Fanatratrarana ny Karazan’olona Rehetra any Atena Amin’ny Andro Maoderina
REHEFA nitsidika an’i Atena ny apostoly Paoly tamin’ny 50 am.f.i. tany ho any, dia mbola foibe ara-barotra lehibe ihany ilay tanàna, na dia tsy nanana intsony ny voninahiny fahiny aza izy io. Hoy ny asa soratra ara-tantara iray: “Nitohy ho foibe ara-panahy sy ara-zavakanto ho an’i Grisia i [Atena], ary koa ho toerana faniry indrindra ho an’ny fitsidihana olona nahita fianarana sy nahery tamin’izany vanim-potoana izany.”
Fony izy tany, i Paoly dia azo inoana fa nanana fahafahana nitory tamin’ny Jiosy sy ny Ateniana mpanompo sampy ary tamin’ny olona avy tamin’ny toerana maro samy hafa. Noho izy mpampianatra mailo sy mahay, dia nilaza izy tao amin’ny lahateny iray fa Andriamanitra dia nanome “[ny olona rehetra, NW ] aina sy fofon-aina” sady izy no nanao “ny firenena rehetra avy amin’ny iray ihany” ary “ny olona rehetra amin’izao tontolo izao [dia tokony] hibebaka”, satria izy hitsara “ny tany onenana” (NW ). — Asan’ny Apostoly 17:25-31, izahay no manao sora-mandry.
Faritany misy karazan’olona maro
Tao anatin’ny am-polony taona faramparany, dia nanjary tanàna nanintona olona hatraiza hatraiza indray i Atena. Nisy diplaomaty sy miaramila tonga tamin’ny naha-anisan’ny ira-panjakana any an-tany hafa. Misy zatovo avy atsy Afrika sy avy any Moyen-Orient manorim-ponenana any amin’ny maha-mpianatry ny oniversite. Nirohotra koa ireo mpiasa mpiavy avy any amin’ireo tany atsy Afrika sy avy any Azia ary Eoropa Atsinanana. Misy Philippins sy olon-kafa maro avy any Azia Atsimo Atsinanana, tonga mitady asa amin’ny maha-mpiasa an-trano. Ary misy ny fahatongavan’ny mpialokaloka tsy tapaka avy any amin’ireo tany eny akaiky sy faritra misy korontana manerana ny bolan-tany.
Manolotra zava-tsarotra ho an’ny mpitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana eo an-toerana io tarehin-javatra io. Miteny anglisy ny ankamaroan’ny mpanorim-ponenana tsy maharitra, kanefa tsy miteny afa-tsy ny fitenin-drazany ny sasany. Mampiseho fiaviana ara-kolontsaina sy ara-pivavahana maro samy hafa ireo olona ireo. Eo amin’ireo mpitsidika dia ahitanao olona milaza tena ho Kristiana, Silamo, Hindoa, Bodista, animista, agnostiques, sy tsy mpino an’Andriamanitra. Tsy maintsy mianatra mampifanaraka ny fomba fampisehony hifanentana amin’ny fiaviana maro samihafan’ireo olona ireo, ny Vavolombelon’i Jehovah.
Koa satria maro amin’ireo olona vao tonga ireo no nandia fotoan-tsarotra, dia matetika izy ireo no manana fanontaniana momba ny hevitry ny fiainana sy ny fahatsinjovan-javatra amin’ny hoavy. Manana fiheverana ambony ny amin’ny Baiboly ny sasany ka tsy sahirana manaiky izay lazain’izy io. Ny ankabeazan’ny olona ao amin’io faritany misy karazan’olona maro io dia manetry tena sy mandefitra ary noana ny fahamarinana. Mahatsiaro tena ho afaka kokoa hikaroka ny fahamarinana izy ireo, satria lavitra ny fianakaviany sy ny fiaraha-monina any aminy.
Nalamina ny kongregasiona anglisy voalohany any Atena tamin’ny 1986 mba hiasa io faritany io. Nahatalanjona ny fitomboana. Nandritra ny dimy taona farany, dia olona vaovao tokony ho 80 no natao batisa. Ho vokany dia naorina tany Atena ny kongregasiona arabo iray sy ny kongregasiona poloney iray ary, nandritra ny fotoana sasany, dia ny groupe frantsay iray. Nisy olona sasany avy tao amin’ny kongregasiona anglisy nifindra mba hanampy ny kongregasiona sy groupes hafa toy ireny tany Tesalonika, any avaratra, tany Heraklion, any Kreta, sy tany Pirée, seranan-tsambon’i Atena. Ho tianao ve ny hahafantatra ny sasany amin’ireo vahiny izay nianatra ny fahamarinana tany Atena?
Tonga ireo olona faniry amin’ny firenena
I Thomas dia teraka tany Asmara, any Erythrée, ary nihalehibe tamin’ny naha-Katolika nafana fo. Teo amin’ny faha-15 taonany izy dia niditra tao amin’ny monasitera iray. Hoy ny fanontaniany tamin’ny lehiben’ilay monasitera: “Ahoana no hetezan’ny hoe Andriamanitra iray dia Andriamanitra telo?” Hoy ny navalin’ilay lehibe: “Noho isika manaiky izay lazain’ny papa momba ny zavatra ara-panahy. Ambonin’ny zava-drehetra, dia mistery iray izany, ary tanora loatra ianao ka tsy hahatakatra izany.” Taorian’ny nipetrahany dimy taona tao amin’ilay monasitera, dia niala i Thomas, diso fanantenana sy kivy noho ny fitondran-tenan’ny eglizy sy ny fampianarany. Na dia izany aza, dia tsy nahafoy ny fitadiavany an’ilay Andriamanitra marina izy.
Indray andro, taoriana kelin’ny nifindrany nankany Atena, dia hitany teo am-baravarany Ny Tilikambo Fiambenana iray, nanana ny loha hevitra teo amin’ny fonony hoe “Mety ho Azonao ny Fahasalamana sy ny Fahasambarana”. Namaky azy io imbetsaka izy. Tao amin’io gazety io ihany, dia novakiny fa tokony hikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany aloha isika. (Matio 6:33). Nandohalika i Thomas ka nangataka tamin’Andriamanitra mba hampiseho azy ny fomba hanaovana izany, sady nampanantena hoe: “Raha asehonao ahy ny fomba hikatsahana ny Fanjakanao, dia hanokana enim-bolana amin’ny fiainako aho hianarana ny fomba hanompoana anao.” Ny herinandro fahefatra taorian’izay, dia nisy Vavolombelona roa nandondona teo am-baravarany. Avy hatrany i Thomas dia nanaiky hianatra Baiboly ary, folo volana tatỳ aoriana, dia natao batisa izy. Hoy izy: “Tena namaly tokoa ny vavaka nataoko i Jehovah, ary nanome ahy ny fahafahana ho tonga iray amin’ny Vavolombelony izy. Ankehitriny ny fitiavany dia manosika ahy hikatsaka ny Fanjakany sy ny fahamarinany eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainako.”
Fony izy ireo nitory isan-trano, dia nahita anarana vahiny teo akaikin’ny sonnerie iray ny Vavolombelona roa hafa.
“Inona no tadiavinareo?”, hoy ny feon’ny vehivavy iray teo amin’ny fitaovam-pampifandraisana.
Nilaza ny iray tamin’ireo Vavolombelona fa niezaka hitady olona miteny anglisy izay liana amin’ny Baiboly, izy ireo.
“Inona no fivavahanareo?”, hoy ny fanontanian’ilay ramatoa.
“Vavolombelon’i Jehovah izahay.”
“Hay! Tsara izany! Miakara atỳ amin’ny rihana farany ambony.”
Nanao izany izy ireo, ary rehefa nisokatra ny varavaran’ny ascenseur, dia nisy lehilahy goavana iray nampiseho fihetsika somary nanohitra nitsangana teo. Niteny mafy avy tao an-trano anefa ilay vehivavy.
“Avelao ry zareo hiditra. Maniry ny hiresaka aminy aho.”
Hay ilay ramatoa nitety an’izao tontolo izao niaraka tamin’ny ekipan’ny mpanao fanatanjahan-tena nisy ny vadiny, ary vao omalin’iny izy no nivavaka mba hahita ny Vavolombelon’i Jehovah. Koa natomboka avy hatrany ny fianarana Baiboly. Koa satria voafetra ny fotoana hipetrahan’izy ireo tany Gresy, dia nalamina ny fianarana intelo isan-kerinandro, ary vita tao anatin’ny folo herinandro monja ny boky Hiaina Mandrakizay.
Nitondra azy ireo niverina tany Gresy ny vanim-potoam-panatanjahan-tena nanaraka. Nanohy indray ny fianarany ilay vehivavy ary nanao fandrosoana faran’izay tsara. Taorian’ny roa volana, dia niaraka tamin’ny Vavolombelona tamin’ny asa fitoriana tamin’ny naha-mpitory tsy vita batisa izy ary vetivety dia nanomboka ny fampianarany Baiboly voalohany. Niaraka tamin’iza? Niaraka tamin’ny vadiny, izay tena niaiky volana ny amin’ny Vavolombelona sy ny fiovana teo amin’ny vadiny.
I Allan, zanaka pasitera protestanta iray dia nihalehibe tatsy Afrika Atsimo. Hatramin’ny tena fahakeliny, dia niaiky izy fa fanambarana ara-tsindrimandry avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Tsy afa-po tamin’ny fivavahany izy ka nitodika tany amin’ny filozofia sy ny politika, kanefa izany dia nahatonga azy hahatsapa mbola tsy nisy toy izany ny fiainany ho tsy nisy vidiny. Taorian’ny nifindrany nankany Gresy, dia nitombo ny fahatsapany ny fiainany ho tsy nisy vidiny. Nihevitra izy fa tsy nisy zava-kendrena ny fiainany, ary teo amin’ny lalana tsy nitarika na ho aiza na ho aiza izy.
Nisy zava-nitranga indray alina. “Nandohalika aho ary nanokatra ny foko tamin’Andriamanitra”, hoy ny fitantaran’i Allan. “Tamin’ny ranomason’alahelo noho ny lalam-piainako, dia nitalaho tamin’Andriamanitra aho mba hitarika ahy ho amin’ireo mpanaraka azy marina. Nampanantena aho fa handeha amin’ny fahazavan’ny fitarihany.” Tao anatin’ilay herinandro, dia tao amin’ny fivarotana iray izy ary tafaresaka tamin’ilay tompony, vehivavy iray, izay, hay, Vavolombelona. Voaporofo ho fisehoan-javatra nitondra fiovana lehibe teo amin’ny fiainan’i Allan io resaka io. “Tamin’ireo andro nanaraka izany, dia nirodana ireo zavatra ninoako nankamamiko: Trinite, afobe mirehitra, tsy fetezan-ko fatin’ny fanahy [âme] — ireo rehetra ireo dia mazava fa tsy fampianarana ao amin’ny Baiboly.” Tany amin’ny Efitrano Fanjakana, dia nisy mpivady Vavolombelona nanolotra ny hianatra ny Baiboly hiaraka taminy. Nanaiky izy ka nanao fandrosoana haingana. “Nahatonga ahy handrotsaka ranomasom-pifaliana ny fahamarinana”, hoy ny tsaroan’i Allan, “ary nanafaka ahy izy io.” Herintaona tatỳ aoriana dia natao batisa izy. Amin’izao andro izao dia faly izy manompo amin’ny maha-mpanampy amin’ny fanompoana ao amin’ny kongregasiona eo an-toerana.
I Elizabeth dia avy atsy Nizeria, izay nitadiavany an’Andriamanitra tao amin’ny fiangonana maro samihafa, kanefa mbola tsy afa-po ihany izy. Ny tena nampihorohoro azy indrindra dia ny fampianarana ny amin’ny fampijaliana mandrakizay ao amin’ny afobe mirehitra. Rehefa tonga tany Atena niaraka tamin’ny fianakaviany izy, dia nisy Vavolombelona roa nitsidika teo am-baravarany, ary natomboka ny fianarana Baiboly. Nientam-po i Elizabeth nianatra fa tsy mampijaly olona Andriamanitra, fa tena manome kosa ny fanantenana fiainana mandrakizay eo amin’ny tany zary paradisa izy. Bevohoka ny zanany fahefatra, izay tiany hesorina, izy. Tamin’izay izy dia nianatra avy tao amin’ny Baiboly ny fomba fihevitr’i Jehovah momba ny fahamasinan’ny aina. Ankehitriny izy dia manana zanakavavy iray mahafatifaty. Nandroso haingana dia haingana i Elizabeth ary tsy ela dia natao batisa. Na dia manan-janaka efatra sy asa manontolo andro aza izy, dia afaka manao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy saika isam-bolana. Notahina izy nahita ny vadiny nanomboka nianatra ny Baiboly. Hoy izy: “Hitako tamin’ny farany ilay Andriamanitra marina sy ny fanompoam-pivavahana marina, noho fanampian’i Jehovah sy ny fandaminany be fitiavana.”
Olona maro ao amin’io faritany ahitana karazan’olona maro io no hita amin’ny fanaovana fanambarana eny amin’ny arabe, kanefa mitaky faharetana ny fampitomboana ny fahalianan’izy ireo. Toy izany no nitranga tamin’ny zatovovavy iray antsoina hoe Sallay, avy atsy Sierra Leone. Nisy Vavolombelona iray nanome azy taratasy mivalona sy nahazo ny adiresiny ary nandamina ny hanaovana fitsidihana azy. Liana i Sallay ary nanaiky fampianarana Baiboly, kanefa noho ny fanerena avy tamin’ny asa sy ny zava-manahirana hafa, dia tapatapaka ilay izy. Avy eo izy dia nifindra tampoka, kanefa tsy nanome adiresy vaovao. Naharitra ilay Vavolombelona tamin’ny fankanesana tany amin’ilay adiresy taloha, ary tamin’ny farany i Sallay dia nandefa hafatra ho an’ilay Vavolombelona mba ho tonga tany amin’ny tranony vaovao.
Nanjary tsy dia tapaka firy ilay fianarana izao, na dia teo amin’ireo volana farany nitondrany vohoka aza i Sallay. Taorian’ny nahaterahan’ilay zaza, dia tonga mpitory tsy vita batisa i Sallay. Na dia toa mora aza izany rehetra izany, dia tsy izany akory no izy. Amin’ny 6.30 maraina izy dia tsy maintsy vonona handeha aotobisy antsasak’adiny mba hitondrana ny zanany ho any amin’ny akanin-jaza, narahin’ny fandehanana aotobisy adiny iray fanampiny mba hankanesana any am-piasana. Aorian’ny fiasany any amin’ilay asa fanadiovana, dia manao ny dia miverina mankany an-tranony izy. Amin’ireo fivoriana amin’ny alina, na rehefa mankany amin’ny fanompoana eny amin’ny saha izy, dia mandeha aotobisy adiny iray fanampiny isaky ny mandeha, na dia eo aza ny fanoherana avy amin’ny vadiny. Raha mbola nampiseho fitiavana sy faharetana taminy izy, dia nandroso ka tonga hatramin’ny fanoloran-tena sy ny batisa. Ahoana ny amin’ny vadiny? Nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy izy ary nanaiky hianatra Baiboly.
Notahina tamin’ny vokatra tsara dia tsara
Ho an’ny ankamaroan’ireny olona ireny, dia tsy maharitra ny fipetrahany any Atena. Maro no miverina any amin’ny tany niaviany mba hizara ny vaovao tsara amin’ny havana aman-tsakaiza. Ny hafa dia mifindra mankany amin’ny tany tandrefana ary manohy manompo an’i Jehovah. Ireo izay mijanona any Gresy dia mahita vokatra tsara dia tsara manao fanambarana amin’ireo mpiray firenena aminy izay nifindra monina nankany koa. Amin’ny tarehin-javatra hafa, dia tsy nanjary namoa ny voan’ny fahamarinana raha tsy taorian’ny nifindran’ny mpitsidika nankany an-tany hafa ka nitsidihan’ny Vavolombelona azy ireo.
Izany rehetra izany dia manaporofo fa tsy mizaha tavan’olona i Jehovah. Manaiky ny olona avy amin’ny firenena rehetra izay matahotra azy sy tia ny fahamarinana izy. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35). Ho an’ireny olona toy ny ondry ireny, dia niteraka fitahiana lehibe lavitra noho izay nantenainy ny fifindrany nankany an-tany hafa — fahalalana an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, sy ny fampanantenany fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao marina iray. Eny, tena nitahy tokoa tamin’ny fomba tondraka ny ezaka mba hanatratrarana olona miteny vahiny any Atena amin’ny andro maoderina, i Jehovah!
[Sary, pejy 16]
Mandre ny vaovao tsara any Atena ny olona avy any amin’ny tany maro