FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w06 1/1 p. 32
  • Nankahalaina Nefa Notiavina avy Eo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nankahalaina Nefa Notiavina avy Eo
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
w06 1/1 p. 32

Nankahalaina Nefa Notiavina avy Eo

NIFINDRA tany Huillcapata, tanàna tsara tarehy any Peroa, i Santiago sy Lourdes vadiny, taona vitsivitsy lasa izay. Hitory ny hafatra manome fanantenana ao amin’ny Baiboly no nandehanan’izy ireo tany. Tonga anefa ny pretra iray avy any Cuzco, tsy ela tatỳ aoriana, ary namory ny mponin’i Huillcapata. Nampitandrina izy, fa hahatonga areti-mandringana sy lanezy be dia be ny fisian’ny Vavolombelon’i Jehovah tao an-tanàna, ka hamono ny biby fiompy sy hanimba ny volin’izy ireo.

Maro no nino an’io “faminaniana” io, ka tsy nisy olona nanaiky hianatra Baiboly tamin’i Santiago sy Lourdes, tao anatin’ny enim-bolana mahery. Nisy lietnà governora atao hoe Miguel, manam-pahefana tao an-tanàna, nanenjika sy nitora-bato azy ireo teny amin’ny arabe. Naneho toetra kristianina anefa izy ireo ka nandefitra foana.

Nanaiky hianatra Baiboly ihany ny olona sasany, tatỳ aoriana. Niova koa na i Miguel aza. Nanomboka nianatra tamin’i Santiago izy, tsy nisotro toaka be intsony, ary lasa tsara fanahy. Nanaiky ny fahamarinana i Miguel mivady sy ny zanany vavy roa, tamin’ny farany.

Misy fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah mandroso be izao any Huillcapata. Faly i Miguel satria tsy nahavoa an-dry Santiago sy Lourdes, ny ankamaroan’ny vato natorany. Velom-pankasitrahana azy mivady koa izy, satria nahay nandefitra izy ireo, ka nanome modely harahiny.

[Sary, pejy 32]

Nahay nandefitra i Santiago sy Lourdes (ambony) ka nampiova an’i Miguel (ankavanana)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara