FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w06 1/1 p. 31
  • Ataovy Fahafinaretana ny Misaintsaina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ataovy Fahafinaretana ny Misaintsaina
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
w06 1/1 p. 31

Ataovy Fahafinaretana ny Misaintsaina

ATAHORAN’NY olona sasany ny misaintsaina. Mety hisy hihevitra hoe sarotra loatra izany, sady mitaky fifantohana be, ka tsy manao izany izy. Mety hanamelo-tena àry izy, rehefa mahita any amin’ny boky aman-gazety fa zava-dehibe ny misaintsaina. (Filipianina 4:8) Tokony ho zavatra tena mahafinaritra azo andaniana fotoana anefa, ny mieritreritra izay nianarana momba an’i Jehovah sy ny toetrany, ny zava-bitany mahatalanjona, ny zavatra takiny, ary ny fikasany be voninahitra. Nahoana?

I Jehovah Andriamanitra no Mpitondra Fara Tampony eo amin’izao rehetra izao, ary eo am-panatanterahana ny fikasany lehibe izy izao. (Jaona 5:17) Na izany aza, dia mandinika ny eritreritry ny mpanompony tsirairay izy. Fantatr’i Davida mpanao salamo izany, ary nanoratra izy hoe: “Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy. Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.”—Salamo 139:1, 2.

Mety hahakivy ny olona sasany ireo tenin’ny mpanao salamo ireo, amin’ny voalohany. Mety hisy hilaza hoe: ‘Hitan’Andriamanitra ny eritreri-dratsy rehetra ato an-tsaiko, na dia any “lavitra” any aza izy.’ Mahasoa anefa ny mahatsapa izany, satria mety hanampy antsika tsy hanana eritreri-dratsy. Ary raha sendra manana eritreri-dratsy isika, dia hitsotra amin’Andriamanitra ka hatoky fa hamela antsika izy, miorina amin’ny finoantsika ny sorom-panavotan’i Jesosy. (1 Jaona 1:8, 9; 2:1, 2) Tokony hotadidintsika koa anefa, fa mijery ny toetra tsaran’ny mpanompony i Jehovah rehefa mandinika azy ireo. Voamariny izay ao an-tsaintsika, rehefa mieritreritra momba azy isika ka mankasitraka azy.

Mety hiteny ianao hoe: “Voamarik’i Jehovah tokoa ve ny zavatra tsara rehetra ao an-tsain’ny mpanompony an-tapitrisany?” Tena izany tokoa. Nantitranterin’i Jesosy fa sarobidy amin’i Jehovah isika. Nilaza mantsy izy fa na ny fody kely aza hitan’i Jehovah. Avy eo dia hoy izy: “Sarobidy noho ny fody maro ianareo.” (Lioka 12:6, 7) Tsy afaka mieritreritra momba an’i Jehovah ny fody. Koa raha ireny aza ahiny, tsy vao mainka ve izy hiahy antsika sy ho finaritra amin’ny zavatra tsara eritreretintsika tsirairay? Eny, afaka mivavaka amin-toky toa an’i Davida isika hoe: ‘Aoka ny fisainan’ny foko hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy.’—Salamo 19:14.

Porofoin’ny teny nosoratan’i Malakia mpaminany koa, fa tena mandinika ny fisaintsainan’ny mpanompony mahatoky i Jehovah. Momba izao androntsika izao no nilazany hoe: “Ary tamin’izany izay natahotra an’i Jehovah dia samy niresaka tamin’ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an’i Jehovah sy mihevitra ny anarany.” (Malakia 3:16) Ho fahafinaretana àry ny misaintsaina momba an’i Jehovah raha tadidintsika fa ‘mihaino’, na mandinika, izy rehefa mieritreritra momba azy isika. Koa enga anie isika hiteny toy ny mpanao salamo hoe: “Hisaina ny asanao rehetra aho ary hihevitra ny nataonao.”—Salamo 77:12.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara