FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 15/7 p. 26-28
  • Misy Vatosoa Velona any Namibia!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Misy Vatosoa Velona any Namibia!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Lohatenikely
  • Nanomboka ny fitrandrahana teo amin’ny lafiny ara-panahy
  • Tonga ireo mpiasa manontolo andro
  • Fanadiovana ireo vatosoa
  • Mila mpitrandraka eo amin’ny lafiny ara-panahy
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 15/7 p. 26-28

Misy Vatosoa Velona any Namibia!

MIVELATRA eo amin’ny 1 500 kilaometatra manaraka ny morontsiraka atsimoandrefan’i Afrika i Namibia. Dongom-pasika sy havoana feno vatolampy ary lemaka midadasika feno vatokely no mahaforona ny morontsiraka manontolon’i Namibia. Vatosoa izay misy amin’ny lokony azo saintsainina rehetra no mifangaroharo amin’ireo vatokilonjy eny amin’ny torapasik’i Namibia. Hita eny hatramin’ny diamondra aza indraindray. Manan-javatra sarobidy lavitra noho ireny vato ireny anefa io tany io. I Namibia tokoa mantsy dia manana vatosoa velona, izany hoe ireo olona avy amin’ny antokom-pirenena maro ao aminy.

Ireo mponina voalohany indrindra tany Namibia dia nampiasa fiteny maro iray fiaviana, antsoina hoe khoisan. Fantatra amin’ilay feony toy ny feon-javatra mipipika ny fitenin’izy ireo. Anisan’ireo miteny khoisan amin’izao andro izao ny Damara zarazara hoditra, sy ireo olona fohifohy somary fotsy fihodirana antsoina hoe Nama, ary ireo mpihaza malaza atao hoe Bochimans. Foko mainty hoditra maro ihany koa no niditra teto Namibia tato anatin’ireo taonjato faramparany. Misy sokajiny telo izy ireo: ny Ovambo (ny foko lehibe indrindra eto Namibia), ny Herero, ary ny Kavango. Nisy Eoropeanina nanomboka nanorim-ponenana teto Namibia, nandritra ny taonjato faha-19. Mpiavy maro kokoa no tonga, taorian’ny nahitana diamondra tany amin’ireo fasika an’efitra.

Sarobidy ny mponin’i Namibia, satria anisan’ny tontolon’ny olombelona izy ireo. Vatran’Andriamanitra tokoa mantsy ny nanome ny Zanany an’io tontolo io, ka nanokatra ny lalana ho amin’ny fiainana mandrakizay izany. (Jaona 3:16). Namibianina an-jatony avy amin’ny foko maro no efa nandray tsara ilay hafatra mitondra famonjena. Azo ampitahaina amin’ny vatosoa velona izy ireny, satria anisan’ “ireo zavatra faniry eo amin’ny firenena rehetra” izay angonina ho ao amin’ny tranon’i Jehovah fanolorana fanompoam-pivavahana aminy ankehitriny. — Hagay 2:7, NW.

Nanomboka ny fitrandrahana teo amin’ny lafiny ara-panahy

Tamin’ny 1928 no nanombohan’ny fitrandrahana vatosoa ara-panahy teto Namibia. Nandritra io taona io, dia nandefa zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly niisa 50 000 ho an’ny olona niely patrana nanerana an’i Namibia ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower tao Afrika Atsimo. Ny taona nanaraka an’izay, dia nanolokolo ny fahalianana nasehon’ny olona tany ny Kristianina voahosotra iray avy tao Afrika Atsimo, antsoina hoe Lenie Theron. Namakivaky samirery an’i Namibia manontolo izy tao anatin’ny efa-bolana, ka nahapetraka fitaovana fianarana Baiboly 6 000 mahery, tamin’ny teny afrikaans, alemà, ary anglisy. Azo antoka fa tsy very maina fotsiny akory izany asa rehetra izany.

Diniho, ohatra, ny amin’i Bernhard Baade, alemà iray mpitrandraka harena an-kibon’ny tany. Tamin’ny 1929, dia nahazo atody avy tamin’ny mpiompy iray izy. Nofonosin’io mpiompy io tamin’ny pejy iray tamin’ny zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower ny atody tsirairay. May ny hamaky ny pejy tsirairay i Bernhard, ka nanontany tena hoe iza no nanoratra ilay boky. Tonga teo amin’ny pejy farany, izay nanome ny adiresin’ny Fikambanana Watch Tower tany Alemaina, izy tamin’ny farany. Nanoratra tany i Bernhard mba hahazoana zavatra vita an-tsoratra maro kokoa, ary izy no tonga Namibianina voalohany niandany tamin’ny fahamarinana.

Tonga ireo mpiasa manontolo andro

Tamin’ny 1950, dia tonga teto Namibia ny misionera efatra voaofana tao amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower. Tafakatra ho valo ny isan’ireo misionera tamin’ny 1953. Anisan’izy ireo ry Dick sy Coralie Waldron, mpivady aostralianina izay mbola manompo amim-pahatokiana eto hatramin’izao. Nandray anjara tamin’ny fitrandrahana ireo vatosoa ara-panahin’i Namibia koa ny mpitory ilay Fanjakana maro hafa, izay mpitory manontolo andro avy tao Afrika Atsimo sy avy tany an-tany hafa. Nisy misionera hafa sy rahalahy nahazo diplaoma avy tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, nalefa teto Namibia.

Lafiny hafa iray izay anisan’ny nahatonga fitomboana ara-panahy teto Namibia ny nandikana sy ny namoahana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly tamin’ireo fiteny lehibe teto an-toerana, toy ny herero, kwangali, kwanyama, nama/damara, sy ndonga. Tamin’ny 1990, dia nanomboka niasa tao Windhoek renivohitra ny birao fandikan-teny iray kanto dia kanto sy ny trano fonenana iray tsara dia tsara ho an’ireo mpiasa an-tsitrapo manontolo andro. Hoy i Karen Deppisch, izay niara-niasa tamin’ny vadiny teo amin’ny fitoriana manontolo andro ny filazantsara, tany amin’ny faritra maro samihafa teto Namibia: “Maro no talanjona rehefa toloranay zavatra vita an-tsoratra amin’ny fiteniny, indrindra fa rehefa vitsy dia vitsy ny boky misy amin’iny fiteny iny.”

Fanadiovana ireo vatosoa

Nodiovin’ny fihetsehan’ny onja sy ny fasika nandritra ny an’arivony taona maro ny sasany amin’ireo vatosoa ara-bakiteny ananan’i Namibia. Mazava ho azy anefa fa tsy miteraka vatosoa velona izany fomba voajanahary izany. Ho an’ny olombelona tsy lavorary, dia mitaky ezaka ny ‘fialana amin’ny toetra taloha’ sy ny fitafiana ny toetra vaovao sahala amin’ny an’i Kristy. (Efesiana 4:20-24). Fanao efa lalim-paka eo amin’ny foko maro eto Namibia, ohatra, ny fanomezana hasina ireo razana efa maty. Matetika no enjehin’ny fianakaviana sy ny mpiara-monina ireo tsy mety manaraka fombafombam-pivavahana amin’ny razana. Rehefa fantatry ny olona iray avy amin’ny Baiboly fa “tsy mba mahalala na inona na inona” ny maty, dia tojo fisedrana ny tenany. (Mpitoriteny 9:5). Amin’ny fomba ahoana?

Manazava toy izao ny Vavolombelona herero iray: “Tena zava-tsarotra lehibe ny mankato ny fahamarinana. Nanaiky hiara-mianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, nefa ela ihany aho vao nampihatra ny zavatra nianarako. Voalohany aloha, dia tsy maintsy notsapaiko raha tsy mampaninona tokoa ny tsy manaraka ireo zavatra ninoana nentim-paharazana. Ohatra, tsy nijanona mba hametraka vato teo ambony fasana aho na nanainga satroka ho fiarahabana ny maty, rehefa nitondra fiara tamin’ny toerana sasany teto Namibia. Nanjary niaiky tsikelikely aho fa tsy hampaninona ahy velively ny tsy fivavahako amin’ny razana efa maty. Faly erỳ aho noho ny nitahian’i Jehovah ny ezaka nataoko hanampiana ny fianakaviako sy ny olona liana hafa mba hianatra ny fahamarinana!”

Mila mpitrandraka eo amin’ny lafiny ara-panahy

Talohan’ny nahatongavan’ireo misionera tamin’ny 1950, dia tsy nisy afa-tsy mpitory ny vaovao tsara iray monja teto Namibia. Nitombo hatrany io isa io, ka nahatratra 995. Na izany aza anefa, dia mbola betsaka ny asa tokony hatao. Zara raha voakasika ny faritra sasany, raha ny marina. Afaka manompo any amin’izay ilana mpitory ilay Fanjakana be zotom-po maro ve ianao? Raha izany no izy, dia miampità atỳ Namibia ka ampio izahay hitady sy hanadio vatosoa ara-panahy maro kokoa. — Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 16:9.

[Sarintany/Sary, pejy 26]

(Jereo ny gazety)

AFRIKA

NAMIBIA

[Sary]

Tany feno vatosoa tsara tarehy i Namibia

[Sary nahazoan-dalana]

Sarintany: Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.; Diamondra: Courtesy Namdek Diamond Corporation

[Sary, pejy 26]

Torina amin’ireo foko rehetra eto Namibia ny vaovao tsara

[Sary, pejy 28]

Afaka manompo any amin’izay ilana mpitory ilay Fanjakana bebe kokoa ve ianao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara