Nahoana no Natao An-tsoratra ny Lalàna Am-bava?
NAHOANA ny Jiosy maro tamin’ny taonjato voalohany no tsy nety nanaiky an’i Jesosy ho Mesia? Izao no nolazain’ny vavolombelona iray nanatri-maso: “Rehefa tafiditra teo an-kianjan’ny tempoly Jesosy ka nampianatra, dia nanatona Azy ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao?” (Matio 21:23). Ho azy ireo, dia nomen’ilay Tsitoha ny firenena jiosy ny Torah (Lalàna), ary nomen’ny Torah fahefana avy amin’Andriamanitra kosa ny lehilahy sasany. Nahazo izany fahefana izany ve i Jesosy?
Nanaja fatratra ny Torah sy ireo izay nomen’izy io fahefana marina i Jesosy. (Matio 5:17-20; Lioka 5:14; 17:14). Nomelohiny imbetsaka anefa ireo izay nandika ireo didin’Andriamanitra. (Matio 15:3-9; 23:2-28). Nanaraka ny lovantsofina, izay nanjary fantatra ho ny lalàna am-bava, ireny olona ireny. Nolavin’i Jesosy ny fahefan’izy ireo. Maro kosa no nanda an’i Jesosy tsy ho Mesia. Nihevitra izy ireo fa tsy nisy afa-tsy olona manohana ny lovantsofina naorin’ireo nanana fahefana teo amin’izy ireo ihany no afaka hahazo ny fanohanana avy amin’Andriamanitra.
Avy aiza no niandohan’io lalàna am-bava io? Ahoana no nanjary niheveran’ny Jiosy azy io ho nanana fahefana nitovy tamin’ny Lalàna voasoratra voarakitra ao amin’ny Soratra Masina? Ary raha toa ka natao ho lovantsofina izy io, inona no antony nanaovana azy io an-tsoratra tamin’ny farany?
Avy aiza no niandohan’ny lovantsofina?
Tamin’ny 1513 al.f.i., dia niditra tao amin’ny fifanekem-pifandraisana tamin’i Jehovah Andriamanitra ny Isiraelita, teo amin’ny Tendrombohitra Sinay. Tamin’ny alalan’i Mosesy no nandraisan’izy ireo ny lalàn’io fifanekena io. (Eksodosy 24:3). Hahatonga azy ireo ‘ho masina toa an’i Jehovah Andriamaniny, izay masina’, ny fanarahana ireny fitsipika ireny. (Levitikosy 11:44). Teo ambanin’ny faneken’ny Lalàna, dia anisan’ny fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah ny fanatitra natolotr’ireo mpisorona voatendry. Tokony hisy foibe hanaovana fanompoam-pivavahana koa, ka rehefa nandeha ny fotoana, dia tao amin’ny tempolin’i Jerosalema no nanaovana izany. — Deoteronomia 12:5-7; 2 Tantara 6:4-6.
Ny Lalàn’i Mosesy dia nanome ny rafitra ankapoben’ny fanompoam-pivavahana natolotry ny firenen’ny Isiraely ho an’i Jehovah. Tsy voalaza tamin’ny fomba mazava anefa ny tsipirian-javatra sasany. Voararan’ny Lalàna, ohatra, ny miasa amin’ny Sabata, kanefa tsy navahany mazava tsara ny atao hoe asa sy ny fanaovan-javatra hafa. — Eksodosy 20:10.
Raha hitan’i Jehovah fa nety ny nanaovana izany, dia ho efa nomeny ireo fitsipika amin’ny an-tsipiriany nahakasika izay tarehin-javatra rehetra azo nosaintsainina. Noforoniny nanana feon’ny fieritreretana anefa ny olona, ary nomeny azy ireo ny fahafahana hanapa-kevitra hanompo azy mifanaraka amin’ireo fitsipiny, ka hanaovan’izy ireo zavatra arakaraka ny tarehin-javatra. Nisy fandaharana natao teo ambanin’ny Lalàna mba hikarakaran’ireo mpisorona sy Levita ary mpitsara, ireo raharaha ara-pitsarana. (Deoteronomia 17:8-11). Rehefa nitombo ireo raharaha nodinihina, dia nanjary natao ho ohatra ny raharaha sasany, ka tsy isalasalana fa nampitaina tamin’ireo taranaka nifandimby ny sasany tamin’izy ireny. Nampitain’ny ray tamin’ny zanany koa ireo fomba fiantsorohana ireo andraikitry ny mpisorona tao amin’ny tempolin’i Jehovah. Arakaraka ny nitomboan’ny zavatra hitan’ilay firenena manontolo no nitomboan’ny lovantsofiny koa.
Ny Lalàna an-tsoratra nomena an’i Mosesy anefa no nitoetra ho votoatin’ny fanompoam-pivavahan’ny Isiraely. Hoy ny voalaza ao amin’ny Eksodosy 24:3, 4: “Dia tonga Mosesy ka nanambara tamin’ny olona ny teny rehetra izay nataon’i Jehovah sy ny fitsipika rehetra. Ary namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Ny teny rehetra izay nolazain’i Jehovah dia hataonay. Ary Mosesy nanoratra ny teny rehetra nataon’i Jehovah”. (Izahay no manao sora-mandry.) Nifanaraka tamin’ireo didy voasoratra ireo no nanaovan’Andriamanitra ny fifanekeny tamin’ny Isiraelita. (Eksodosy 34:27). Raha ny marina, dia tsy misy firesahana momba ny lalàna am-bava, na aiza na aiza, ao amin’ny Soratra Masina.
“Fahefana manao ahoana no anaovanao izao?”
Napetraky ny Lalàn’i Mosesy mazava tsara teo an-tsorok’ireo mpisorona, taranak’i Arona, ny fahefana sy ny fampianarana ara-pivavahana fototra. (Levitikosy 10:8-11; Deoteronomia 24:8; 2 Tantara 26:16-20; Malakia 2:7). Nanjary tsy nahatoky sy ratsy fitondran-tena anefa ny mpisorona sasany rehefa nandeha ny fotoana. (1 Samoela 2:12-17, 22-29; Jeremia 5:31; Malakia 2:8, 9). Teo ambanin’ny fanapahan’ny Grika, dia mpisorona maro no nanaiky lembenana tamin’ireo raharaha ara-pivavahana. Tamin’ny taonjato faharoa al.f.i., ny Fariseo dia nanorina lovantsofina izay nahafahan’ny olon-tsotra nihevi-tena ho masina toy ny mpisorona. Antokon’olona vaovao tao anatin’ny Jodaisma, izay tsy nitoky tamin’ny mpisorona, ny Fariseo. Nanintona olona maro ireny lovantsofina ireny, kanefa fanampiny tsy azo nekena tamin’ny Lalàna izy ireny. — Deoteronomia 4:2; 13:1.
Nanjary manam-pahaizana vaovao momba ny Lalàna ny Fariseo, nanao ny asa izay noheveriny fa tsy nataon’ny mpisorona. Koa satria tsy niresaka ny amin’ny fahefan’izy ireo ny Lalàn’i Mosesy, dia namorona fomba vaovao filazana ny hevitry ny teny ao amin’ny Soratra Masina izy, tamin’ny alalan’ny filazana hevitra saro-takarina sy tamin’ny alalan’ny fomba hafa toa manohana ny fomba fiheviny.a Noho izy ireo mpanolokolo sy mpandrisika lehibe indrindra an’ireny lovantsofina ireny, dia namorona fototra vaovao ho an’ny fahefana teo amin’ny Isiraely izy. Efa nanjary hery nahazo vahana teo amin’ny Jodaisma ny Fariseo tamin’ny taonjato voalohany am.f.i.
Rehefa nanangona ireo lovantsofina efa nisy ny Fariseo ary nitady hevitra azo nosintonina avy ao amin’ny Soratra Masina mba hanorenana lovantsofina maro kokoa ho an’ny tenany, dia nahita fa nilaina ny hanomezana fahefana fanampiny ny zavatra nataony. Nipoitra ny fiheverana vaovao momba ny niavian’ireny lovantsofina ireny. Nanomboka nampianatra toy izao ireo raby: “Nandray ny Torah tao Sinay i Mosesy ary nanolotra azy io tamin’i Josoa, i Josoa tamin’ireo loholona, ary ireo loholona tamin’ireo mpaminany. Ary ireo mpaminany nanolotra azy io tamin’ireo lehilahy tao amin’ny fitambara-mpifehy.” — Avot 1:1, ny Misnah.
Rehefa nilaza ny raby hoe ‘nandray ny Torah i Mosesy’, dia tsy niresaka fotsiny ny amin’ireo lalàna voasoratra izy ireo, fa ny lovantsofiny rehetra koa. Nambarany fa nomen’Andriamanitra an’i Mosesy tao Sinay ireny lovantsofina noforonina sy nitarin’olombelona ireny. Nampianatra koa izy ireo fa tsy nasain’Andriamanitra hameno ny banga akory ny olona, fa efa nofaritan’Andriamanitra am-bava kosa izay tsy nolazain’ny Lalàna voasoratra. Araka ny heviny, io lalàna am-bava io dia nampitain’i Mosesy tamin’ireo taranaka nifandimby, tsy tamin’ny mpisorona, fa tamin’ireo mpitarika hafa. Ny Fariseo mihitsy no nitonona ho mpandova io fahefana nifampitohy ‘tsy nisy fahatapahana’ io.
Mandia fotoan-tsarotra ny Lalàna — Vahaolana vaovao
Efa nambaran’i Jesosy mialoha ny haharavan’ny tempoly, kanefa nolavin’ireo mpitondra fivavahana jiosy ny fahefana nomen’Andriamanitra azy. (Matio 23:37–24:2). Taorian’ny nandravan’ny Romanina ny tempoly tamin’ny 70 am.f.i., dia tsy azo narahina intsony ireo zavatra notakina tao amin’ny Lalàn’i Mosesy, tafiditra amin’izany ireo fanatitra sy ny fanompoana nataon’ny mpisorona. Nanao fanekena vaovao Andriamanitra, niorina tamin’ny sorom-panavotan’i Jesosy. (Lioka 22:20). Nofaranana ny faneken’ny Lalàn’i Mosesy. — Hebreo 8:7-13.
Tsy takatr’ireo Fariseo fa porofon’ny naha Mesia an’i Jesosy ireny fisehoan-javatra ireny, fa nitady vahaolana hafa kosa izy ireo. Efa nangalatra be dia be tamin’ny fahefan’ny mpisorona izy ireo. Rehefa rava ny tempoly, dia vao mainka izy ireo afaka nanohy ny nataony. Ilay sekoly notantanan’ireo raby tao Yavneh dia nanjary foiben’ny Synedriona tafaorina indray. Tsy inona akory ny Synedriona fa ny fitsarana avo jiosy. Niova rafitra tanteraka ny Jodaisma teo ambanin’ny fitarihan’i Yohanan ben Zakkai sy i Gamaliel II. Nosoloana fotoam-pivavahana tany amin’ny synagoga izay notarihin’ireo raby, ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny tempoly, izay niandraiketan’ny mpisorona. Nosoloana vavaka ireo fanatitra, indrindra fa ireo natao tamin’ny Andro Fanavotana. Nihevitra ireo Fariseo fa nahatsinjo izany mialoha ny lalàna am-bava nomena an’i Mosesy tao Sinay ka efa nanao fandaharana momba azy io.
Nanomboka nihanalaza hatrany ireo sekoly ambonin’ny raby. Niompana indrindra indrindra tamin’ny adihevitra mafana sy ny fitadidiana ary ny fampiharana ny lalàna am-bava, ny fandaharam-pampianaran’izy ireo. Teo aloha, ny fototra niorenan’ny lalàna am-bava dia nampifandraisina tamin’ny Midrash, izany hoe filazana ny hevitry ny teny ao amin’ny Soratra Masina. Izao dia nanomboka nampianarina sy nalamina nitokantokana, ireo lovantsofina voatahiry izay nitombo hatrany. Notsorina ho fitambaran-teny fohy sy mora tadidina ny didy tsirairay tamin’ny lalàna am-bava, izay matetika natao an-kira.
Nahoana no natao an-tsoratra ny lalàna am-bava?
Niteraka olana iray hafa ny fahabetsahan’ireo sekoly notantanan’ireo raby sy ireo didy nihanitombo navoakany. Manazava toy izao i Adin Steinsaltz, raby manam-pahaizana manokana: “Nanana ny fomba fampianany manokana ny mpampianatra tsirairay ary nanana ny fomba filazany manokana ny didiny am-bava (...). Tsy ampy intsony ny nahafantatra ny fampianaran’ny mpampianatra ny tena, ka voatery namantatra ny asa soratry ny manam-pahaizana hafa koa ny mpianatra (...). Araka izany, dia voatery nitadidy zavatra be dia be ireo mpianatra noho ny ‘fitomboan’ny fahalalana izaitsizy’ .” Tsy zakan’ny mpianatra ny nitadidy izany fanazavana be dia be nisavoritaka izany.
Tamin’ny taonjato faharoa am.f.i., ny fikomian’ny Jiosy tamin’i Roma, izay notarihin’i Bar Kokhba, dia nitarika ho amin’ny fanenjehana mafy ireo raby manam-pahaizana manokana. Novonoina ho faty i Akiba, raby lehibe indrindra nanohana an’i Bar Kokhba. Manam-pahaizana ambony maro koa no novonoina toy izany. Natahotra ireo raby sao nety hanafoana mihitsy ny fisian’ny lalàny am-bava ny fiverenan’ny fanenjehana. Nihevitra izy ireo fa ny tsara indrindra dia ny hoe ny mpampianatra no mampita am-bava ny lovantsofina amin’ny mpianatra; ny fiovan’ny tarehin-javatra anefa dia nitarika ho amin’ny ezaka nitombo mba hamoronana rafitra voalamina hiarovana ny fampianaran’ny olon-kendry, sao hadino mandrakizay izany.
Nisy vanim-potoana nampiravona kely ny fihavanana tamin’i Roma taorian’izay, ka nandritra izany dia namory manam-pahaizana maro be i Judah Ha-Nasi, raby lehibe indrindra tamin’ny faran’ny taonjato faharoa sy tamin’ny fiandohan’ny taonjato fahatelo am.f.i.; nomanin’izy ireo ho rafitra voalamina voaforon’ny Fizarana enina ny lovantsofina be dia be, ka notsinjaraina ho fizarana kelikely kokoa ny tsirairay taminy, izay 63 tamin’ny fitambarany. Nanjary fantatra ho ny Mishnah, io asa soratra io. Izao no nohazavain’i Ephraim Urbach, manam-pahaizana momba ny lalàna am-bava: “Ny Mishnah (...) dia nankasitrahana sy nomena fahefana mbola tsy nomena boky hafa mihitsy, afa-tsy ny Torah ihany.” Efa nolavina ny Mesia, efa rava ny tempoly, fa nanomboka kosa ny vanim-potoana vaovaon’ny Jodaisma noho ny lalàna am-bava voatahiry an-tsoratra, tamin’ny endriky ny Mishnah.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Antsoina hoe midrash io fomba filaza ny hevitry ny teny ao amin’ny Soratra Masina io.
[Sary, pejy 26]
Nahoana no nolavin’ny Jiosy maro ny fahefan’i Jesosy?