Ny Fifaninanana ve no Fanalahidin’ny Fahombiazana?
“TSY ny fandresena no zava-drehetra, izy io ihany no zava-dehibe.” Maro be amin’izao andro izao ny olona miaina araka ireo teny ireo, izay voalaza matetika fa nataon’i Vince Lombardi, mpanazatra iray amin’ny lalao baolina kitra amerikana. Ankehitriny, dia niditra tamin’ny fiderana fatratra ny fotopoto-pitsipika momba ny fifaninanana koa ireo tany kaominista teo aloha. Ny fampidirana ny fifaninanana tao amin’ny sehatra ara-barotr’izy ireo dia voalaza ho ny karatra fidirana ho amin’ny fahatondrahana. Any Orient dia ray aman-dreny maro no mampifaninana ny zanany amin’ny hafa ka mandefa azy ireo any amin’ny sekoly tsy an’ny sarambabembahoaka, izay mampianatra azy ireo ny fomba feno hakingana hahombiazana amin’ireo fanadinana fidirana. Miaiky ireny ray aman-dreny be fanahiana tafahoatra ireny fa ny fidirana any amin’ny sekoly malaza iray no fanalahidin’ny firoboroboana amin’ny hoavy.
Ny fifaninanana no fanalahidin’ny fahombiazana, araka ny inoan’ny maro azy mafy. Araka ny finoan’izy ireo, dia tamin’ny alalan’ny fifaninanana teo amin’izy samy izy no nandrosoan’ny olombelona. “Ny fifaninanana ho amin’ny fisondrotana no loharanon’ny tanjak’ireo fikambanam-barotra japoney”, hoy ny 65,9 isan-jaton’ireo mpitantana fikambanam-barotra lehibe japoney, araka ny fanadihadiana nataon’ny Federasionan’ny Fikambanana Ara-toe-karena any Japana. Ary hita ho toa mahomby ireo kompania japoney hatramin’ny fotoana sasany. Tena fanalahidin’ny fahombiazana ve anefa ny fifaninanana?
Tena mitondra fahafaham-po ve?
Ireo olona mifaninana amin’ny hafa dia maneho ny toe-tsain’ny izaho aloha, feno fitiavan-tena. Faly izy ireo rehefa tsy mahomby ny hafa, satria mihevitra izy ireo fa hampisondrotra ny zava-bitany manokana izany. Noho ny tombontsoany manokana feno fitiavan-tena, dia mety hampiasa tetik’ady manimba ho an’ny hafa izy ireo. Hitarika ho amin’inona moa ny fikatsahana fahombiazana toy izany amin’ny alalan’ny fifaninanana? Mahatsiaro ny fomba fiainany tamin’ny lasa i Yasuo, izay revo tanteraka tamin’ny fihazakazahana mba hahatongavana ho olona ambony tao amin’ny kompania nisy azy, ka milaza toy izao: “Nanana toe-tsaina tia fifaninanana sy fisainana tsy niahy afa-tsy ny fisondrotana aho, ka nampitaha ny tenako tamin’ny hafa sady nihevi-tena ho ambony. Rehefa napetraka tamin’ny toerana ambony noho ny ahy ireny olona ireny, dia sorena ka nitaraina isan’andro aho momba ny fitantanana mpiasa ao amin’ilay kompania. Tsy nana-namana aho araka ny hevitra marin’ilay teny.”
Mety hitarika ho amin’ny fahafatesana aloha be koa ny toe-tsaina tia fifaninanana. Amin’ny fomba ahoana? Ny gazety japoney Mainichi Daily News dia mampifandray ny karoshi na fahafatesana vokatry ny asa tafahoatra, amin’ny fihetsika karazany A. Ny karazany A dia milazalaza ny santionam-pihetsika mifandray amin’ny fihenjanana vokatry ny fanahiana tafahoatra hampiasa ny fotoana amin’ny fomba mandaitra, ny faharahana ny finaninana sy ny fankahalana. I Friedman sy i Rosenman, mpitsabo amerikana momba ny aretim-po dia nampifandray ny fihetsika karazany A tamin’ny aretim-po amin’ny fanely ra. Eny, mety hahafaty ny toe-tsaina tia fifaninanana.
Mety hahazoana aretina hafa ara-batana sy ara-tsaina koa ny fifaninanana any amin’ny toeram-piasana. Ohatra iray, i Keinosuke, izay lehiben’ny varotra tao amin’ny iray amin’ireo orinasa lehibe mpivarotra fiara tany Japana. Nahatratra ny isa be indrindra izy tamin’ny fivarotana fiara 1 250. Natao tao anaty fitaratra ny sariny ary nahantona tao amin’ny efitrano nampiasain’ny antokon’olona mpitondra ao amin’ny foiben’ilay orinasa. Na dia tsy tiany aza ny nampiasa ireo olona niara-niasa taminy ho toy ny tohatra fiakarana ho amin’ny fisondrotana, dia noteren’ny orinasa mba hifaninana izy. Vokatr’izany, tao anatin’ny herintaona dia voan’ny fery tao amin’ny vavony sy teo amin’ny lohan’ny tsinay kely izy. Tamin’io taona io ihany, dia mpitantana 15 tao amin’ilay orinasa nisy azy no naiditra hopitaly, ary namono tena ny iray.
Any ivelan’ny toeram-piasana, ny toe-tsaina tia mifaninana amin’ny manodidina dia mitarika ny olona hampideradera ny fananan’ny tenany ao amin’ny fifaninanana tsy mety mifarana. (1 Jaona 2:16, NW ). Ny tontolon’ny varotra ihany no mahazo tombony, satria mametraka ny vola eo an-tanan’ireo mpandranto amin’ny tany izany. — Ampitahao amin’ny Apokalypsy 18:11.
Na dia mety hiteraka fahaizan-javatra amin’ny asa aza ny toe-tsaina tia fifaninanana sy ny fifandrafiana, dia tsy mahagaga raha nanao izao fanamarihana izao i Solomona Mpanjaka: “Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra, fa avy amin’ny fifampialonan’ny olona izany. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.” (Mpitoriteny 4:4). Koa ahoana no ahafahantsika mihazona fiadanan-tsaina na dia miaina eo anivon’ny fitambaran’olona tia fifaninanana aza isika? Mba hahalalana izany, dia aoka hojerentsika voalohany hoe taiza no niantombohan’ny hevitra momba ny fifaninanana.