Filemona sy Onesimosy — Tafaray tao Amin’ny Firahalahiana Kristiana
NISY zava-nanahirana nitaky fitandremana teo amin’ny lehilahy roa, ka mivaofy ny amin’izany ny iray amin’ireo taratasin’i Paoly ara-tsindrimandrin’Andriamanitra. I Filemona ny iray, ary i Onesimosy ilay hafa. Iza moa ireo lehilahy ireo? Inona no nahatonga an’i Paoly ho liana tamin’ny toe-javatra nisy azy ireo?
Nipetraka tany Kolosia, tany Azia Minora, i Filemona, izay naharay ilay taratasy. Tsy sahala amin’ireo Kristiana hafa tao amin’io faritra io i Filemona, fa nahafantatra tsara an’i Paoly, satria nanaiky ny vaovao tsara izy noho ny asa fitoriana nataon’ilay apostoly. (Kolosiana 1:1; 2:1). ‘Malala sy mpiara-miasa’ no nahafantaran’i Paoly azy. Ohatra teo amin’ny finoana sy ny fitiavana i Filemona. Tia nandray vahiny sy loharanom-pamelombelomana ho an’ireo Kristiana hafa izy. Toa lehilahy nanankarena koa i Filemona, satria lehibe ihany ny tranony matoa nanaovana fivorian’ny kongregasiona teo an-toerana. Nisy nanipy hevitra hoe mety ho vadiny sy zanany lahy, i Apia sy i Arkipo, olon-kafa roa resahina ao amin’ilay taratasin’i Paoly. Nanana andevo iray fara fahakeliny i Filemona, dia i Onesimosy. — Filemona 1, 2, 5, 7, 19b, 22.
Nandositra tany Roma
Tsy lazain’ny Soratra Masina amintsika hoe nahoana i Onesimosy no tany amin’ny 1 400 kilaometatra mahery avy eo amin’ny tranony, niaraka tamin’i Paoly tany Roma, izay toerana nanoratana ilay taratasy ho an’i Filemona, tokony ho tamin’ny 61 am.f.i. Nilaza toy izao tamin’i Filemona anefa i Paoly: “Raha nanao izay tsy marina taminao [i Onesimosy], na mitrosa, dia ataovy ho ahy izany”. (Filemona 18). Asehon’ireo teny ireo mazava fa nanan-java-nanahirana tamin’i Filemona tompony, i Onesimosy. Ny hampihavana indray azy roa lahy no nanoratana ilay taratasin’i Paoly.
Nisy nanipy hevitra hoe lasa nandositra i Onesimosy rehefa avy nangalatra tamin’i Filemona mba hiantohana ara-bola ny fandosirany tany Roma. Nitetika ny tsy ho hita tao anatin’ny vahoaka sesehena izy tany.a Teo amin’ny tontolo grika romana, ireo olona nandositra dia nahatonga olana lehibe, tsy ho an’ireo tompon’andevo ihany, fa ho an’ny fitantanan-draharaham-bahoaka koa. I Roma mihitsy aza dia voalaza fa “nalaza ratsy ho fialofana nahazatra” an’ireo andevo nandositra.
Ahoana no nihaonan’i Paoly tamin’i Onesimosy? Tsy lazain’ny Baiboly amintsika izany. Rehefa tsy vaovao taminy intsony anefa ilay fahafahana azony, dia azo inoana fa takatr’i Onesimosy hoe nidi-kizo tao anatin’ny toe-javatra faran’izay nampidi-doza izy. Tao amin’ny tanànan’i Roma, dia nisy andiana polisy manokana nanao haza lambo ireo andevo nandositra, izay nanao heloka anisan’ny lehibe indrindra fantatra teo amin’ny lalàna fahiny. Araka ny nolazain’i Gerhard Friedrich, “dia nasiana tomboka tamin’ny vy mahamay ny handrin’ireo andevo nandositra nefa tratra. Matetika izy ireo no nampijalijalina (...) natsipy ho an’ny biby tao amin’ny kianja filalaovana, na nofantsihina teo amin’ny lakroa mba hanakiviana ireo andevo hafa tsy hanahaka ny ohatr’izy ireo”. Azo inoana, hoy ny hevitra natsipin’i Friedrich, fa rehefa avy nandany tanteraka ilay vola nangalarina i Onesimosy, ka sasa-poana nitady toeram-piafenana na asa, dia nangataka ny fiarovana sy ny fisalovanan’i Paoly satria efa reny tany an-tranon’i Filemona ny momba azy.
Ny hafa dia mino fa ninia nandositra tany amin’ny iray amin’ireo naman’ny tompony i Onesimosy. Nanantena mantsy izy fa noho ny fisalovanan’io no mety hahatsara fihavanana azy indray amin’ny tompony izay tezitra taminy ara-drariny noho ny antony hafa tsy voalaza. Asehon’ny loharanon-kevitra ara-tantara fa izany dia “fangataham-panampiana nahazatra sy niely patrana teo amin’ireo andevo tra-pahasahiranana”. Raha izany no izy, hoy ilay manam-pahaizana atao hoe Brian Rapske, dia “azo inoana kokoa fa natao mba hanamora ny fahatongavany teo anatrehan’i Paoly izay mpanelanelana”, ilay halatra nataon’i Onesimosy, “fa tsy natao hoentina handositra”.
Nanampy i Paoly
Na inona na inona anton’ilay fandosirana, dia niharihary fa nitady ny fanampian’i Paoly i Onesimosy mba hihavanana indray tamin’ilay tompony tezitra. Nahatonga zava-nanahirana ho an’i Paoly izany. Indro andevo iray izay tsy mpino taloha no sady olona nandositra nanao heloka bevava. Tokony hanandrana hanampy azy ve ilay apostoly, ka handresy lahatra namana kristiana iray mba tsy hampiharan’io ny zony ara-dalàna hampihatra sazy mafy? Inona no hataon’i Paoly?
Tamin’ny fotoana nanoratan’i Paoly ho an’i Filemona, dia niharihary fa efa niaraka tamin’ilay apostoly nandritra ny fotoana kelikely ilay nandositra. Naharitra ela ihany izany matoa i Paoly nilaza fa ‘rahalahy malala’ i Onesimosy. (Kolosiana 4:9). “Eny, miangavy aminao aho ny amin’ny zanako, izay naterako teto amin’ny fifatorako”, hoy i Paoly, raha niresaka ny amin’ny fifandraisany manokana ara-panahy tamin’i Onesimosy, izy. Tamin’ireo vokany rehetra nety ho nitranga, dia tsy maintsy ho izany no tsy nampoizin’i Filemona indrindra. Nolazain’ilay apostoly fa ilay andevo izay “tsy nahasoa” fahiny, dia niverina, ary efa rahalahy kristiana. Izao i Onesimosy dia “ahitan-tsoa”, na “mahasoa”, ka amin’izany izy dia hiaina mifanaraka amin’ny dikan’ny anarany. — Filemona 1, 10-12.
Nanjary tena nahasoa an’ilay apostoly voafonja i Onesimosy. Raha ny marina, dia tokony ho nihazona azy tany i Paoly, saingy tsy vitan’ny hoe ho nandika lalàna izy tamin’izany, fa ho nanitsakitsaka ny zon’i Filemona koa. (Filemona 13, 14). Nanondro an’i Onesimosy ho “rahalahy mahatoky sy malala izay avy aminareo” i Paoly tao amin’ny taratasy iray hafa nosoratana tokony ho tamin’izay fotoana izay ihany, ho an’ilay kongregasiona nivory tao an-tranon’i Filemona. Milaza izany fa efa nanome porofon’ny naha-mendri-pitokiana azy, i Onesimosy. — Kolosiana 4:7-9.b
Nampirisika an’i Filemona mba handray amin-katsaram-panahy an’i Onesimosy, i Paoly, fa tsy nampiasa ny fahefan’apostoly kosa mba handidiana azy hanao izany, na hanafaka ilay andevony. Noho ny fisakaizan’izy ireo sy ny fifankatiavany, dia nahazo antoka i Paoly fa “hanao mihoatra” noho izay nangatahana taminy, i Filemona. (Filemona 21). Navela ho tsy mazava ny tiana holazaina tamin’ny hoe “mihoatra” satria i Filemona irery ihany no masi-mandidy ara-drariny amin’izay tokony hatao amin’i Onesimosy. Misy mandray ny tenin’i Paoly ho toy ny fangatahana an-kolaka ny ‘hampiverenana’ ilay nandositra ‘mba hahafahany hanohy hanampy an’i Paoly araka ny efa natombony’.
Nanaiky ny fiangavian’i Paoly momba an’i Onesimosy ve i Filemona? Toa tsy isalasalana fa nanao izany izy, na dia mety ho nahasosotra an’ireo Kolosiana hafa nanana andevo aza izany. Mety ho naleon’izy ireny nahita an’i Onesimosy nahazo sazy faran’izay henjana mba hanakiviana ny andevon’izy ireo manokana tsy hanahaka ny ohatra navelany.
Onesimosy — Lehilahy niova
Na ahoana na ahoana, dia nanana toetra vaovao i Onesimosy rehefa niverina tany Kolosia. Noho ny fisainany voaovan’ny herin’ny vaovao tsara, dia tsy isalasalana fa tonga mpikambana nahatoky tao amin’ilay kongregasiona kristiana tao amin’io tanàna io izy. Tsy voambara ao amin’ny Soratra Masina raha nafahan’i Filemona na tsia i Onesimosy, tamin’ny farany. Raha jerena amin’ny lafiny ara-panahy anefa, dia tonga olona afaka ilay nandositra taloha. (Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 7:22.) Mitranga ny fiovana mitovy amin’izany amin’izao andro izao. Rehefa mampihatra ny foto-pitsipiky ny Baiboly eo amin’ny fiainany ny olona, dia miova ny toe-piainana sy ny toetra. Ireo izay noheverina fa tsy nahasoa ny fiaraha-monina teo aloha, dia ampiana mba ho tonga olom-pirenena modely.c
Nanova zavatra tokoa ny fiovana ho amin’ny finoana marina! Na dia “tsy nahasoa” an’i Filemona aza ilay Onesimosy taloha, ilay Onesimosy vaovao kosa dia tsy isalasalana fa niaina nifanaraka tamin’ny anarany tamin’ny naha-olona ‘nahitana tombontsoa’ azy. Ary azo antoka fa fitahiana ny nahatafaray an’i Filemona sy Onesimosy tao amin’ny firahalahiana kristiana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny lalàna romana dia namaritra ny servus fugitivus (andevo nandositra) ho ‘olona nandao ny tompony, ka mikasa ny tsy hiverina intsony’.
b Tamin’io dia niverina tany Kolosia io, i Onesimosy sy i Tykiko dia toa nanankinana ny telo tamin’ireo taratasin’i Paoly, izay anisan’ny kanônan’ny Baiboly ankehitriny. Ho fanampin’io taratasy ho an’i Filemona io, dia teo ny taratasin’i Paoly ho an’ny Efesiana sy ny ho an’ny Kolosiana.
c Mba hahitana ohatra, jereo aza fady ny Mifohaza! tamin’ny 8 Jolay 1996, pejy faha-18-23; 8 Martsa 1997, pejy faha-11-13; Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Novambra 1989, pejy faha-30-31; 15 Febroary 1997, pejy faha-21-24.
[Efajoro, pejy 30]
Andevo teo Ambanin’ny Lalàna Romana
Teo ambanin’ny lalàna romana nanan-kery tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., ny andevo iray dia teo ambany fahefan’ny tompony tanteraka, ka tsy afa-niala tamin’ny fanaovan’io izay danin’ny kibony sy ny filan-dratsin’ny nofony ary ny toe-pony. Araka ilay mpivaofy teny atao hoe Gerhard Friedrich, “dia tsy olona akory ny andevo, raha ny tena izy sy araka ny lalàna, fa zavatra izay azon’ny tompony ampiasaina amin’ny fomba tsy voafetra. (...) Nampitovina torosy tamin’ny biby fiompy sy ny fitaovam-piasana [izy], ary tsy nasiana fiheverana teo amin’ny lalàna sivily”. Tsy afaka nangataka onitra ara-dalàna noho ny tsy rariny nozakainy izy. Raha tsorina, dia tsy maintsy nanatanteraka fotsiny ny baikon’ny tompony izy. Tsy nisy fetra ny sazy nety ho nampiharin’ny tompo tezitra iray. Nampihatra ny fahefany hahafaty na hahavelona izy, na dia noho ny fahadisoana madinika aza.*
Na dia nety ho nanana andevo an-jatony maro aza ny mpanan-karena, dia nety ho nanana roa aman-telo, na dia ny ankohonana somary tsotsotra aza. “Faran’izay maro karazana ny asa notontosain’ireo andevo an-trano”, hoy ilay manam-pahaizana atao hoe John Barclay. “Tao ny andevo mpikojakoja trano, mpahandro, mpandroso sakafo, mpanadio, iraka mpitondra hafatra, mpitaiza zaza, mpampinono, sy mpiasa an-trano nanao zavatra maro, manginy fotsiny ireo nanao asa nilam-pahaizana, izay nety ho hita tany amin’ireo trano lehibe kokoa sy nanankarena kokoa. (...) Raha lazaina araka ny tena izy, ny hatsaran’ny fiainan’ny andevo an-trano iray dia niankina be dia be tamin’ny toetran’ilay tompo, ary nety ho nahasoa na nanimba izany: nety ho niteraka fizakana karazam-pahoriana tsy nanam-petra ny naha-teo akaikin’ny tompo iray lozabe, kanefa kosa ny tompo iray tsara fanahy sy malala-tanana dia nety ho nahatonga ny fiainana ho azo zakaina sy hisy fanantenana. Misy ohatra malaza ny amin’ny fitondrana tamin-kalozana, voarakitra ao amin’ireo haisoratra kilasika, kanefa eo koa ireo soratra maro be nanambarana ny fisian’ny fihetseham-po mafana teo amin’ny tompo sasany sy ny andevony.”
* Raha ny mahakasika ny fanandevozana teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra fahiny, dia jereo ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, navoakan’ny Watch Tower and Tract Society of Pennsylvania, pejy faha-478-480.