FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 1/12 p. 28-31
  • Ilay Mpanome ny “Fanomezan-tsoa Rehetra”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ilay Mpanome ny “Fanomezan-tsoa Rehetra”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny ohatr’Andriamanitra
  • Ireo antony manosika hanao fanomezana
  • Ireo fomba handraisana anjara
  • Ny Fomba Anaovan’ny Sasany Fanomezana ho An’ny Asa Fitoriana Ilay Fanjakana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • “Avy Aiza Ireo Vola?”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • “Manomeza Voninahitra An’i Jehovah Amin’ny Zava-tsarobidinao” — Amin’ny Fomba Ah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Nahoana no Manome ho An’i Jehovah?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 1/12 p. 28-31

Ilay Mpanome ny “Fanomezan-tsoa Rehetra”

“Tamin’ny fotoana iray, dia notsidihin’ny mpitondra fivavahana iray avy tamin’ny Fiangonana Nohavaozina aho. Naniry hahafantatra ny fomba nitondrako ny fiangonako izy. Hoy aho taminy: (...) ‘Tsy misy karama aloanay mihitsy; tsy misy zavatra tokony hampiady ny olona. Tsy manao famoriam-bola mihitsy izahay.’ ‘Amin’ny fomba ahoana no ahazoanareo ny vola?’ hoy ny fanontaniany. Namaly toy izao aho: ‘Izao no izy ry Dr.——, raha milaza aminao ny fahamarinana tsotra indrindra aho, dia ho sarotra aminao ny hino izany. Rehefa manjary liana amin’izany fomba izany ny olona, dia hitany fa tsy misy lovia ampandalovina eo aminy. Hitany anefa fa misy ny fandaniana. Dia miteny anakampo izy hoe: “Misy fandaniana amin’itỳ efitrano itỳ. (...) Ahoana no azoko andraisana anjara amin’ny alalan’ny vola kely amin’izany zavatra izany?” ’ Nijery ahy izy toy ny nieritreritra hoe: ‘Mihevitra ahy ho inona ianao — ho zazavao?’ Hoy aho taminy: ‘Izao ry Dr.——, milaza aminao ny fahamarinana tsotra aho. (...) Rehefa mahazo fitahiana ny olona iray sy nanana fananana ara-nofo, dia maniry hampiasa izany ho an’ny Tompo izy. Raha tsy manam-pananana izy, nahoana izahay no tokony hampirisika azy amin’izany?’ ”

— Charles T. Russell, prezidà voalohan’ny Watch Tower Society, The Watch Tower, 15 Jolay 1915.

MANOME isika satria i Jehovah Andriamanitra no ilay voalohany nanome. Nanomboka efa taloha ela be ny fanomezana nataony tamin’ny famoronana — ny zavatra noforoniny voalohany indrindra, dia ny “Zanani-lahy Tokana”. (Jaona 3:16). Noho ny fitiavany, dia nanao fanomezana fiainana ho an’ny hafa izy.

Ny Zanak’Andriamanitra, i Jesosy Kristy, no fanomezana lehibe indrindra nataon’i Jehovah ho antsika. Tsy ny faran’ny fanomezan’Andriamanitra anefa ny tenan’ny Zanak’Andriamanitra. “Ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra ho an’izay tsy mendrika akory” dia antsoin’ny apostoly Paoly hoe “fanomezana malalaka tsy hay lazaina” avy amin’i Jehovah. (2 Korintiana 9:14, 15, NW ). Miharihary fa tafiditra ao anatin’izany fanomezana izany ny fitambaran’ny hatsaram-po sy ny hatsaram-panahy miharo fitiavana rehetra izay omen’Andriamanitra ny vahoakany amin’ny alalan’i Jesosy. Mahatalanjona erỳ izany hatsaram-panahy ho an’izay tsy mendrika akory izany, hany ka mihoatra ny herin’ny filazalazana na fitenenan’olombelona. Kanefa, mbola misy ireo endriny hafa amin’ny fanomezan’Andriamanitra.

Taloha ela, dia efa niaiky tamim-pahendrena sy tamim-panetren-tena ny mpanjaka iray, fa izay zavatra tsara rehetra natolony ho toy ny fanomezana dia an’i Jehovah raha ny marina. Hoy izy: “Anao (...) izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin’izy rehetra. (...) Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin’ny Anao ihany no nanomezanay Anao.” — 1 Tantara 29:11-14.

Ny ohatr’Andriamanitra

I Jakoba, mpianatr’i Jesosy Kristy, dia nahafantatra fa i Jehovah Andriamanitra no loharanon’ny zavatra rehetra izay tsara avokoa amin’ny lafiny rehetra. Tsy misy afa-tsy fanomezana tanteraka ihany avy aminy. Nanoratra toy izao i Jakoba: “Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin’ny Rain’ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin’ny fihodinana.” — Jakoba 1:17.

Raha ny momba ny fanaovana fanomezana mihitsy, dia fantatr’i Jakoba fa samy hafa tanteraka amin’ny olombelona Andriamanitra. Afaka manao fanomezana tsara ny olombelona nefa tsy manao toy izany foana izy. Mety ho avy amin’ny antony manosika feno fitiavan-tena ireny fanomezana ireny, na mety hampiasaina hakana fanahy olona iray mba hanaovany zava-dratsy. Tsy misy fiovaovana mihitsy amin’i Jehovah; tsy miova izy. Noho izany, dia tsy miova ny toetran’ny fanomezana ataony. Madio foana izy ireny. Mampandroso foana ny fiadanana sy ny fahasambaran’ny taranak’olombelona izy ireny. Tsara sady mahasoa foana izy ireny, tsy manimba na oviana na oviana.

Ireo antony manosika hanao fanomezana

Tamin’ny andron’i Jakoba, dia nanao fanomezana mba ho hitan’ny olona fotsiny ireo mpitondra fivavahana tiam-bahoaka. Izy ireo dia nanome noho ny antony manosika ratsy. Naniry mafy hoderain’ny olona izy ireo ka nampandefitra ny fari-pitsipiny marina. Tsy tokony ho tahaka izany anefa ny Kristiana. Nanoro hevitra azy ireo toy izao i Jesosy: “Raha manao fiantrana hianao, aza mba mitsoka trompetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy eo amin’ny synagoga sy eny an-dàlam-be mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany. Fa hianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tànanao ankavia izay ataon’ny tànanao ankavanana, mba hatao ao amin’ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ny mangingina, no hamaly anao.” — Matio 6:2-4.

Ny antony iray anaovan’ny Kristiana fanomezana dia ny hanampiana ny hafa mba hanome fahafaham-po izay ilain’ny hafa na mba hahasambatra azy na mba hampandrosoana ny fanompoam-pivavahana marina. Tsy ho fideran-tena izany. Ny mason’i Jehovah tokoa dia afaka mahita ny ao amin’ny toerana miafina indrindra amin’ny fontsika. Afaka mahita ny antony manosika lalina ao ambadik’ireo fanomezana fiantrana ataontsika izy.

Miezaka manaraka ny ohatr’i Jehovah sy ny Zanany ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fanaovana fanomezana. Manome avy amin’izay ananany izy ireo. Manana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana izy ireo, ary manome izany mba ho fitahiana ny hafa. Fantatr’izy ireo izay ambara ao amin’ny Ohabolana 3:9 manao hoe: “Mankalazà an’i Jehovah amin’ny fanananao sy amin’izay voaloham-bokatrao rehetra”. Koa satria mitady amim-pahatsorana handray anjara amin’ny fahasambaran’ny rehetra ny biraon’ny sampana sy ny kongregasiona tsirairay ary ny isam-batan’olona, dia manjary matanjaka sy miroborobo ara-panahy ny fianakavian’ny mpirahalahy manontolo. Tsy mitondra firoboroboana ara-panahy ny firoboroboana ara-nofo, fa ny firoboroboana ara-panahy kosa dia tena mitondra firoboroboana ara-nofo ampy mba hanomezana ny zavatra ilaina amin’ny asan’i Jehovah.

Ireo fomba handraisana anjara

Misy fomba maro ahafahan’ny olona tsirairay mandray anjara manokana amin’ny fanohanana ny vaovao tsara. Ny fomba iray dia mikasika ireo Efitrano Fanjakana. Mampiasa ny Efitrano Fanjakana daholo ny mpikambana rehetra ao anatin’ny kongregasiona. Nisy olona nanome vola tamin’ny fanorenana na ny fanofana izany, ny jiro, ny fitaovam-pandrindrana ny hafanana sy ny rivotra, ary ny fikojakojana. Koa satria ilaina ny fanohanan’ny olona tsirairay ny kongregasiona, dia misy vata fasiana fanomezana apetraka ao anatin’ny Efitrano Fanjakana, ka ireo fanomezana an-tsitrapo voaray dia ampiasaina mba handoavana ny lany ataon’ny kongregasiona. Avy amin’izay ambin’izany, dia azo atao ny manao fanomezana ho an’ny sampan’ny Watch Tower eo an-toerana, araka izay fanapahan-kevitry ny kongregasiona.

Azo atao ho an’ny sampan’ny Fikambanana mihitsy ireo fanomezana mba hampiofanana sy hanohanana ireo misionera sy mpisava lalana manokana any amin’ireo faritra eto an-tany izay tsy nahatratraran’ny vaovao tsara ny ankamaroan’ny mponina. Ireo fandaniana hafa amin’ny fampielezana ny vaovao tsara dia mifandray amin’ny asan’ireo mpiandraikitra mpitety faritany. Ny apostoly Paoly, izay nanome ohatra tamin’ny asa fitetezam-paritany tamin’ny taonjato voalohany, dia nanao izao teny fisaorana izao ho an’ny kongregasiona tany Filipy: “Nampanatitra ho ahy indray mandeha amana indroa hianareo hamonjy ahy.” (Filipiana 4:14-16). Ankoatra ny fandaniana ataon’ireo sampana rehetra amin’ireo endriny amin’ny asa manontolo andro ireo, dia ao koa ny fikojakojana ny Betela tsirairay sy ireo izay mipetraka ary miasa ao. Ny fanoratana sy ny fanontana pirinty ireo zavatra vita an-tsoratra mirakitra ny hafatra mahafinaritra momba ny vaovao tsara dia tombontsoa nomen’Andriamanitra tokoa, nefa ilaina koa ny fizarana ny zavatra vita an-tsoratra, ka izany dia mitaky fandaniana. Avy eo, dia ao ny fandaniana amin’ireo fivoriambe sy fivoriamben’ny distrika, ankoatra ireo raharaha entina any amin’ny fitsarana natao ‘hiarovana sy hanorenana ara-dalàna ny vaovao tsara’. — Filipiana 1:7, NW.

Ny fotoana lanin’ny mpanompon’i Jehovah tsirairay amin’ny fitoriana ny vaovao tsara dia atao an-tsitrapo, ary toy izany koa ny amin’ny fanomezana ara-bola ataony. Ampirisihan’ny apostoly Paoly toy izao ny fanokanana vola tsy tapaka mba hanohanana ny fampielezana ny fanompoam-pivavahana marina: “Ary ny amin’ny famoriam-bola ho an’ny olona masina, (...) amin’ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin’inona na amin’inona no anambinana azy.” — 1 Korintiana 16:1, 2.

Rehefa manao fanomezana ny olona iray, dia tsy fantany amin’ny fomba hentitra foana ny fomba hampiasana izany, nefa hitany ny vokany, amin’ny fielezan’ny fitoriana ilay Fanjakana. Ireo tatitra tao amin’ny Annuaire des Témoins de Jéhovah 1993 dia mampiseho fa torin’ny minisitra kristiana 4 500 000 mahery any amin’ny tany sy nosy 200 mahery ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Manohina ny fo ireny tatitra ireny. Ny fanomezana rehetra àry, na manao ahoana na manao ahoana habetsahany, dia manohana ny fampielezana ny vaovao tsara maneran-tany.

Io asa io dia tohanan’ny fanomezana ara-bola atambatra ataon’ny rehetra. Ny sasany dia afaka manome bebe kokoa, ka izany dia manohana ny asa fitoriana amin’ny ambaratonga lehibe kokoa. Ny hafa manome kelikely kokoa. Nefa, ireo izay manao fanomezana antonintoniny dia tsy tokony ho menatra na hihevitra fa tsinontsinona ny fandraisana anjara ataony. Azo antoka fa tsy mihevitra toy izany i Jehovah. Nilaza izany mazava tsara i Jesosy rehefa nampiseho fa nankasitrahan’i Jehovah tokoa ny vola kelin’ilay mpitondratena. “Ary nahita mpitondratena malahelo anankiray koa mandatsaka farantsakely roa teo Izy. Dia hoy Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izy rehetra. Fa ireo rehetra ireo, dia tamin’ny haben’ny fananany no nandatsahany tao amin’ny rakitra; fa izy kosa tamin’ny fahantrany no nandatsahany ny fivelomany rehetra izay nananany.” — Lioka 21:2-4.

Tsy maninona izay mety ho toe-javatra ara-bola misy antsika, isika dia afaka manome amin’ireo fomba izay ankasitrahan’i Jehovah. Namintina tsara ny fomba azontsika anomezam-boninahitra ilay Mpanjakantsika sady Mpitsara antsika ny mpanao salamo. Manambara toy izao izy: “Manomeza an’i Jehovah ny voninahitry ny anarany; mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany.” (Salamo 96:8). Noho izany, enga anie isika hanahaka ny oha-pitiavan’ilay Raintsika any an-danitra amin’ny fanaovantsika fanomezana amim-pifaliana satria izy no nanome ho antsika voalohany.

[Efajoro, pejy 30]

NY FOMBA ANAOVAN’NY SASANY FANOMEZANA HO AN’NY ASA FITORIANA ILAY FANJAKANA

◻ FANDRAISANA ANJARA AMIN’NY ASA MANERAN-TANY: Maro no manokana na manatsinjara vola izay arotsany ao amin’ny vata ho an’ny fanomezana an-tsitrapo misy soratra hoe: “Fanomezana ho An’ny Asa Maneran-tany Ataon’ny Fikambanana — Matio 24:14.” Isam-bolana ny kongregasiona dia mandefa ireny vola ireny, na any amin’ny foibe maneran-tany any Brooklyn, New York, na any amin’ny biraon’ny sampana akaiky azy indrindra.

◻ FANOMEZANA: Ny vola fanomezana an-tsitrapo dia azo alefa mivantana any amin’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, 25 Columbia Heights, Brooklyn, New York 11201, na any amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana eo an-toerana. Azo atao fanomezana koa ny firavaka na zava-tsarobidy hafa. Tokony hisy taratasy fohy milaza fa fanomezana tanteraka izy io, hampiarahina amin’ireny fanomezana ireny.

◻ FANOMEZANA MISY FEPETRA: Azo atao ny manankina vola amin’ny Fikambanana Watch Tower mandra-pahafatin’ilay mpanome, amin’ny fametrahana fepetra fa, raha ilain’ilay nanome izany, dia haverina aminy indray.

◻ FIANTOHANA: Azo tondroina ho mpandray ny tombontsoa (bénéficiaire) avy amin’ny fifanekem-piantohana aina (assurance-vie) na amin’ny fandaharana momba ny fisotroan-dronono/​pension ny Fikambanana Watch Tower. Tokony hampandrenesina ny Fikambanana ny amin’ny fandaharana toy izany.

◻ KAONTY ANY AMIN’NY BANKY: Ny kaonty any amin’ny banky, ny fanamarinana petra-bola, na ny kaontin’ny olona iray momba ny fisotroan-dronono dia azo omena ho antoka ho an’ny Fikambanana Watch Tower na azo aloa aminy amin’ny fahafatesan’ilay tompony, mifanaraka amin’ireo zavatra takin’ny banky eo an-toerana. Tokony hampandrenesina ny Fikambanana ny amin’ny fandaharana toy izany.

◻ PETRA-BOLA MIASA (ACTIONS) SY RENIVOLA NAMPISAMBORINA (OBLIGATIONS): Ny petra-bola miasa sy ny renivola nampisamborina dia azo atao fanomezana tanteraka ho an’ny Fikambanana Watch Tower, na asiana fepetra hoe ny tombony na ny zanabola dia haloa hatrany any amin’ilay mpanome.

◻ TRANO SY TANY: Azo atao fanomezana ho an’ny Fikambanana Watch Tower ny trano sy ny tany azo amidy, na amin’ny fanaovana fanomezana tanteraka, na amin’ny fanisiana famerana izany ho fananan’ilay mpanome raha mbola velona izy, izany hoe afaka manohy mipetraka ao izy mandritra ny fahavelomany. Tokony hifandray amin’ny Fikambanana ny olona iray alohan’ny hamindrany trano sy tany amin’ny anaran’ny Fikambanana.

◻ DIDIM-PANANANA SY FANANKINAM-PANANANA (FIDÉICOMMIS): Azo ampandovaina fananana na vola ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania amin’ny alalan’ny didim-pananana natao manan-kery ara-dalàna, na azo tondroina ho mpandray ny tombontsoa (bénéficiaire) avy amin’ny fanekena iray momba ny fanankinam-pananana ny Fikambanana. Ny fanankinam-pananana ho tombontsoan’ny fandaminana ara-pivavahana iray dia mety hahitan-tsoa sasany eo amin’ny fandoavan-ketra. Tokony hisy kopian’ilay didim-pananana na ilay fanekena momba ny fanankinam-pananana halefa any amin’ny Fikambanana.

Mba hahazoana fanazavana misimisy kokoa momba izany, dia manorata any amin’ny Treasurer’s Office, Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, 25 Columbia Heights, Brooklyn, New York 11201, na any amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana eo an-toerana.

[Sary, pejy 31]

Ny fomba ampiasana ny fanomezana ataonao:

1. Amin’ireo mpiasa an-tsitrapo any amin’ny Betela

2. Amin’ny fanorenana biraon’ny sampana

3. Amin’ny Famonjena rehefa misy loza

4. Amin’ireo Efitrano Fanjakana

5. Amin’ireo misionera

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara