FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp19 No. 1 p. 3
  • Fantatrao Tsara ve Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fantatrao Tsara ve Andriamanitra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2019
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Hanampy Anao ho Lasa Naman’Andriamanitra?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Fantatrao ve Ilay Rainao any An-danitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Iza Marina Andriamanitra?
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Inona no Marina Momba An’Andriamanitra?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2019
wp19 No. 1 p. 3
Lehilahy iray mandinika toerana mahafinaritra

Fantatrao Tsara Ve Andriamanitra?

Betsaka no milaza hoe mino an’Andriamanitra. Samy manana ny heviny momba azy anefa ny olona. Misy milaza hoe masiaka be Andriamanitra, dia maika hanasazy antsika fotsiny. Misy indray miteny hoe tia anao foana izy sady mamela ny fahadisoanao, na inona na inona ataonao. Ny hafa kosa mino hoe lavitra antsika izy sady tsy miraharaha antsika. Inona àry no tena marina? Azo fantarina ve izany?

Tena ilaina ve ny mahafantatra tsara azy? Ie. Hisy dikany ny fiainanao amin’izay, sady ho hainao hoe inona no antony namoronany anao. (Asan’ny Apostoly 17:26-28) Vao mainka izy ho tia sy hanampy anao, raha miezaka ny ho akaiky azy ianao. (Jakoba 4:8) Ho afaka hiaina mandrakizay koa ianao.​—Jaona 17:3.

Inona àry no azonao atao? Azo antoka hoe manana namana ianao. Nahoana ianareo no lasa mpinamana be? Satria niezaka hahafantatra tsara azy ianao. Tsy ny anarany ihany no fantatrao, fa hainao tsara koa ny toetrany, ny zavatra tiany sy tsy tiany, ny zavatra nataony sy izay eritreretiny hatao, sy ny sisa. Lasa tianao izy noho izany.

Miezaha koa àry hitady ny valin’ireto, dia ho fantatrao tsara kokoa Andriamanitra:

  • IZA NO ANARAN’ANDRIAMANITRA?

  • HOATRAN’NY AHOANA IZY?

  • INONA NO EFA NATAONY?

  • INONA NO MBOLA HATAONY?

  • INONA NY SOA HORAISINAO RAHA FANTATRAO TSARA IZY?

Hovaliana ato amin’ity gazety ity ireo fanontaniana ireo. Ho fantatrao hoe iza marina Andriamanitra, ary inona ny soa horaisinao raha lasa akaiky azy ianao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara