Vao avy namita ny fitsidihana trano sasantsasany tao an-tanànan’i Masías izy, no nandre feon’akoholahy iray naneno. Nieritreritra izy hoe: “Matoa misy akoholahy, dia tsy maintsy misy trano any ho any — trano iray nolalovanay fotsiny.” Rehefa avy nizaha teo amin’ny manodidina i Ángel, dia nahita lalan-kely iray nitarika ho any amin’ny dongon’ny tehezan-tendrombohitra iray sy ho any amin’ny trano nitokana iray tamin’ny farany.
Tany amin’io faritra fiompiana io no nonina i José sy i Dolores, mpianadahy iray tam-po eo amin’ny faha-60 taonany avy. Nihaino tamim-pitandremana izy ireo ary avy hatrany dia nanaiky ny fanolorana fampianarana Baiboly. Tsy mora anefa ny niara-nianatra tamin’ireo olona nanetry tena ireo, satria tsy nahay namaky teny sy nanoratra izy ireo, ary ny zavatra rehetra dia voatery nadika avy tamin’ny fiteny espaniola ho amin’ny fiteny valencienne, ny hany fiteny mba azon’izy ireo. Fanampin’izany, dia niatrika fanoherana lehibe avy tamin’ny mpiara-monina taminy izy ireo. Na dia teo aza izany vato nisakana izany, dia samy nandroso tao amin’ny fahamarinana i José sy i Dolores, na dia nitaky dia lavitra namakivakiana ireo tendrombohitra aza ny fanatrehana ireo fivoriana. Rehefa ela ny ela, dia nahafeno fepetra mba hatao batisa izy ireo ary samy manohy manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana.
I Rosendo sy i Luci, vao noresahina tetsy aloha, dia mahatsiaro ny fomba naneken’ny olona malemy iray tao amin’ny trano nitokana any akaikin’i Moaña, any avaratra-andrefan’i Espaina, ny fahamarinana. María no anaran’izy io. Tamin’ny fotoana niresahany voalohany tamin’ny Vavolombelona, dia tsy nahay namaky teny sy nanoratra izy ary voatana am-pandriana nandritra ny taona maro noho izy voan’ny poliomelita fony mbola zaza. Sahabo ho roa kilaometatra avy teo amin’ny lalana akaiky indrindra no nisy ny tranony. Na dia izany aza, dia naniry mafy ny hianatra ny Baiboly izy, ary tsy ela dia niseho ny fahatapahan-keviny hanompo an’i Jehovah. Nianatra namaky teny sy nanoratra i María ary nanomboka nanatrika ireo fivoriana noho ny fiezahana feno fandavan-tenan’ny kongregasiona. Ireo rahalahy dia nibata azy tamin’ny elanelana 200 metatra avy eo amin’ny tranony nankeo amin’ny lalan-tany iray izay nampidiran’izy ireo azy tamim-pitandremana tao anaty fiara iray. Na dia teo aza ny fanoheran’ny fianakaviany teo am-boalohany, dia nandroso hatramin’ny batisa izy. Noho ny fatokiana azony avy tamin’ny fandrosoany ara-panahy, dia nianatra namily fiara iray nasiana fanamboarana manokana izy izao, ary nahavita fianarana tamin’ny fanabeazana fototra. “Ny fahafahana manampy olona tahaka an’i María dia mahatonga ny fahafoizan-tena rehetra ho mendrika ny hananana”, hoy ny fanazavan’i Rosendo.
Mandray avy hatrany ireo mpamaky Baiboly
Vao voalohany, tao anatin’ireo taona 1970, no nahazoan’ny sarambabem-bahoaka tany Espaina nampiasa ny Baiboly. Tera-tany espaniola maro be no nividy iray, ary ny sasany nanomboka namaky ny Soratra Masina. Efa teo am-pamakiana ny Baiboly i Pilar, avy any Medina del Campo (Valladolid), tamin’ny fotoana nahatongavan’ny Vavolombelon’i Jehovah voalohany tao amin’ny tanànany, tamin’ny 1973. Noho izy Katolika, dia velona ahiahy izy ny handray zavatra vita an-tsoratra avy tamin’ny Vavolombelona, nefa tiany ny hahazo ny hevitry ny Baiboly. Vokatr’izany, dia nanaiky hanao fiaraha-midinika isan-kerinandro izy mba hamaliana ireo fanontaniany momba ny Baiboly.
Tamin’ny fampiasana tsara ny zavatra vita an-tsoratra avoakan’ny Fikambanana Watch Tower, dia afaka namaly ireo fanontaniana maro be nataon’i Pilar ilay anabavy mpisava lalana nitsidika azy. Tohina noho izay nianarany i Pilar, ka nanaiky hianatra ny Baiboly tamin’ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay izy rehefa afaka herinandro maromaro. Talohan’ny nahavitan’ny fianarany ny boky Fahamarinana, dia nahatapitra ny famakiana ny Baiboly manontolo izy ary niaiky fa nahita ny fahamarinana. Izy no lasa Vavolombelona voalohany tany Medina del Campo, izay manana Efitrano Fanjakana tsara tarehy iray sy kongregasiona iray misy mpitory 63 ankehitriny.
Ny Vavolombelona espaniola dia mbola mahita olona “mahatsapa fa mila zavatra ara-panahy” sy mamaky tsy tapaka ny Baiboly amin’ny fiezahana hahatakatra ny sitrapon’Andriamanitra. (Matio 5:3, NW ). I Pepi, Katolika taloha, izay nampianatra katesizy tao amin’ny paroasin’i Zumaia (faritra avaratr’i Espaina), dia teo am-pitoriana tao amin’ny tanàna kely iray teo akaiky raha nifanena tamin’ilay pretran’ny paroasy.
“Mandany andro fotsiny ianao, ry Pepi”, hoy ilay pretra taminy. “Eto amin’itỳ tanànan’i Itziar itỳ, dia tsy misy afa-tsy olona roa monja — mpivady — no manana fironana ho amin’ny zavatra ara-panahy. Ny sisa dia mandeha any am-piangonana fotsiny noho ny fahazarana.”
“Hay ve”, hoy i Pepi, “raha misy olona roa manana fironana ho amin’ny zavatra ara-panahy ao dia ho tonga Vavolombelon’i Jehovah izy ireo.”
Nanohy ny asa fitoriany isan-trano niaraka tamin’ny Vavolombelona hafa i Pepi mandra-pahavitan’ny fitetezana ilay tanàna kely. Ary araka ny azo antenaina, tao amin’ny trano nitokana iray, dia nahita an’ilay mpivady noresahin’ilay pretra mihitsy ireo rahalahy. Namaky ny Baiboly izy ireo saingy tsy nahazo izay hevitr’izy io. Nanaiky tamim-pahazotoana fampianarana Baiboly izy ireo, nandroso haingana, ary vita batisa tamin’ny Aprily 1991.
Ny olona tso-po sasany dia nianatra ny fahamarinana tamin’ny famakiana manokana fotsiny ny zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly, navoakan’ny Fikambanana Watch Tower. Ireo Vavolombelona avy any Almadén (Ciudad Real), ohatra, dia teo am-pitoriana tao amin’ny vohitra kelin’i Ciruelas (Badajoz) raha nahita ramatoa iray nihaino tamim-pitandremana ny hafatra nentin’izy ireo. Noho ny fahalianan’izy io niharihary, dia nanolotra fampianarana Baiboly any an-tokantrano ho azy izy ireo. Nanda anefa izy tamin’ny filazana fa misy rangahy be taona iray efa manome azy lesona momba ny Baiboly. Nisy olona maromaro hafa tao amin’ilay faritra niresaka an’izany koa. Taitra ny fahalianan’ireo rahalahy hahafanta-javatra, koa dia namotopototra momba an’ilay rangahy be taona izy. Nahazo ny adiresin’io izy ireo ary nandeha nitsidika azy.
Gaga izy ireo nahafantatra fa io lehilahy io, izay antsoina hoe Felipe, dia nahazo ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, tany Madrid. Rehefa nahavaky azy io tanteraka izy, dia nahatakatra fa nanana andraikitra hizara ny vaovao tsara amin’ny mpiara-belona aminy. Noho izany, dia nampiasa an’ilay boky izy mba hanomezana lesona momba ny Baiboly azy ireo. Nanao fandaharana ireo rahalahy mba hiarahana mianatra aminy. Nisy ramatoa iray niara-nianatra ny Baiboly taminy, nanaiky fampianarana koa. Na dia efa 80 taona aza i Felipe sady tsy manana fahasalamana tsara, dia mandroso tsara ao amin’ny fahamarinana.
Resy ireo fitsarana an-tendrony
Mametraka tena zava-manahirana hafa kely ireo faritany ambanivohitra. Miorim-paka any amin’ny faritra toy izany ny lovantsofina ara-pivavahana sy ny finoanoam-poana, ary olona maro be monina any ambanivohitra no manana fiahiahiana latsa-paka ny amin’ny “fivavahana vaovao” iray. Misy tambanivohitra sasany velom-panahiana indrindra ny amin’izay mety hoeritreretin’ny mpiray tanàna sy ny havana raha niova fivavahana izy. Ny herin’ny Tenin’Andriamanitra anefa dia afaka mandresy zava-manahirana toy izany sy manova ny fiainan’ny olona iray. Izany no nitranga tao amin’ny tanàna kely be mpanjonon’i Cangas de Morrazo, any avaratra-andrefan’i Espaina.
I Roberto, tera-tany tao amin’io tanàna kely io, dia nanao asan’ny tantsambo teo amin’ny faha-14 taonany satria naniry mafy fahaleovan-tena izy. Ny fiainany tamin’ny naha-tantsambo mpitondra entam-barotra azy dia nahatonga azy hisakaiza tamina tantsambo tanora izay nisotro tafahoatra sy nampiasa zava-mahadomelina mba handaniana ireo ora maha-irery eny an-dranomasina. Tsy ela koa i Roberto dia nanjary mpisotro be sy mpidoroka zava-mahadomelina.
Rehefa ela ny ela dia niverina nody i Roberto, nefa tsy afaka sy tsy vonona ny hiala tamin’ny fahazaran-dratsiny. Mba hamatsiana ara-bola ny fidorohany zava-mahadomelina, dia lasa mpangalatra izy ary niafara tany am-ponja tamin’ny fitrangan-javatra enina samy hafa. Fony izy 18 taona, dia nisotro fifangaroan-divay sy fampitonena saiky nahafaty azy izy. Voavonjin’ny dokotera ny ainy, saingy nafoiny ny fahafahana mampiasa ny tongony aman-tanany. Nalemy rantsam-batana izy rehefa nivoaka ny hopitaly. Na dia voatana teo amin’ny seza mikorisa aza izy, dia tsy nahatonga azy hiato tamin’ny fahazarana tamin’ny zava-mahadomelina izany. Diso fanantenana tamin’ny fivavahana izy, ka ny zava-mahadomelina no toa hany azony nentina hanamboarana ny fiainana ho mendrika hiainana — mandra-pahafaky ny telo taona, rehefa notsidihin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy.
Ny fahafantarana an’ireo faminanian’ny Baiboly efa tanteraka dia nanampy an’i Roberto handresy ny fisalasalany momba ny fivavahana. Ny fandraisana mafana azony tany amin’ny Efitrano Fanjakana dia nampiaiky azy fa mahatonga ny fiainan’ny olona hisy heviny kokoa ny fivavahana marina. Tao anatin’ny sivy volana, dia resin’i Roberto ny fahazaran-dratsiny tamin’ny zava-mahadomelina ary vita batisa izy. Na dia eo aza ny kilema ara-batana lehibe mahazo azy, dia manompo amin’ny maha-mpisava lalana hatramin’ny valo taona izy izao. Loholon’ny kongregasiona koa izy hatramin’ireo roa taona farany. I Francisco, anisan’ny namany fahiny, dia tohina aoka izany noho ny fiovana teo amin’ny fiainan’i Roberto, hany ka tonga Vavolombelona koa ary mpikarakara momba ny asa izy izao. Ny fiovana niavaka teo amin’io mpidoroka noheverina ho tsy sitram-panafana io, dia nanampy olona tao amin’izany toerana izany hankasitraka kokoa ny maha-izy ny asantsika. Nisy aza vehivavy iray nitondra mihitsy ny zanany lahy mbola tanora mpidoroka zava-mahadomelina, tany amin’ny Efitrano Fanjakana mba hojerena raha afaka nanasitrana azy io ny Vavolombelona.
Fitadiavana ny Baiboly noho ny fahamarinana
Amin’ny ankapobeny, ny tambanivohitra dia manana an’izay fankasitrahana ny fahamarinana izay, ka matetika izany no mahatonga ny hendry eo amin’izao tontolo izao ho menatra. (1 Korintiana 1:26, 27). I Adelina, vehivavy saro-kenatra efa zokinjokiny ihany, dia anisan’izany olona mahay mankasitraka izany. Nihevitra ny finoana katolika nisy azy ho tena zava-dehibe tokoa izy taloha. Isa-maraina tsy diso, dia nandohalika izy mba hivavaka, nanao ny Rainay any An-danitra sy Arahaba, ry Maria imbetsaka. Navantany tamina “olo-masina” samy hafa isan’andro ireo vavaka nataony — sitrany ahay mba misy mandre.
Rehefa nanomboka nianatra ny Baiboly i Adelina, dia naompany tao amin’ny finoany vaovao io zotom-po ara-pivavahana io. Tsy nahasakana azy na dia ny hasarotan-kenatra aza, kanefa fony vao nandeha tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy mivady, dia nila folo minitra mba hanangonana herim-po ampy mba hidirana tao. Raha vao tonga tao anefa i Adelina, dia nihaino tamim-pitandremana. Indray mandeha izy dia nandre ny amin’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Nambabo ny fony io foto-kevitra io, ary rehefa nody tany an-trano izy, dia naniry ny hamaky misimisy kokoa momba azy io tao amin’ny Baiboliny. Na izy anefa na ny vadiny dia samy tsy nisy nahafantatra izay hahitana ilay fanazavana, na dia nihevitra aza izy ireo fa resahina ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy ao izy io. Koa dia nanomboka namaky ny Apokalypsy i Adelina tamin’io alina io, ary nanohy namaky mandra-pahatongany teo amin’ny toko faha-20 tamin’ny farany, tamin’ny vao maraina be.
Tamin’ny fotoana hafa iray, dia nianaran’i Adelina fa mety ho an’ny lehilahy manambady ny misolo tena ny vadiny amin’ny vavaka. Na dia vonona ny hivavaka aza ny vadiny, dia tsy fantany izay hotenenina ao amin’ny vavaka. Tamin’io alina io ihany, dia nanapa-kevitra i Adelina fa hitady toromarika ao amin’ny Baiboly. Namoha ny vadiny izy tamin’ny roa ora maraina mba hilaza taminy fa hitany ny Matio toko faha-6, izay mamelabelatra an’ilay foto-kevitra amin’ny an-tsipiriany. Rehefa avy namaky ireo toromarik’i Jesosy ny vadiny, dia nanao vavaka ho azy roa tamin’ny farany. Samy Vavolombelon’i Jehovah i Adelina sy ny vadiny izao.
Fijinjana tsara dia tsara
Taorian’ny efa ho 25 taona nanaovan’ireo mpanompon’i Jehovah be zotom-po fitoriana tany ambanivohitra, dia nandre ny vaovao tsara avokoa ny faritra rehetra any Espaina. Toy ny naha-marina izany tamin’i Azia Minora tamin’ny taonjato voalohany, “ny tenin’ny Tompo dia naely eran’izany tany rehetra izany”. (Asan’ny Apostoly 13:49). Vokatr’izany, dia tambanivohitra an’arivony maro no nandray tsara.
Any Espaina sy any amin’ny faritra hafa, dia mitaky faharetana sy fahafoizan-tena ny fitoriana manerana ny faritra ambanivohitra. Kanefa, satria ny sitrapon’Andriamanitra dia ny ‘hahavoavonjy ny karazan’olona rehetra’, dia faly ny Vavolombelon’i Jehovah mitady ireo olona mahay mankasitraka. (1 Timoty 2:4, NW ). Ary araka ny asehon’ireo fitantarana tetsy aloha, i Jehovah dia mamaly soa tondraka ny ezaka atao mba hitoriana isan-tanàna kely any Espaina.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Notombanan’i Josèphe fa nisy 204 ny tontalin’ny “tanàn-dehibe sy tanàna kely” tany Galilia, ary nilazalaza an’ilay faritra ho nanana “tanàna kely tena maro be” izy.
[Sarintany, pejy 23]
(Jereo ny gazety)
FRANTSA
PORTOGALY
ESPAINA
IREO NOSY BALÉARES
IREO NOSY CANARIES
[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]
Vilac, Lérida
[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]
Puebla de Sanabria, Zamora
[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]
Casarabonela, Málaga
[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]
Sinués, Huesca
[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]
Lekeitio, Vizcaya