“Saiky Nahita Loza Tany Amin’ny Ranomasina”
TAO anatin’ny haizin’ny alina, dia nanatona nosy iray tany amin’ny Ranomasina Mediterane, ny sambo iray nitondra olona 276. Torovana ny tantsambo sy ny mpandeha noho izy ireo natopatopan’ny rano nisamboaravoara izaitsizy nandritra ny 14 andro. Rehefa nahita helodrano iray izy ireo tamin’ny vao nangiran-dratsy, dia niezaka nandefa ilay sambo nankeny amorony. Nihitsoka tsy afa-nihetsika anefa ny lohan-tsambo, ary vakivaky noho ny onja ny vody sambo. Samy nandao ilay sambo izay rehetra tao, ary niezaka mafy mba ho tody teny amorontsirak’i Malta, nilomano na namikitra tamin’ny hazo fisaka na tamin-javatra hafa. Nangatsiaka no sady torovana izy ireo rehefa nioitra nivoaka avy tao anatin’ireo onja nahery. Anisan’ireo mpandeha i Paoly, apostoly kristianina. Nentina ho any Roma mba hotsaraina izy tamin’izay. — Asan’ny Apostoly 27:27-44.
Tsy tamin’io sambo rendrika tany amin’ny nosy Malta io akory no voalohany nahitan’i Paoly loza an-dranomasina saiky naningotra aina. Nanoratra toy izao izy, taona vitsivitsy talohan’izay: “Intelo [aho] no vaky sambo, indray andro sy indray alina no nitoetra teo amin’ny lalina”. “Saiky nahita loza tany amin’ny ranomasina” ny tenany, hoy ny teny nanampiny. (2 Korintiana 11:25-27). Nanampy an’i Paoly hanatanteraka ny anjara asa nomen’Andriamanitra azy mba ho “Apostolin’ny jentilisa”, ny fanaovany dia lavitra an-dranomasina. — Romana 11:13.
Toy inona ny habetsahan’ny fanaovana dia an-dranomasina tamin’ny taonjato voalohany? Inona no anjara asan’izy io teo amin’ny fanapariahana ny Kristianisma? Azo antoka ve izy io? Karazan-tsambo nanao ahoana no nampiasaina? Ary ahoana no nikarakarana izay nilain’ny mpandeha?
Nila varotra an-dranomasina i Roma
Ny Romanina dia niantso an’i Mediterane hoe Mare Nostrum, izany hoe, Ranomasinay. Faran’izay zava-dehibe ho an’i Roma ny nifehy ireo lalana an-dranomasina, tsy noho ny antony ara-tafika fotsiny, fa noho ny antony hafa koa. Tanàna maro tao amin’ny Empira Romanina no seranana na novatsin’ny seranana. Ny seranan-tsambon’i Roma, ohatra, dia tany Ostie teo akaikiny, fa i Korinto kosa dia nampiasa an’i Léchée sy i Kenkrea, ary i Seleokia kosa no namatsy an’i Antiokia any Syria. Ny fifandraisana an-dranomasina tsara teo amin’ireo seranana ireo dia niantoka ny fampitana hafatra haingana teo amin’ireo tanàna lehibe, sady nanamora ny fitantanana tamin’ny fomba nandaitra ireo provansin’i Roma.
Niankina tamin’ny indostrian’ny fitaterana an-dranomasina koa i Roma mba hamatsiana azy ara-tsakafo. Nanana mponina tokony ho iray tapitrisa i Roma ka nila voa madinika tsy hita pesipesenina — tokotokony ho teo anelanelan’ny 250 000 sy 400 000 taonina isan-taona. Avy aiza avokoa izany voa madinika rehetra izany? Notononin’i Flavius Josèphe ny tenin’i Heroda Agripa II izay nilaza fa i Afrika Avaratra no namatsy sakafo an’i Roma nandritra ny valo volana isan-taona, ary i Ejipta kosa no nandefa voa madinika ampy mba hamelomana ilay tanàna nandritra ireo efa-bolana sisa. Sambon-dranomasina an’arivony maro no nandray anjara tamin’ny famatsiana voa madinika an’io tanàna io.
Nanam-pitiavana manokana ny zavatra haitraitra ny Romanina, ka ho fanomezana fahafaham-po izany, dia nanome izao karazana entam-barotra rehetra izao ilay varotra an-dranomasina niroborobo. Nalefa an-tsambo avy tany Chypre, any Gresy, sy avy tany Ejipta ny mineraly, ny vato, ny marbra, ary notaterina avy tany Liban ny hazo. Ny divay dia avy tany Smyrna, ny noix avy tany Damaskosy, ary ny antrendry avy tany Palestina. Natao an-tsambo tany Kilikia ny menaka manitra sy ny fingotra, tany Mileto sy Laodikia ny volon’ondry, tany Syria sy Liban ny lamba, ary tany Tyro sy Sidona ny lamba volomparasy. Ny akora fandokoana dia nalefa avy tany Tyatira, ary ny fitaratra avy tany Aleksandria sy Sidona. Nohafarana avy tany Chine sy Inde ny lamba landy sy ny landihazo sy ny ivoara ary ny zava-manitra mampahatsiro sakafo.
Inona no azo lazaina ny amin’ilay sambo rendrika tany Malta izay nitondra an’i Paoly? Sambo mpitondra voa madinika izy io, “sambon’Aleksandria hankany Italia”. (Asan’ny Apostoly 27:6). Grika sy Fenisianina ary Syrianina no tompon’ireo andian-tsambo mpitondra voa madinika, ary izy ireo koa no nitondra ny sambo sy namatsy fitaovana azy. Nohofan’ny fanjakana anefa ireny sambo ireny. “Toy ny tamin’ny fanangonana hetra”, hoy ilay mpanao tantara atao hoe William M. Ramsay, “dia hitan’ny fitondram-panjakana fa mora kokoa ny nampiasa mpiantoka, toy izay handamina samirery ilay asa goavana mifamatotra amin’ny fampiasana olona sy fitaovana ilaina amin’izany asa lehibe izany.”
Namita ny diany nankany Roma tao amin’ny sambo iray nisy sarin’ny “Zaza Kambana” (Zanak’i Zeosy), i Paoly. Sambon’i Aleksandria koa io. Niantsona tao Potioly, teo amin’ny Hoalan’i Naples, izy io, dia teo amin’ilay seranana fiantsonana mahazatra ho an’ireo andian-tsambo mpitondra voa madinika. (Asan’ny Apostoly 28:11-13). Niainga avy teo Potioly, na Pouzzoles ankehitriny, ny entana ka nentina an-tsarety teny an-tanety, na nentina tamin’ny sambo madinika kokoa nianavaratra nanaraka ny morontsiraka, ka niakatra nanaraka ny Ony Tibre hatrany afovoan’i Roma.
Mpandeha amina sambo mpitondra entana
Nahoana i Paoly sy ireo miaramila niambina azy no nandeha tamin’ny sambo mpitondra entana? Mba hamaliana io fanontaniana io, dia ilaintsika hofantarina ny hoe nidika ho inona ho an’ny mpandeha iray ny fanaovana dia lavitra an-dranomasina tamin’izany andro izany.
Tsy nisy izany sambo mpitondra mpandeha izany tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. Ny sambon’ny mpivarotra no nampiasain’ireo mpanao dia lavitra. Ary samy mety ho nandeha tamin’izy ireny ny karazan’olona rehetra, anisan’izany ireo mpiasam-panjakana, ireo nahita fianarana, ireo mpitory teny, ireo mpanao ody ratsy, ireo mpanakanto, ireo atleta, ireo mpivarotra, ireo mpizaha tany, ary ireo mpanao fivahiniana masina.
Mazava ho azy fa nisy sambo madinika izay nitondra olona sy entana teny amin’ny ranomasina amorontsiraka. Mety ho nampiasa sambo toy izany i Paoly mba ‘hitana nankany Makedonia’ avy tao Troasy. Mety ho efa nitondra azy imbetsaka nandroso sy niverina tany Atena ny sambo madinika. Mety ho nampiasa sambo madinika koa i Paoly tamin’ilay diany tatỳ aoriana avy tany Troasy nankany Patara, nandalo ireo nosy akaikin’ny morontsirak’i Azia Minora. (Asan’ny Apostoly 16:8-11; 17:14, 15; 20:1-6, 13-15; 21:1). Nitsitsy fotoana ny fampiasana sambo madinika toy izany, saingy tsy afaka nihantsy loza tamin’ny fandehanana lavitra be niala ny tanety izy ireny. Koa tsy maintsy goavana be àry ny sambo nitondra an’i Paoly nankany Kyprosy, ary avy eo tany Pamfylia, mbamin’ny sambo nandehanany avy tany Efesosy nankany Kaisaria sy avy tany Patara nankany Tyro. (Asan’ny Apostoly 13:4, 13; 18:21, 22; 21:1-3). Noheverina ho lehibe koa ilay sambo nitondra an’i Paoly izay rendrika tany Malta. Toy inona no mety ho haben’izany sambo izany?
Nahatonga ny manam-pahaizana iray hiteny toy izao, ny boky iray: “Ny [sambo] kely indrindra hita fa fampiasan’ny olona fahiny dia nahazaka tokony ho 70 ka hatramin’ny 80 taonina. Ny habeny tena be mpitia dia 130 taonina, tamin’ny vanim-potoana grika fara faharatsiny. Na dia fahita aza ny [sambo] mahazaka 250 taonina, dia tena lehibe kokoa noho ny antonony izany. Tamin’ny andron’ny Romanina, dia mbola lehibe kokoa noho izany aza ireo sambo fitaterana nampiasain’ny emperora, satria niriny hahazaka 340 taonina. Ny sambo lehibe indrindra teny ambony rano dia tafakatra hatramin’ny 1 300 taonina, angamba nanan-tombo kely fotsiny.” Araka ny filazalazana iray nosoratana tamin’ny taonjato faharoa am.f.i., ilay sambon’i Aleksandria mpitondra voa madinika atao hoe Isis, dia maherin’ny 55 metatra ny halavany, tokony ho 14 metatra ny sakany, 13 metatra eo ho eo ny halalin’ny vatan-tsambo, ka azo inoana fa afaka nitondra voa madinika an’arivony taonina maro, ary angamba afaka nitondra mpandeha an-jatony vitsivitsy.
Ahoana no nikarakarana ny mpandeha teny amin’ny sambo iray mpitondra voa madinika? Koa satria natao hitondrana entana indrindra indrindra ireo sambo, dia latsa-danja ny fiheverana ireo mpandeha. Tsy nisy sakafo na fikarakarana nomena azy ireo, afa-tsy rano ihany. Natory teo an-tokotanin-tsambo izy ireo, angamba tao anaty fialofana toy ny lay izay natsangana ny alina ary noravana isa-maraina. Na dia navela hampiasa ny lakozia sy ny fitaovana tao mba handrahoana sakafo aza ireo mpandeha, dia tsy maintsy nitondra ny fitaovana rehetra nilaina mba handrahoan-tsakafo sy hihinanana sy handroana ary hatoriana izy ireo, nanomboka tamin’ny vilany sy lapoaly ka hatramin’ny lamba firakotra.
Dia lavitra an-dranomasina — Azo antoka ve?
Noho ny tsy fananana fitaovana, eny fa na dia ny tondroavaratra aza, dia natao tamin’ny fahitana fotsiny ny fitondrana sambo tamin’ny taonjato voalohany. Noho izany, dia azo antoka indrindra ny dia lavitra, rehefa faran’izay tsara ny fahazavan’ny andro, mazàna manomboka amin’ny faramparan’ny May ka hatrany antenatenan’ny Septambra. Mety mbola ho sahy handeha sambo ihany ireo mpivarotra nandritra ny roa volana taloha na taorian’io fotoana io. Nandritra ny ririnina kosa anefa, dia matetika ny zavona sy ny rahona no nanamaizina ireo fanamarihan-toerana sy ny masoandro tamin’ny antoandro ary ny kintana tamin’ny alina. Noheverina fa nikatona (latina: mare clausum) ny fivezivezena an-dranomasina nanomboka ny 11 Novambra ka hatramin’ny 10 Martsa, raha tsy hoe nisy toe-javatra faran’izay nilaina na faran’izay maika angaha. Ireo nandeha tamin’ny faramparan’io vanim-potoana io dia nety ho voatery handany ny ririnina tany amin’ny seranan’ny tany hafa. — Asan’ny Apostoly 27:12; 28:11.
Na dia mety ho nahitan-doza sy niankina tamin’ny fizaran-taona aza ny fandehanana an-tsambo, moa ve izy io nisy tombony raha oharina amin’ny dia an-tanety? Eny tokoa! Tsy dia namizana kokoa sady mora vidy kokoa no haingana kokoa ny fanaovana dia an-dranomasina. Rehefa tsara ny rivotra, dia angamba 150 kilaometatra isan’andro no mety ho vitan’ny sambo iray. Ny halaviran-dalana mahazatra vita amin’ny dia lavitra atao an-tongotra, dia 25 ka hatramin’ny 30 kilaometatra isan’andro.
Saiky niankina tanteraka tamin’ny rivotra ny hafainganam-pandehan’ny sambo. Ny fandehanana avy tany Ejipta nankany Italia dia ady tsy an-kijanona tamin’ny rivotra izay nanosika hiverina, na dia tamin’ny fotoana tsara indrindra aza. Ny lalana fohy indrindra mazàna dia nandalo an’i Rodo, na i Myra, na seranana hafa teo amin’ny morontsirak’i Lykia, any Azia Minora. Indray mandeha, rehefa avy nifanehatra tamin’ny rivo-doza ka very lalana i Isis, ilay sambo mpitondra voa madinika, dia niantsona tany Pirée, 70 andro taorian’ny niaingany avy tany Aleksandria. Angamba nety ho vita tao anatin’ny 20 ka hatramin’ny 25 andro ny fiverenana avy tany Italia, satria nitsoka avy tao ivohon’ny sambo ilay rivotra nitsoka saiky mandavantaona avy any avaratrandrefana. Raha nanaraka lalana an-tanety io dia io, na taiza na taiza zotra naleha, dia ho nitaky 150 andro mahery raha tsara ny andro.
Vaovao tsara nentina tany ampitan-dranomasina lavitra
Niharihary fa fantatr’i Paoly ny loza tamin’ny fanaovana dia lavitra tsy tao anatin’ilay vanim-potoana fandehanana. Nanoro hevitra mihitsy aza izy ny tsy handehanana an-tsambo rehefa faramparan’ny Septambra, na rehefa fiandohan’ny Oktobra, tamin’ny filazana hoe: “Ry tompokolahy ô, hitako fa izao fandehanana izao dia hisy fahasimbana sy fatiantoka be ihany, ka tsy amin’ny entana sy ny sambo ihany, fa ny aintsika koa aza.” (Asan’ny Apostoly 27:9, 10). Tsy niraharaha ireo teny ireo anefa ilay kapiteny tompon’andraikitra, ka izany no nahatonga ilay sambo ho rendrika tany Malta.
Inefatra, fara fahakeliny, no vaky sambo i Paoly ambara-pifaran’ny asa misionera nataony. (Asan’ny Apostoly 27:41-44; 2 Korintiana 11:25). Na izany aza, dia tsy nanakana ireo mpitory ny vaovao tsara tany am-boalohany tsy handeha sambo ny fanahiana tafahoatra ny amin’izany mety ho fitrangan-javatra izany. Nampiasain’izy ireo araka izay azo natao ireo fomba fanaovana dia lavitra rehetra nisy, mba hanapariahana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Ary ho fankatoavana ny didin’i Jesosy, dia nisy fanambarana natao eran’ny vazan-tany. (Matio 28:19, 20; Asan’ny Apostoly 1:8). Noho ny zotom-pon’izy ireo, sy noho ny finoan’ireo izay nanaraka ny ohatra navelany, ary noho ny fitarihan’ny fanahy masin’i Jehovah, dia nahatratra ny farany lavitra indrindra amin’ny tany onenana, ny vaovao tsara.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.