Hajaina ny Zon’ny Marary
‘Tsy misy fomba ahafahako manao io fandidiana io raha tsy misy ra. Raha tianao ny hodidiana dia tsy maintsy manaiky ny fomba fitsaboako ianao. Raha tsy izany, dia tsy maintsy mitady dokotera hafa ianao.’
TSY nampihozongozona ny finoan’i Cheng Sae Joo, Vavolombelon’i Jehovah iray izay mipetraka any Thaïlande, ny tenin’ilay dokotera. Voalaza ho nanana méningiome, karazana fivontosana ao amin’ny atidoha, i Cheng, ka nila mafy fandidiana. Tapa-kevitra anefa izy ny hankato ny didin’ny Baiboly hoe: ‘Mifadia ny ra’. — Asan’ny Apostoly 15:28, 29.
Nandeha nijery hopitaly hafa roa i Cheng, satria naleony notsaboina tao amin’ny taniny ihany raha azo atao. Diso fanantenana izy satria nanda ny handidy koa ireo dokotera tany raha tsy misy ra. Tamin’ny farany dia nampifandraisin’ny Sampan’asan’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly (SFH) tany Thaïlande tamin’ny Institut Neurologique an’ny Tokyo Women’s Medical College, i Cheng. Io hopitaly io dia nitsabo marary maherin’ny 200 nanana fivontosana tao amin’ny atidoha, tamin’ny fampiasana taratra gamma, iray amin’ny fandrosoana vao haingana indrindra amin’ny fitsaboana amin’ny alalan’ny taratra.
Nisy fandaharana natao mba hiarahan’i Cheng nipetraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah nonina teo akaikin’ilay hopitaly. Nitsena azy teny an-tseranam-piaramanidina ny antokona Vavolombelon’i Jehovah, nisy roa niteny thaï ary solontenan’ny SFH iray. Tokony ho herinandro taorian’ny nanaovana ireo fizahana, dia naiditra hopitaly i Cheng mba hotsaboina amin’ny taratra gamma. Naka tokony ho adiny iray monja ilay fanaovan-javatra. Nivoaka ny hopitaly i Cheng ny ampitso ary teny an-dalana nody nankany Thaïlande ny afaka ampitson’iny.
“Tsy nahazo an-tsaina velively aho hoe hisy fanampiana be dia be aoka izany ho azo nomena tamin’ny alalan’io fandaharana io”, hoy i Cheng. “Tena voatohina tamin’ny fitiavana izay naseho tamiko aho ary koa tamin’ny fiaraha-miasa teo amin’ireo andaniny maro voakasika.”
Nanome izao fanazavana izao ilay gazety japoney hoe Mainchi Shimbun rehefa nanao tatitra momba io vaovao io: “Hatramin’izao, dia ireo antony ara-pivavahana handavana ny fampidiran-dra no nasongadina. Kanefa, misy ireo voka-dratsin’ny fampidiran-dra, toy ny SIDA, ny mety hahazoana aretina entin’ny viriosy toy ny hépatite C sy ireo tsy fahazakan-javatra (allergies). Noho izany antony izany, dia misy marary tsy maniry hampidirana ra na inona na inona zavatra inoany ara-pivavahana.”
Mbola nanambara toy izao koa ilay gazety: “Marary maro izay tsy nety nandray fampidiran-dra no voatery niova hopitaly, nefa ireo fikambanana ara-pitsaboana no mila miova eo anoloan’ny safidin’ilay marary. Takina ny fanekena atao amim-pahalalana tsara (mahazo fanazavana feno ny amin’izay tafiditra ny marary iray ary avy eo manaiky ny fitsaboana), ary tsy avahana ny fampidiran-dra. Tokony hekena fa io dia tsy raharaha iadian-kevitra mahatafiditra fivavahana manokana iray.”
Tahaka an’i Cheng Sae Joo, dia tsy maintsy mifindra any amin’ny hopitaly hafa ireo olona maro izay mifidy ny fitsaboana tsy misy fampidiran-dra. Na dia izany aza, izy ireo dia mankasitraka ny ezaka ataon’ireo dokotera izay vonona hanaja ny zon’ireo marariny.
Ny Sampan’asan’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly dia natsangan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ireo sampan’ny Fikambanana Watch Tower mba hitadiavana ny fiaraha-miasa avy amin’ireo dokotera izay manaja ireo zavatra inoany. Maneran-tany, ny SFH dia manorina fifandraisam-piaraha-miasa amin’ireo hopitaly, ireo dokotera, ireo mpiasa mikarakara ny fahasalamana, ireo mpisolovava sy ireo mpitsara.