Fisehoan-javatra Iray Tsy Tokony Havelanao Handalo Fotsiny
“Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra” dia midina avy amin’Andriamanitra, ilay Raintsika any an-danitra. (Jakoba 1:17). Ny fanomezana lehibe indrindra nomen’Andriamanitra ny olombelona mpanota dia ny fandaharana ho amin’ny fanarenana azy ireo amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, Zanany lahitokana. Mahatonga hety ny fiainana mandrakizay eo amin’ny tany zary paradisa ny nahafatesan’i Jesosy tamin’ny naha-Mpanavotra antsika azy. Ao amin’ny Lioka 22:19 dia didiana isika hahatsiaro ny nahafatesany.
Manasa anao amim-pitiavana ny Vavolombelon’i Jehovah mba hiara-mitandrina aminy ny didin’i Jesosy. Hatao aorian’ny filentehan’ny masoandro, amin’ny daty mifanitsy amin’ny 14 Nisana amin’ny kalandrie araka ny volana ao amin’ny Baiboly, dia ny talata 2 Aprily 1996, io fankalazana isan-taona io. Mariho io daty io mba tsy hanadinoanao azy. Afaka milaza aminao ny toerana sy ny fotoana marina hanaovana ilay fivoriana ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana.