FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w02 1/5 p. 8
  • Nanampy ny Rainy Izy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanampy ny Rainy Izy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Mitovitovy Aminy
  • Mianara avy Amin’ny Zandrin’i Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Nahoana Isika no Manatrika Fivoriana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-59 — Jakoba
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Fanampiana Ireo Rehetra Nampiseho Fahalianana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
w02 1/5 p. 8

Nanampy ny Rainy Izy

MAFY ny aretin-tsaina mahazo an’i James, lehilahy 30 taona eo ho eo mipetraka any Angletera. Na izany aza, dia manatrika tsy tapaka ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, miaraka amin’ny reniny sy ny anabaviny izy, efa nandritra ny taona maro. Tsy nahasarika an-drainy mihitsy anefa ny finoan’izy ireo. Naseho tany am-pivoriana, indray hariva, ny fomba hanasana olom-pantatra hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Namonjy ny efitranony avy hatrany i James, rehefa tafody izy ireo. Taitra ny reniny ka nanaraka azy. Nikarokaroka gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! efa tranainy i James, ka naka iray. Nisy fanasana hanatrika Fahatsiarovana tao amin’ny pejy faran’izy io. Nihazakazaka nankany amin-drainy izy avy eo. Notondroiny aloha ilay sary dia notondroiny ny rainy sady hoy izy: “Ianao!” Nifampijery izy mivady sady gaga, satria azony fa manasa an-drainy hanatrika ny Fahatsiarovana i James. Nilaza ny rainy fa mety hanatrika izy.

Nijery tao amin’ny lalimoaran-drainy i James, rehefa tonga ny harivan’ny Fahatsiarovana. Nifidy pataloa tao izy ka natolony an-drainy, ary nanao fihetsika teo izy hilazana fa tokony hanaovan’ny rainy ilay izy. Nilaza anefa ny rainy fa tsy hiaraka amin’izy ireo izy. Lasa irery nankany amin’ny Efitrano Fanjakana àry i James sy ny reniny.

Nanomboka tsy nety nampiakanjoin’ny reniny mba hivory intsony i James tatỳ aoriana, fa naleony nijanona tao an-trano niaraka tamin-drainy. Mbola tsy nety ihany izy indray alahady maraina izay. Talanjona ny renin’i James rehefa nanontanian’ny rainy izy hoe: “Handeha hivory koa ve i James, raha mandeha i Dada androany?” Nitsiky be i James. Namihina ny rainy izy tamin’izay sady nilaza hoe: “Ie!” Dia lasa izy telo mianaka namonjy ny Efitrano Fanjakana.

Nanatrika ny fivoriana alahady foana ny rain’i James nanomboka tamin’iny andro iny, ary tsy ela dia nilaza fa tsy maintsy hanatrika ny fivoriana hafa izy raha te handroso. (Hebreo 10:24, 25) Nanao izany izy, ary nanomboka nianatra ny Baiboly tsy tapaka, roa volana tatỳ aoriana. Nandroso sady nanova ny fiainany haingana izy, ary tsy ela dia nanomboka nitory ilay Fanjakana. Nanolo-tena ho an’i Jehovah izy, herintaona taorian’ny nanombohany nianatra Baiboly, ary natao batisa. Mpanampy amin’ny fanompoana izy izao. Miara-manompo an’i Jehovah daholo izy mianakavy ankehitriny.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara