Manohitra ny Fitsarana An-tendron’ny Mpampianatra Iray Ireo Ray Aman-dreny
Ny mpampianatra iray tao amin’ny sekoly fanabeazana fototra tany Cassano Murge, any Italia, dia nampitondra ny sasany tamin’ny mpianany, taratasy kely, mba hoentiny hody. Toy izao no voalaza tao amin’ireo taratasy kely, izay nasainy napetaka teo amin’ny varavarana anoloana, ireo: “Katolika izahay. Iangaviana ny Vavolombelon’i Jehovah mba tsy handondòna eto amin’ity varavarana ity.”
Nanohitra mafy ny zavatra nataon’ilay mpampianatra ny sasany tamin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra, na dia tsy Vavolombelon’i Jehovah aza izy ireo. Araka ilay gazety mpilaza vaovao hoe Muoviti Muoviti, dia nilaza ireo ray aman-dreny fa ‘ny fanomezana ny ankizy an’io karazana hafatra io dia mahatonga azy ireo handa izay olona rehetra tsy mitovy fihevitra aminy, na hanilika olona iray izay “tsy mitovy” fivavahana aminy’. Ny reny iray, izay nanoratra tany amin’ilay gazety, dia niantso an’ilay taratasy kely hoe “ny voan’ahidratsy, ny vokatry ny tsy fahalalana sy ny hadalana”.
Araka ny asehon’io tatitra io, dia olona maro manana fomba fijery tsy miangatra no manaiky ny fisian’ny loza entin’ny famafazana voan’ny fitsarana an-tendrony. Manaja ny fanompoana kristianina ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah manerana an’i Italia sy manerana ny tany koa izy ireo. Nahoana raha manontany ireo Vavolombelona momba ‘ny anton’ny fanantenana ao anatin’izy ireo’? Ho dodona ny hiresaka momba azy io aminao izy ireo, ka hanao izany amin’ny “fanajana lalina”.—1 Petera 3:15, NW.