Fantatrao ve Ilay Rainao any An-danitra?
FANTATRAO tsara ve ny rainao? Azo inoana fa hafahafa aminao izany fanontaniana izany, raha mpinamana be ianareo mianaka. Mety hamaly ianao hoe: ‘Fantatro tsara izy kah!’ Fantatry ny ankamaroan’ny olona tokoa hoe inona no tian’ny rainy sy tsy tiany, inona no ataony rehefa misy zava-mitranga, ary ahoana no ikarakarany ny ankohonany.
Na izany aza, dia gaga ihany ianao indraindray, satria manana toetra tsy ampoizinao mihitsy ny rainao. Aoka hatao hoe olona tony sy malemy fanahy no ahalalanao azy isan’andro. Nisy loza tampoka anefa indray mandeha. Teo no nahitanao fa hay izy be herim-po sady vonona hiaro ny vady aman-janany.
Ahoana ny amin’ilay Mpamorona antsika? Hoy ny Baiboly: “Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary isiantsika.” (Asan’ny Apostoly 17:28) Andriamanitra no nanome aina antsika. Izany no mahatonga azy ho Raintsika rehetra. (Isaia 64:8) Mandray azy ho Rainao tokoa angamba ianao. Tsara izany, sady tokony hataontsika rahateo. Mbola maro anefa ny zavatra mila fantarintsika momba azy. Hahasoa sy hahafaly antsika izany.
Lasa tianao sy hajainao kokoa ny rainao, rehefa fantatrao ny toetra tsarany. Toy izany koa fa lasa minamana kokoa amin’Andriamanitra ianao, rehefa fantatrao izy. Hanampy anao handresy ny olana manjo anao izy, raha miezaka mahafantatra tsara azy sy manao ny sitrapony ianao.
Iza marina àry Andriamanitra? Inona no toetrany? Inona no tokony ho vokany eo aminao, rehefa fantatrao izany? Ary misy zavatra tsy maintsy ataonao ve amin’izay? Andeha hojerentsika ny valin’ireo.
[Teny notsongaina, pejy 3]
Lasa tianao ny olona iray, rehefa fantatrao ny toetra tsarany