An’iza ny Tsiny?
Maro no manome tsiny an’Andriamanitra noho ireo fahoriana mianjady aminy. Milaza toy izao ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Ny fahadalan’ny olona no mahasimba ny alehany, ka amin’i Jehovah no sosotra ny fony.” (Ohabolana 19:3). Ny fiheverana an’Andriamanitra ho tompon’andraikitra amin’ny fahorian’olombelona anefa, dia toy ny fanomezan-tsiny ny mpanao fiarakodia iray noho ny fahabetsahan’ny lozam-piarakodia vokatry ny fahamamoan’ny mpamily.
Nanome tari-dalana sarobidy ho an’ny olombelona Andriamanitra, ao amin’ny Teniny, dia ny Baiboly. Amin’ny fianarana an’io fitambaram-boky avy amin’Andriamanitra io, sy amin’ny fananana fiainana mifanaraka amin’ireo lalàna sy foto-pitsipika soritan’izy io, dia afaka manalavitra ny maro amin’ireo fandrika eo amin’ny fiainana isika. Mifanohitra amin’izany kosa fa ahitan-doza ny fanaovan-javatra mifanipaka amin’ny tari-dalana omen’Andriamanitra. Ohatra, ireo izay mihinana tafahoatra, misotro tafahoatra, na maloto fitondran-tena, dia mazàna no mizaka ny vokany, izay tsy inona fa tsy fahasalamana mampahonena. (Lioka 21:34; 1 Korintiana 6:18; 2 Korintiana 7:1). Nanoratra toy izao i Paoly, apostoly kristianina: “Izay afafin’ny olona no hojinjany. Fa izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo; ary izay mamafy ho an’ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny Fanahy.” — Galatiana 6:7, 8.
Tsara lavitra tokoa ny miaina mifanaraka amin’ireo lalàna sy foto-pitsipik’Andriamanitra! Raha manao izany isika, dia hahita ny fahatanterahan’izao fampanantenana nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany izao: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao. Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao”. — Isaia 48:17, 18.