FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 15/7 p. 3
  • Ahoana no Azonao Iarovana ny Zanakao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Azonao Iarovana ny Zanakao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mihoatra noho ny fanohanana ara-nofo no ilain’izy ireo
  • Hoavy Manao Ahoana no Irinao ho An’ny Zanakao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Arovy ny Zanakao!
    Mifohaza!—2003
  • Ny Tanora sy ny Zava-mahadomelina
    Mifohaza!—2003
  • Arovy Amin’ny Fitaomana Mandrava ny Fianakavianao
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 15/7 p. 3

Ahoana no Azonao Iarovana ny Zanakao?

REHEFA nahavita ny fianarany naharitra an-taonany maro tao amin’ny sekoly iray teo amin’ny manodidina i Wernera, dia nanomboka nanohy fianarana niaraka tamin’ny tanora hafa tokony ho 3 000 tao São Paulo, any Brezila. Sambany izy vao nahita mpiara-mianatra nivarotra sy nampiasa zava-mahadomelina. Kely ray izy ka tsy ela dia nanjary lasibatry ny fanorisorena fanaon’ny ankizy amin’ny mpianatra vaovao. Fanorisorena feno fanambaniana sy mampidi-doza tokoa no nataon’ireo mpianatra be taona kokoa taminy.

Nanan-java-nanahirana koa i Eva, anabavin’i Werner. Naniry hanao araka izay fara heriny izy, ka nianatra mafy aoka izany, hany ka trotraka sy nikorontan-tsaina. Nila fiarovana ara-batana sy ara-pihetseham-po sahala amin’ny zatovo hafa, i Werner sy i Eva. Karazana fanampiana inona no ilain’ireo zanakao? Ahoana no azonao anomanana azy ho amin’ny fiainan’olon-dehibe? Eny tokoa, hoavy manao ahoana no irinao ho an’ireo zanakao?

Mihoatra noho ny fanohanana ara-nofo no ilain’izy ireo

Eritrereto kely ny amin’ny zava-tsarotra atrehin’ny ray aman-dreny mba hiarovana ireo zanany amin’izao andro izao. Mikororosy ny fiainam-pianakaviana ary mitombo ny fahantrana, hany ka mitombo ny isan’ireo ankizy mipetraka eny an-dalambe, any amin’ny tany maro. Ny fampiasana ankizy no iray amin’ny vokatry ny tsy fahombiazana eo amin’ny fiarovana ny tanora amin’ny fanararaotana. Manimba tanora maro koa ny fidorohana zava-mahadomelina. Rehefa nanjary niankin-doha tamin’ny zava-mahadomelina, ohatra, ny zatovo brezilianina iray, dia nanjavona tao an-tokantranony ny fiadanana. Ankoatra ny fihenjanana ara-pihetseham-po nahazo ny ray aman-dreniny, dia teo koa ny ezaka mafy natao mba hahitana vola hitsaboana azy, sy ireo mpivarotra zava-mahadomelina tsy niantra, izay tonga teo am-baravarana mba hitaky ny volany.

Na dia eo aza anefa ireo faneren’ny fiainana, dia ray aman-dreny maro no manohy miady mafy mba hanomezana izay ilain’ireo zanany. Tsy sakafo sy fitafiana ary fialofana fotsiny anefa no tafiditra amin’izany, fa fiarovana azy ireny amin’ny herisetra sy ny fidorohana zava-mahadomelina ary ny zava-manahirana hafa koa. Ezaka faran’izay tsara izany, kanefa ampy ve? Ahoana ny amin’ny fiarovana amin’ny fanimbana ara-pihetseham-po sy ara-panahy? Maro no mahatakatra fa tafiditra amin’ny fahombiazan’ny fitaizan’ny ray aman-dreny, ny fiatrehana ireo zava-tsarotra ny amin’ny fifidianan’ireny zanany ireny izay ho namany sy izay ho fialam-boliny. Kanefa, ahoana no azon’ny ray aman-dreny atao mba tsy hahatonga azy hangeja loatra ny zanany na hilefitra loatra aminy? Asaina ianao handinika ny valiny hita ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Anarana novana no ampiasaina ato amin’itỳ lahatsoratra itỳ.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara