Maty Vokatry ny Fahafatesana Mpahazo ny Olon-drehetra ve i Maria?
ARAKA ilay gazetin’i Vatikana atao hoe L’Osservatore Romano, dia toy izao no ilazana ilay foto-pinoana katolika antsoina hoe Assomption: “Rehefa nifarana ny fiainany teto an-tany, dia nakarina vatana sy fanahy ho amin’ny voninahitra any an-danitra ilay Virjiny Tsy Azon’ota, izay voaro tamin’ny kilema rehetra nentin’ny fahotana tamin’ny fototra.” Io fampianarana io dia nitarika teôlôjianina katolika sasany hilaza fa “tsy maty [i Maria] fa natsangana avy hatrany avy tamin’ny fiainana an-tany ho amin’ny voninahitra any an-danitra”, araka ny filazan’ilay gazety.a
Vao haingana izay, dia nanome fanazavana hafa momba an’io raharaha io ny Papa Jean-Paul II. Nilaza toy izao izy tamin’ilay Audience générale tao Vatikana, tamin’ny 25 Jona 1997: “Tsy manome fanazavana mahakasika ireo tarehin-javatra nitranga tamin’ny nahafatesan’i Maria ny Testamenta Vaovao. Izany tsy fisiam-panazavana izany dia mahatonga ny tena hihevitra fa toy izay mpahazo ny olon-drehetra ihany ny fomba nahafaty azy, ka tsy misy tsipiriany manokana mendri-komarihina. (...) Toa tsy marim-pototra ny fiheverana fa tsy vokatr’ilay fahafatesana mpahazo ny olon-drehetra no nahafaty azy.”
Izany tenin’ny Papa Jean-Paul II izany dia mampiharihary lesoka lehibe iray eo amin’ilay foto-pinoana manao hoe: Tsy azon’ny fahotana tamin’ny fototra i Maria. Raha “voaro tamin’ny kilema rehetra nentin’ny fahotana tamin’ny fototra” tokoa ny renin’i Jesosy, dia ahoana indray no hetezan’ny hoe maty “vokatr’ilay fahafatesana mpahazo ny olon-drehetra” i Maria, satria ny fahotana nampitain’i Adama mpanota ihany no mahatonga fahafatesana toy izany? (Romana 5:12). Ilay fiheveran-diso ananan’ny Eglizy Katolika, mahakasika ny renin’i Jesosy, no miteraka an’io olana saro-bahana eo amin’ny teôlôjia io. Tsy mahagaga loatra raha nampipoitra fisaraham-bazana sy fisafotofotoana teo anivon’ny Eglizy Katolika io raharaha io.
Milazalaza an’i Maria ho olona nanetry tena sy nahatoky ary mpivavaka be, ny Baiboly. Na dia izany aza anefa, dia tsy milaza izy io fa noho i Maria “tsy azon’ny fahotana tamin’ny fototra” no nananany ireo toetra ireo. (Lioka 1:38; Asan’ny Apostoly 1:13, 14). Milaza tsotra fotsiny ny Baiboly hoe: “Samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”. (Romana 3:23). Eny, nandova ota sy tsy fahalavorariana toy ny sisa amin’ny taranak’olombelona i Maria, ary tsy misy porofo milaza fa tsy fahafatesana mpahazo ny olon-drehetra no nahafaty an’i Maria. — Ampitahao amin’ny 1 Jaona 1:8-10.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ny Assomption — Foto-pinoana Iray Nambaran’Andriamanitra Ve?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 1994, pejy faha-26-29.