Very ve ny Hevitry ny Teny hoe “Kristianina”?
INONA no atao hoe Kristianina? Ahoana no havalinao? Nametrahana an’io fanontaniana io indrindra ny olona sasantsasany izay nofantimpantenana fotsiny tamin’izao, tany amin’ny tany samy hafa, ka ireto no santionany tamin’ny valin-tenin’izy ireo:
“Manara-dia an’i Jesosy sy manahaka azy.”
“Olona tsara fanahy sy tia mizara amin’ny hafa.”
“Manaiky an’i Kristy ho Tompo sy Mpamonjy.”
“Mamonjy Lamesa sy manao Toko Sapile ary mandray ny Kôminio masina.”
“Araka ny hevitro, dia tsy voatery mankany am-piangonana ianao vao hoe Kristianina.”
Na ireo diksionera aza dia manome famaritana maro be mahavaka ny saina. Ny asa soratra iray, raha ny marina, dia manome famaritana folo ho an’ny teny hoe “Kristianina”, manomboka amin’ny hoe “mino an’i Jesosy Kristy na anisan’ny fivavahan’i Jesosy Kristy” ka hatramin’ny hoe “olona mendrika na mihaja”. Tsy mahagaga àry raha betsaka no mahita fa sarotra ny manazava ny atao hoe Kristianina.
Fironana ho amin’ny fanalalahana
Ankehitriny, eo anivon’ireo mitonona ho Kristianina, eny fa na dia eo anivon’ireo miray dabiliom-piangonana aza, dia ahafahan’ny tena mahita fomba fijery maro isan-karazany mahakasika ireto loha hevitra ireto: ny maha ara tsindrimandrin’Andriamanitra ny Baiboly, ny teorian’ny evolisiona, ny fitsabahan’ny fiangonana amin’ny politika, ary ny firesahana ny finoan’ny tena amin’ny hafa. Matetika no manjary adihevitra mafana ny raharaha ara-pitondran-tena toy ny fanalana zaza, ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy ary ny olon-droa manao tokantranomaso. Hita miharihary ho mankamin’ny fanalalahana ilay fironana.
Vao haingana izay, ohatra, ny komity mpanapa-kevitra eo anivon’ny fiangonana protestanta no nandany ny hanohana ny zon’ny fiangonana iray “hifidy loholona fanta-bahoaka ho lehilahy miray amin’ny lehilahy, mba ho anisan’ny filan-kevi-pitondran’ilay fiangonana”, hoy ny tatitra nataon’ny gazety Christian Century. Ny teolojianina sasany aza dia nanolotra ilay fiheverana hoe tsy tena zava-dehibe mba hahazoana famonjena ny finoana an’i Jesosy. Mino izy ireo fa ny Jiosy sy ny Silamo ary ny hafa “dia mety ho azo inoana hankany an-danitra [tahaka ny Kristianina]”, hoy ny nolazain’ny tatitra iray tao amin’ny The New York Times.
Alao sary an-tsaina ange ny hoe Marksista nefa manohana kapitalisma, na mpandala ny demokrasia nefa mampandroso fitondrana jadona, na mpiaro ny tontolo iainana nefa manampy eo amin’ny fandripahana ala e! “Tsy tena Marksista na mpandala ny demokrasia na mpiaro ny tontolo iainana izany olona izany”, hoy ianao—ary marina ny anao. Rehefa mandinika ny fahasamihafan’ny fomba fijery ananan’ireo mitonona ho Kristianina ankehitriny anefa ianao, dia mahita zavatra inoana izay mifanipaka ohatra ny atsimo sy avaratra, ary matetika no mifanohitra amin’izay nampianarin’i Jesosy Kristy, ilay Mpanorina ny Kristianisma. Inona no ambaran’izany, raha ny amin’ny karazana Kristianisma arahin’izy ireo?—1 Korintiana 1:10.
Araka ny ho hitantsika, dia efa hatramin’ny ela no nisian’ny fironana hanova ireo fampianarana kristianina hifanaraka amin’ny toe-tsaina manjaka amin’ny vanim-potoana iray. Ahoana no fiheveran’Andriamanitra sy i Jesosy Kristy ireny fiovana ireny? Afaka milaza tena ara-drariny ho Kristianina ve ireo fiangonana izay manohana fampianarana tsy mifototra amin’i Kristy? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo.