Fivoriamben’ny Distrika “Fampianarana Araka An’Andriamanitra” Tany Etiopia — Fotoam-pifaliana Manokana
TSY io akory no fivoriamben’ny distrika voalohany natao tamin-kalalahana tao Etiopia, kanefa dia manokana tanteraka izy io. Hatramin’ny nahazoana ny fanekena ho ara-dalàna tamin’ny 11 Novambra 1991, dia fanintelony izao ny Vavolombelon’i Jehovah no nivory tao amin’ilay kianja malalaka indrindra ao amin’ilay tany, tao amin’ny City Stadium, ao afovoan-tanànan’i Addis-Abeba mihitsy. Koa satria hatrany am-boalohany dia tsy azo io kianja filalaovana io ny alahady, ary tsy afaka nahita toerana hafa malalaka tsara, dia nofintinina tao anatin’ny telo andro ny fandaharana, nanomboka ny alakamisy ka hatramin’ny asabotsy, 13-15 Janoary 1994.
Tsy vitan’ny hoe tao anatin’ny toetr’andro antonona nahafinaritra teo ambanin’ny lanitra manga ireo andro telo ireo, fa tao anatin’ny fahazavana ara-panahy nisian’ny fiantraikany feno avy tamin’ny “Fampianarana Araka An’Andriamanitra” koa. Nipoitra niavaka tao anatin’ny faritra nisy fitambaram-boninkazo manintona nalamina tsara nanodidina ny lampihazo ilay loha hevitra hoe “Fampianarana Araka An’Andriamanitra” tamin’ny soratra amharique.
Inona anefa no nahatonga an’ilay fivoriamben’ny distrika ho manokana? Niaraka tamin’ilay fandaharana tsara dia tsara, ny saina sy ny fihetseham-pon’ny rehetra dia nifantoka tamin’ilay firahalahiantsika iraisam-pirenena feno fitiavana sy tamin’ilay fisehoana mihariharin’ny fitahian’Andriamanitra ny vahoakany teo amin’ny endriky ny fitomboan’ilay Fanjakana. Nisy solontena vahiny sahabo ho 270 avy any amin’ny tany 16, tafiditra amin’izany na dia i Djibouti sy i Yémen aza. Nisy maherin’ny antsasany avy tany amin’ny ririnina any Eoropa sy Amerika Avaratra. Anisan’ireo mpitsidika ny mpikambana roa ao amin’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia i Lloyd Barry sy i Daniel Sydlik.
Ny fahaizana mandray vahiny nentin-drazana ao Etiopia niaraka tamin’ny fitiavana feno fahatsorana an’ireo rahalahy nitsidika, dia niteraka fihetsika safononoky ny hafaliana tsy tana sy hafanam-po izay nandresy ny fefin’ny fitenenana. Tsy fifandraisan-tanana fotsiny ny fiarahabana, fa fifamihinana sy fanorohana hatramin’ny inenina! Mpitsidika maro no efa namaky ny amin’ny asan’ilay Fanjakana tany Etiopia, ary nahafantatra fa ireo rahalahiny etiopiana dia mpihazona tsy fivadihana voazaha toetra izay niaritra tao anatin’ny fanaovana am-ponja sy ny fanenjehana tamin’ny endriny hafa.a Gaga anefa ireo solontena avy any ivelany nitsidika nahita tanora maro aoka izany nampiseho endrika falifaly sy fahalalam-pomba izay eo am-pihenana any amin’ny ankamaroan’ny tany amin’izao andro izao. Anabavy etiopiana maro no nanao ny akanjony nentin-drazana fotsy sy misy petakofehy natao tamim-pahaizana, izay nanampy tamin’ny fanomezana tena toetra mampiavaka ny fety.
Nampientam-po ilay batisa tamin’ny zoma. Nisy laharana lava be nisy olona 530 vao nanolo-tena, 10 ka hatramin’ny 80 taona, niitatra namaky ny antsasaky ny faritra filalaovana tao amin’ilay kianja. Betsaka kokoa tsy araka ny nanampoizana azy izany — maherin’ny 1 isaky ny Vavolombelona 7 ao amin’ilay tany. Izany ka porofon’ny fitahian’i Jehovah eo amin’ny vahoakany eto! Nisy ranomasom-pifaliana betsaka teo am-pahitana izany, izay nampian’ny hira kanto nataon’ireo solontena italiana maherin’ny 40. Maro no nieritreritra ilay teny ara-paminaniana ao amin’ny Isaia 60:5 manao hoe: “Ary hahita izany hianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao; fa ho entina ho anao ny haren’ny ranomasina, ary hafindra ho anao ny fananan’ny firenena.”
Antony manokana nahafaly
Nohantitranterina bebe kokoa ny fitahian’i Jehovah ny zoma, rehefa notsahivina indray tamin’ny fanadinadinana ilay fiandohana kelin’ny asan’ilay Fanjakana tany Etiopia. Izany dia notarihin’ny antokona misionera tany am-boalohany izay nanompo tany tamin’ireo taona 1950 sy 1970. Olona maherin’ny 8 000 no nandre an’i Ray Casson sy i John Kamphuis ary i Haywood Ward nilazalaza ny asa fampianarana ny Baiboly nataon’izy ireo nanomboka tamin’ny 14 Septambra 1950, fony izy ireo tonga tao Addis-Abeba. Ilay fitondram-panjakan’ny Emperora tamin’izany andro izany dia nitaky ny hiasan’izy ireo teo amin’ny fampianarana ankapobeny. Koa nanangana sekoly ho fampianarana ny olon-dehibe tao afovoan-tanàna izy ireo, dia fampianarana nanasongadina foto-kevitra maro isan-karazany. Tamin’ny fotoana nampahalalaka azy ireo anefa, ireo misionera ireo dia nitady izay hampandrosoana fampianarana iray izay nifantoka tamin’ny fampianarana araka an’Andriamanitra. Voatery nikely aina izy ireo mba hianarana ny fiteny amharique, fiteny sarotra manana abidy misy litera 250. Lasa ny tapa-taona teo ho eo vao nahavita nitarika ny fampianarany Baiboly tany an-tokantrano voalohany izy ireo. Sahabo ho 43 taona tatỳ aoriana, dia nifankahita tamin’olona teny amin’ny arabe izay nahatadidy azy, ireo mpampianatra tany an-tsekoly taloha ireo. Tamin’ilay fivoriambe anefa, dia faly izy ireo tafaray indray tamin’ny am-polony maro amin’ireo olona nampianariny ny Baiboly taloha izay nanjary natanjaka tamin’ny finoana. Ary ireo indray dia nampifankahalala azy tamin’ireo zanaka sy zafy ara-panahy azon’izy ireo manokana. — 1 Tesaloniana 2:19, 20.
Nitehaka naharitra ela ny mpanatrika falifaly sy tena nihaino tsara, tsy noho ilay fanadinadinana misionera taloha fotsiny fa noho ireo tatitra sy firarian-tsoa avy tany Alemaina, Angletera, Isiraely, Italia, Kanada, Kenya, sy Pays-Bas ary Etazonia — nentin’ireo solontena vahiny. Izany dia nanamafy indray ny firahalahiana feno fitiavana maneran-tany eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra. Ireo lahateny fototra nataon’ireo rahalahy voahosotra avy amin’ny Fitambara-mpitantana, mbamin’ireo vavaka tamim-pahatsorana nataony dia nanohina lalina ny fon’ny mpanatrika koa. Ireo tanora dia afaka nahita ny tenany tao amin’ireo olona tao amin’ilay fampisehoana tantara mikasika ny tanora izay mahatsiaro ny Mpamorona azy. Naseho tamin’ny fomba toy ny tena izy sy navitribitrika ilay fampisehoana tantara. Ho fanampin’ireo boky vaovao navoaka tamin’ny fiteny anglisy, dia niteraka hafanam-po be ny famoahana boky vaovao telo tamin’ny fiteny amharique.b
Nandritra ireo fotoam-piatoana sy ny fotoana hafa, dia nisy fahafahana tsara dia tsara nifankahalalana tamin’olona sarobidy maro. Teo amin’ny laharana voalohany mihitsy, ohatra, no nipetraka ilay mpitory antitra indrindra ao Etiopia, i Tulu Mekuria, nitondra tehina natao tanana. Tamin’ny taon-dasa, teo amin’ny faha-113 taona naha-ela nihetezana azy, dia natao batisa ho Vavolombelon’i Jehovah izy. Tamin’itỳ fivoriambe itỳ, dia faly izy nahita ny vadiny 80 taona nanaraka ny ohatra nomeny, ka tonga anabaviny ara-panahy koa. Nisy heriny tsara dia tsara teo amin’ny tanora ny naha-teo azy nandritra ny fandaharana manontolo. Iray tamin’izany i Yohanes Gorems, izay 16 taona sy mbola mpianatra kanefa dia efa nanompo nandritra ny efa-taona amin’ny maha-mpitory mpisava lalana maharitra. Nianatra nanararaotra ny andro azo anaovan-tsoa izy sy ny mpisava lalana hafa mbola tanora kokoa izay mbola mankany an-tsekoly, tamin’ny fitoriana aloha be amin’ny maraina eny an-dalana ho any an-tsekoly na tamin’ny fampiasana ny fotoam-pakan-drivotra sy aorian’ny firavana.
Ohatra ny amin’ny tsy fivadihana re izany!
Olona an-jatony maro tamin’ny mpanatrika no natao am-ponja sy nampijalijalina teo ambanin’ireo fitondram-panjakana teo aloha. Mieritreritra ny lasa, dia dimy taona toy izany tany am-ponja i Mandefro Yifru, kanefa izao izy dia mifaly amin’ny fanompoana ao Addis-Abeba, ao amin’ilay birao vao naorina izay mikarakara ny fandikan-teny sy ny fanaovana pirinty ary ny fandefasana entana. Ny tovolahy hafa iray manompo miaraka aminy, i Zecarias Eshetu, dia tsy niala tamin’ny tsy fivadihany valo taona lasa izay, fony novonoina ho faty ny rainy noho ny fitanany fialanalanana kristiana nandritra ny telo taona nanaovana azy am-ponja. Fony ny rainy nankany am-ponja, dia folo taona i Zecarias, iray tamin’ny zaza dimy mianadahy. I Meswat Girma sy i Yoalan zokiny vavy, izay eo amin’ny faramparan’ny maha-zatovo azy izao, ary mbola mianatra, dia tsy mahatadidy ny rainy afa-tsy amin’ny sary satria mbola kely dia kely izy ireo fony izy io novonoina tampoka noho ny fialanalanany. Nisy heriny tamin’izy ireo ny tsy fivadihan-drainy, ary samy manompo amin’ny maha-mpisava lalana maharitra izy mianadahy, toy ny nataon-drainy tamin’ny fotoana nahafatesany.
Mpitana ny tsy fivadihana hafa iray i Tamirat Yadette, izay manompo amin’ny maha-mpisava lalana manokana izao any amin’ny faritra kanto iray any Rift Valley. Noho ny fialanalanany kristiana, dia nandany telo taona tany amin’ny fonja fito samy hafa izy, indraindray nasiana gadra vy sy nokapohina mafy. Tany am-ponja anefa, dia nanampy olona maherin’ny roa ambin’ny folo izy hiandany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Natao am-ponja in-17 nandritra ireo taona naha-mpisava lalana manokana azy i Tesfu Temelso, izay manompo amin’ny maha-mpiandraikitra ny fizaran-tany izao. Misy holatra avy tamin’ireo fikapohana azy izy, kanefa dia mientam-po izy mahita fa misy kongregasiona any amin’ireo toerana nanendrena azy taloha. Nizaka fanaovana am-ponja sy halozana ny rahalahy sy anabavy am-polony maro tao amin’ny Kongregasiona Akaki, kanefa dia nitombo ho mpitory maherin’ny zato ilay kongregasiona. Nanorina ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah voalohany any Etiopia izy ireo. Avy tany Dese, tanàna iray ao anatin’ny faritra mahafinaritra, sahabo ho 300 kilaometatra any avaratry ny renivohitra dia nisy antokon’olona dimy mianaka tonga. Saiky maty izy ireo, ary nahita rahalahy iray teo an-toerana maty noho ny fampijalijaliana natao taminy. Ny loholona iray tamin’izy ireo, i Maseresha Kasa, dia nanazava fa naharitra fanaovana am-ponja nandritra ny enin-taona izy, tsy hoe noho izy manokana tamin’ny fomba iray, fa noho izy nianatra niantehitra tamin’i Jehovah fotsiny. — Romana 8:35-39; ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 8:1.
Na dia vao haingana kokoa aza, dia nisy hafa nampiseho ny fahatokiany tao anatin’ny fitsapana. Nisy antokon’olona maro be tonga tao amin’ilay fivoriambe, avy any amin’ny tany iray eo akaiky. Noho ny fialanalanan’izy ireo dia tsy nomena azy ireo ny fiarovan’ny polisy, ny taratasy fahazoan-dalana manao dia lavitra, ny taratasy fanamarinam-panambadiana, ny fitsaboana any amin’ny hopitaly, sy ny asa. Rehefa namely mafy ny ady tany akaikin’i Mesewa, seranana iray any Erythrée, eo amin’ny Ranomasina Mena, dia niaina nandritra ny efa-bolana teo ho eo tao ambany tetezana iva iray tany an’efitra ny kongregasiona iray manontolo, olona 39 tamin’ny fitambarany, anisan’izany ny ankizy, mba handosirana ny zera baomba nataon’ilay fitondram-panjakana teo aloha tamin’ny tranon’izy ireo. Tao amin’izany faritra nahamay sy tsy nisy ireo zavatra nilaina izany, dia ny fiaraha-mandinika ny teny natao hovakina isan’andro sy ireo fivoriana hafa no nanome azy ireo tanjaka lehibe sy fifikirana akaiky tamin’i Jehovah sy teo amin’izy samy izy. Nisy anabavy mpisava lalana manokana roa nanompo tany akaikin’ny loharanon’ny Nile Bleu, niaritra fandrahonan’ny mpirotaka sy fanorisorenana tsy an-kijanona nampirisihan’ny Eglizy Ortodoksa. Naharitra anefa izy mirahavavy, ary nahita olona maromaro nampianariny ny Baiboly nampiseho ny fanolorany tena tamin’ny batisa tamin’io fivoriambe io.
Ny rahalahy iray dia nitantara tamin’ny tsipiriany ny fisedrana nahazo azy tamin’ny fitokanana noho ny asany tany amin’ny faritra ngazana anatiny be any Ogaden, tsy lavitra an’i Somalia. Nitoetra ho velona ara-panahy izy tamin’ny fitoriana, ary avy eo dia tamin’ny fanaovana fivoriana niaraka tamin’ireo olona liana, anisan’izany ny dokotera, izay nandray soa tamin’ny fampianarana araka an’Andriamanitra ka izao dia mba mampianatra ny hafa kosa. Ohatra tsara dia tsara hafa iray teo amin’ny fitanana ny tsy fivadihana ny mpisava lalana manokana iray tany Addis-Abeba. Nikapoka azy tamin-kerisetra sy nihevitra azy ho maty ny mpirotaka nankasiahin’ny pretra ortodoksa, tamin’ny 1992. Soa ihany fa sitrana izy ary manohy manompo ao amin’io faritany io ihany. Ny tsiky miramirana eo amin’ny tavany dia mampiseho tsy fisian’ny lonilony. Ho azy sy ho an’ireo hafa rehetra voazaha toetra ary ho an’ireo vaovao, io Fivoriamben’ny Distrika “Fampianarana Araka An’Andriamanitra” io dia fetim-pifaliana.
Nizotra tsara ny fandaminan-javatra tamin’io fivoriambe io ka nahatonga ireo mpitsidika hieritreritra fa ireo mpiasa an-tsitrapo tafiditra tamin’izany dia efa nanana fanandraman-javatra an-taonany maro. Raha ny marina, dia nandroso haingana izy ireo nandritra ireo roa taona lasa. Nifarana haingana loatra ilay fivoriambe naharitra telo andro. Ny tampon’isan’ny mpanatrika tamin’ny asabotsy dia 9 556. Nanao tatitra tsara ny televiziona sy ny radiom-pirenena ary ireo gazety. Ny rehetra dia afaka nahita fa mampanankarena ara-panahy ny vahoakany i Jehovah. Ny mpanatrika izay nahafaoka olona liana an’arivony maro dia nanomboka nandray soa avy amin’ny “Fampianarana Araka An’Andriamanitra”. Misy saha midadasika mivoha ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’io tany misy mponina sahabo ho 50 tapitrisa io, ary ilay fivoriambe dia nanatanjaka ny rehetra teo amin’ny fahatapahan-keviny hampiasa ny fotoana sisa ho an’itỳ fandehan-javatra itỳ mba hanampiana ireo olona tso-po mba handray soa koa amin’ny fampianarana araka an’Andriamanitra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny Annuaire des Témoins de Jéhovah 1992, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
b Ny Fahatanoranao — Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany, Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra, Ny Vavolombelon’i Jehovah Tafaray mba Hanao ny Sitrapon’Andriamanitra Maneran-tany.
[Sary, pejy 23]
Addis-Abeba, 13-15 Janoary 1994
[Sary, pejy 24]
Antokona mpisava lalana ao Addis-Abeba (havanana); mpihazona tsy fivadihana izay samy efa natao am-ponja avokoa (ambany); Vavolombelona iray 113 taona sy ny vadiny