FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 1/5 p. 26-27
  • Ny Tany Mahavokatr’ireo Venda

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Tany Mahavokatr’ireo Venda
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Lohatenikely
  • Fiteny sarotra
  • Vokatra ara-panahy
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 1/5 p. 26-27

Ny Tany Mahavokatr’ireo Venda

MPITORY ny filazantsara manontolo andro teo amin’ireo Venda izahay mivady, nandritra ny folo taona lasa. Monina eo atsimon’ny Ony Limpopo eo avaratr’i Afrika Atsimo ireo Venda, ary voaforon’ny foko maromaro izay nita an’i Limpopo nandritra ireo taonjato lasa, ny fireneny. Milaza ny Venda sasany fa efa nanorim-ponenana teto maherin’ny 1 000 taona lasa izay ny razambeny.

Raha ny marina, dia tao anatin’ny sivilizasiona tranainy nantsoina hoe Fanjakan’i Mapungubwe io faritra io. Izy io no tanàn-dehibe voalohan’i Afrika Atsimo tamin’izay, ary nifehy ny lohasaha nidadasiky ny Ony Limpopo, nanomboka tao Botswana tany andrefana ka hatrany Mozambika tany atsinanana. Nanomboka teo amin’ny 900 am.f.i. ka hatramin’ny 1100 am.f.i. tany ho any, i Mapungubwe dia nanome ivoara, tandroky ny tokantandroka, hodi-biby, varahina, ary na dia volamena mihitsy aza an’ireo mpivarotra arabo. Nisy zavatra vita sokitra tsara voapetaka takela-bolamena, nofongarina tao amin’ny havoana iray fandevenana mpanjaka nantsoina hoe Mapungubwe. Ireo dia anisan’ny “porofo tany am-boalohany indrindra ny amin’ny fitrandrahana volamena tany atsimon’i Afrika”, hoy ny encyclopédie iray.

Tsy trandrahina eto intsony ny volamena. Ankehitriny, dia malaza ny tanin’ireo Venda noho izy mahavokatra. Eo atsimon’ny Tendrombohitra Soutpansberg dia misy lohasaha lonaka izay mamokatra voankazo toy ny zavokà, akondro, manga, ary goavy be dia be. Ankoatra ny karazana voanjo toy ny pécan sy ny macadamia, dia misy koa legioma tondraka. Anisan’izany ny muroho, izay maniry ho azy sady mitovy tsiro amin’ny epinara sy ankafizin’ny olona eto an-toerana indrindra.

Firenena tia fihavanana sy tia mandray vahiny ny Venda. Tsy mahalana no ahitana loham-pianakaviana mampahandro akoho ho an’ny vahiny tsy nampoizina. Hohanina miaraka amin’ny vhuswa, izay foto-tsakafo vita amin’ny katsaka, izy io. Aorian’ilay fitsidihana, dia hanatitra kely ny vahininy ilay loham-pianakaviana. Izany no fomba nentim-paharazana fanehoam-panajana ny mpitsidika. Ampianarina mba hiarahaba ny mpitsidika amin’ny fomba mahafinaritra, ny ankizy, amin’ny fitsaohana sy amin’ny fampikasohana ny tanany. Afaka mahita vehivavy venda roa mifampiarahaba araka io fomba mahazatra io ianao, eto amin’ity pejy ity.

Fiteny sarotra

Tsy mora ho an’ny olona avy any Eoropa ny miteny tsara ny fitenin’ireo Venda. Ny zava-manahirana iray dia teny maro no mitovy tsipelina nefa samy hafa ny fanononana azy. Raha teo am-panaovana lahateny tao amin’ny kôngregasiônan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray miteny venda aho, indray andro, dia niezaka nampirisika ny mpanatrika mba hiresaka amin’ny olona rehetra. Tsy nahatana ny fihomehezany ny mpanatrika iray satria hoy aho hoe “amin’ny rantsantanana”, fa tsy “amin’ny olona”.

Fony aho nanandrana voalohany niteny venda teny amin’ny asa fanambarana ampahibemaso, dia namaly ny ramatoa venda iray hoe: “Tsy mahay miteny anglisy aho.” Nihevitra aho fa efa niteny venda tsara, hay izy nieritreritra fa teny anglisy no noteneniko! Rehefa nanatona trano iray aho tamin’ny fotoana iray hafa, dia nanasa ankizy iray mba hiantso ny raim-pianakaviana. Thoʹho ny teny venda hilazana ny raim-pianakaviana. Diso fanonona anefa aho ka thohoʹ indray no voalazako, ka tamin’izany dia nangataka ny hiresaka tamin’ny gidro tao amin’ilay trano aho! Nahakivy ahy ny fahadisoana toy izany, nefa noho ny fikirizana dia samy afaka miresaka tsara ihany amin’ny teny venda izahay mivady ankehitriny.

Vokatra ara-panahy

Hita ho mahavokatra eo amin’ny lafiny ara-panahy ny tanin’ireo Venda. Tany amin’ireo taona 1950, dia nisy kôngregasiônan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray niforona teo amin’ireo mpifindra monina izay avy tany amin’ireo tany manodidina mba hiasa tao amin’ny toeram-pitrandrahana varahina tao amin’ny tanànan’i Messina. Nampahafantatra fahamarinana ara-baiboly tamin’ny Venda maro ny asa tamin-jotom-po nataon’izy ireo. Folo taona tatỳ aoriana, dia nisy groupe-na Vavolombelona venda nanao fivoriana tao an-tranon’olona iray manokana, tao amin’ny tanànan’i Sibasa.

Nandefa mpitory ny filazantsara manontolo andro ho ao amin’io saha mahavokatra io ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower eto Afrika Atsimo, mba hanafainganana ny fitomboana. Tsy ela dia nitombo ho kôngregasiôna lehibe ilay groupe tao Sibasa. Natao tao amin’ny lakilasy iray ny fivoriana kristianina tamin’izany fotoana izany. Noho ny fanampian’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny faritr’i Pietersburg tokony ho 160 kilaometatra any atsimo anefa, dia nisy Efitrano Fanjakana iray voaorina tany Thohoyandou, tanàna iray teo akaiky.

Miisa maherin’ny 500 000 ny mponina miteny venda any avaratr’i Afrika Atsimo. Tsy nisy Vavolombelona venda teto fony natomboka ny asa fitoriana ilay Fanjakana tamin’ireo taona 1950. Ankehitriny dia misy maherin’ny 150 izy ireo. Mbola misy faritra maro tsy voakasika ihany anefa ary mbola betsaka ny asa tokony hatao. Nanomboka nitsidika vohitra venda iray antsoina hoe Hamutsha, izahay tamin’ny 1989. Vavolombelona iray monja no nipetraka tao tamin’izany fotoana izany. Ankehitriny, dia mpitory ilay Fanjakana maherin’ny 40 no mipetraka ao amin’izany vohitra izany. Be atao izahay amin’ny famitana ny Efitrano Fanjakananay, ary izany dia mbola noho ny fanampian’ireo Vavolombelona avy any amin’ireo kôngregasiônan’i Pietersburg sy ny fanomezana ara-bolan’ireo rahalahy any amin’ny tany manankarena kokoa.

Mipetraka ao amin’ny tranofiara iray ao amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana izahay. Manana fotoana misimisy kokoa hitondrana ny vaovao tsara any amin’ireo olona eto an-toerana izahay, amin’ny fihazonana ny fiainanay ho tsotra. (Marka 13:10). Vokatr’izany, dia nahazo fitahiana tondraka tamin’ny fananana tombontsoa hanampy olona maro hanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah Andriamanitra izahay. Ohatra iray ny lehilahy iray antsoina hoe Michael, izay nahita tao an-tranon’ny namany iray ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany.a Nanomboka namaky azy io izy ary avy hatrany dia nanaiky fa io no fahamarinana. Koa nanoratra tany amin’ny Fikambanana Watch Tower izy mba hahazoana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly maro kokoa. Nanazava tao amin’ny taratasiny i Michael fa mpikambana ao amin’ny fiangonana apostolika eo an-toerana izy, ary natao batisa vao haingana. “Hitako”, hoy izy nanohy ny teniny, “fa diso lalana aho raha ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nanapa-kevitra ny ho tonga mpikambana ao aminareo aho, nefa tsy fantatro hoe amin’ny fomba ahoana.” Nomeny àry ny adiresiny, ary nangataka ny hisian’ny Vavolombelon’i Jehovah iray ho tonga hanampy azy izy. Hitako ny tranon’i Michael ary dia nanomboka fampianarana Baiboly taminy aho. Vavolombelona vita batisa sy manompo an’i Jehovah amim-panehoana tsy fivadihana izy, ankehitriny.

Tamin’ny Desambra 1997, dia nanatrika ny Fivoriamben’ny Distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah “Finoana ny Tenin’Andriamanitra” izay natao tao amin’ny kianja iray fanaovana fanatanjahan-tena ao Thohoyandou izahay. Nisy mpanatrika 634, ary 12 no natao batisa. Nanana tombontsoa hanao lahateny roa tamin’ny teny venda aho. Tena fotoan-dehibe tao anatin’ireo folo taona feno hasambarana nolaninay tao amin’io tany mahavokatra io tokoa izany! — Nisy nanome.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara