FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w10 15/12 p. 26-30
  • Mahavita Manova Olona ny Fahamarinana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mahavita Manova Olona ny Fahamarinana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nanao asa misionera
  • Fanoherana
  • Florence, ilay tanàna tena kanto
  • Nanompo tatsy Afrika
  • Niverina teto Italia
  • Nanao safidy tsara izahay
  • ‘Nanao Izay Tokony ho Nataonay Izahay’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Fampifantohana Hatrany ny Maso sy ny Fo Amin’ny Loka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Faly Aho Nandray Anjara Tamin’ilay Asa Fampianarana Maneran-tany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Tapa-kevitra Hanompo ny Mpamorona Foana Aho
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
w10 15/12 p. 26-30

Mahavita Manova Olona ny Fahamarinana

Notantarain’i Vito Fraese

VAOVAO aminao angamba ny anarana hoe Trentinara. Tanàna kely any atsimon’i Naples eto Italia izy io. Tany no teraka i Dada sy Neny sy Angelo zokiko lahy. Nifindra tany Etazonia ry zareo rehefa teraka i Angelo, ary nipetraka tany Rochester, any New York. Tany aho no teraka tamin’ny 1926. Nifandray tamin’ny Mpianatra ny Baiboly (Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny) i Dada tamin’ny 1922. Tsy ela dia lasa Mpianatra ny Baiboly koa izy sy Neny.

Olona tena misaina sy malemy paika i Dada, nefa tezitra ihany rehefa misy tsy rariny. Tsy tantiny ny nataon’ny mpitondra fivavahana, satria nafenin’izy ireo ny marina. Nanararaotra nitory ny fahamarinana foana àry i Dada. Nanao fanompoana manontolo andro izy raha vao nisotro ronono. Voatery nijanona izy rehefa 74 taona, satria narary ary tsy nahazaka ririnina intsony. Nitory foana anefa izy ary nahavita 40 na 60 ora teo ho eo isam-bolana, na dia efa 90 taona mahery aza. Tena modely ho ahy izy! Tia vazivazy izy nefa hentitra. Hoy foana izy: “Zava-dehibe ny fahamarinana ka tsy azo atao vazivazy!”

Niezaka be i Dada sy Neny nampianatra Baiboly anay dimy mianadahy. Natao batisa aho tamin’ny 23 Aogositra 1943, ary lasa mpisava lalana tamin’ny Jona 1944. Mpisava lalana tany Geneva, any New York, i Carmela zokiko vavy sy Fern tovovavy navitribitrika. Tsy ela dia tsapako fa i Fern no tiako ho ravaky ny tokantranoko. Nivady àry izahay tamin’ny Aogositra 1946.

Nanao asa misionera

Lasa mpisava lalana manokana tany Geneva izahay, ary avy eo tany Norwich, any New York. Faly be izahay nanao Sekolin’i Gileada, kilasy faha-12, tamin’ny Aogositra 1948. Voatendry ho any Naples eto Italia izahay avy eo, niaraka tamin’i Carl sy Joanne Ridgeway, mpivady misionera. Vao niarin-doha i Naples tamin’izay satria rotidrotiky ny ady. Sarotra ny nahita trano, ka efitra kely roa no nipetrahanay, nandritra ny volana vitsivitsy.

Mazava ihany ny teniko, na dia toy ny Amerikanina miteny italianina aza aho. Nampiasa fitenim-paritra any Naples mantsy i Dada sy Neny hatramin’ny fahakeliko. Tsy nety nahay niteny italianina i Fern tamin’ny voalohany. Resiny indray anefa aho, tatỳ aoriana.

Fianakaviana iray no mba liana, tamin’izahay vao tonga tany Naples. Mpivarotra sigara an-tsokosoko ry zareo. Efatra ny olona tao amin’io fianakaviana io, ary anisany i Teresa. Hoatran’ny matavy be izy ny maraina, satria nofenoiny sigara ireo paosin’ny zipony. Mahia kely hoatran’ny tahon-kifafa anefa izy amin’ny hariva, ary toy izany foana isan’andro. Nanova tanteraka azy ireo anefa ny fahamarinana. Nisy 16 izy ireo no mpihavana lasa Vavolombelona, tamin’ny farany. Efa ho 3 700 izao ny Vavolombelona any Naples.

Fanoherana

Sivy volana monja izahay efatra no tany Naples, dia noroahin’ny fanjakana. Nijanona iray volana teo ho eo tany Soisa izahay, ary naka vizà ho an’ny mpizaha tany ka niverina teto Italia. Voatendry ho any Turin izahay sy Fern avy eo. Nanofa efitra iray izahay, ary nitambatra lakozia sy efitra fandroana tamin’ilay ramatoa tompon-trano. Niara-nanofa trano hafa taminay ry Ridgeway mivady, rehefa tonga tany Turin. Mpivady misionera dimy izahay no nipetraka tao amin’ny trano iray, tatỳ aoriana.

Noroahin’ny fanjakana tany Turin izahay, tamin’ny 1955. Efa nisy fiangonana vaovao efatra sy rahalahy nahay nandray andraikitra tao tamin’izay. Hoy ny manam-pahefana: “Ho hitanareo tsara fa ho rava daholo izay nataonareo teto, rehefa lasa ianareo Amerikanina!” Hita mihitsy anefa fa Andriamanitra no nampandroso ilay asa satria lasa nitombo be ny vahoakany. Misy Vavolombelona 4 600 mahery, sy fiangonana 56 izao any Turin.

Florence, ilay tanàna tena kanto

Voatendry ho any Florence izahay avy eo. Renay matetika ny momba azy io, satria misionera tany i Carmela sy Merlin Hartzler vadiny. Mahafinaritra be mihitsy any! Misy tetezana miavaka any, lapa kanto ary kianja malalaka, izay mampahalaza azy. Nahafinaritra koa fa nisy olona liana tamin’ny vaovao tsara tany.

Nampianatra fianakaviana iray izahay, ary natao batisa ilay mpivady. Mpifoka sigara anefa ilay lehilahy. Nanazava ny Tilikambo tamin’ny 1973 fa mandoto ny fifohana sigara, ka tokony hialana. Niangavy an-drainy ny zanany roa voalohany mba tsy hifoka intsony. Nanome toky izy fa hiala nefa mbola nifoka ihany. Indray alina, dia tsy niara-nivavaka tamin’ny zanany kambana sivy taona ilay vehivavy, fa tonga dia nasainy natory izy roa lahy. Nanenina izy avy eo ka nankao amin’izy ireo, kanjo efa vita ny vavaka. Hoy izy: “Inona no vavaka nataonareo?” Hoy izy ireo: “Jehovah ô! Ampio i Dada tsy hifoka sigara intsony!” Hoy ilay vehivavy tamin’ny vadiny: “Avia ange henoy ny vavaky ny zanakao e!” Latsa-dranomaso ilay lehilahy, ka hoy izy: “Tsy hifoka intsony aho!” Nitana ny teniny izy. Efa 15 mahery amin’io fianakaviana io izao no Vavolombelona.

Nanompo tatsy Afrika

Nafindra tany Mogadiscio any Somalia izahay tamin’ny 1959. Nisy misionera roa niaraka taminay, dia i Arturo Leveris sy Angelo zokiko lahy. Nafana ny toe-draharaha politika tany tamin’izahay vao tonga. Tsy nomen’i Italia fahaleovan-tena i Somalia na dia nasain’ny Firenena Mikambana hanao izany aza. Niharatsy àry ny toe-draharaha. Nody ny Italianina sasany nampianarinay Baiboly, ary sarotra ny nanorina fiangonana.

Nanampy ny mpiandraikitra mpitety sampana aho tamin’izany, satria nasainy nanao izany. Nitsidika firenena manodidina an’i Somalia àry izahay. Nisy nandroso ny olona nampianarinay. Voatery nandao ny taniny anefa izy ireo noho ny fanoherana. Nisy kosa nijanona na dia voatery niaritra fahoriana maro aza.a Tena tia an’i Jehovah izy ireo ary niaritra mba tsy hivadihana. Latsa-dranomaso izahay isaky ny mahatsiaro izany!

Mando lava sy mafana be any Somalia sy Érythrée. Nanampy trotraka izany koa ny sakafon-dry zareo satria masiaka be. Tany amin’ny mpianatra Baiboly no nihinananay voalohany azy ireny. Nivazivazy ny vadiko tamin’izay hoe lasa mena sofina izy.

Voatendry ho any an-toeran-kafa i Angelo sy Arturo, ka izahay irery sisa no tany. Tsy mora izany satria tsy nisy nampahery intsony izahay. Lasa akaiky kokoa an’i Jehovah anefa izahay, ary nitoky tanteraka taminy. Fampaherezana no azonay na dia tany nisy fandrarana aza no notsidihinay.

Maro ny zava-nanahirana tany Somalia. Tsy nanana vata fampangatsiahana izahay, ka ny sakafo ampy isan’andro ihany no novidinay, na henan’antsantsa izany na voankazo toy ny manga, papay, pamplemosy, voaniho, na akondro. Feno bibikely nanidintsidina koa tany. Nipetraka teny amin’ny hatokay izy ireny indraindray rehefa nampianatra Baiboly izahay. Nigaingaina be koa ny andro, sady lavitra ny lalana. Soa ihany fa nanana skotera izahay!

Niverina teto Italia

Afaka nanatrika fivoriambe iraisam-pirenena tany Turin izahay tamin’ny 1961, noho ireo namanay nalala-tanana. Sambo mpitondra akondro no nandehananay. Renay fa hahazo fanendrena vaovao izahay. Niverina teto Italia indray izahay tamin’ny Septambra 1962, ary lasa mpiandraikitra ny faritra aho. Fiara kely novidinay no nitetezanay faritra roa, nandritra ny dimy taona.

Niady tamin’ny hatsiaka indray izahay, fa tsy tamin’ny hafanam-ben’i Afrika intsony. Nitsidika fiangonana teny am-pototry ny tendrombohitr’i Alpes izahay ny ririnina voalohany. Tsy nisy fanafanana ny efitra natorianay, ary fitoera-mololo no tao ambany. Nanao pardesia izahay rehefa natory. Akoho efatra sy alika roa no matin’ny hatsiaka tamin’io alina io.

Lasa mpiandraikitra ny vondrom-paritra aho tatỳ aoriana. Voatetinay i Italia manontolo. Nitsidika an’i Calabre sy Sisila imbetsaka, ohatra, izahay. Nampirisihinay ny tanora handroso sy ho lasa mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana na mpiandraikitra mpitety faritany na Betelita.

Mana-namana mendri-pitokisana sy manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo izahay, ary tena tianay ny toetrany. Tsy mivadika amin’i Jehovah izy ireo, malala-tanana, tia mpiara-manompo, mahay miaina mifanaraka amin’ny zava-misy, ary be fandavan-tena. Manana Efitrano Fanjakana izao izahay. Any no anatrehanay fampakaram-bady, ka Vavolombelon’i Jehovah nahazo alalana ara-panjakana no mampanao fisoratana. Tsy nampino izany taloha! Tsy lakozian’ireo rahalahy toy ny tany Turin intsony no ivorianay, ary tsy hazo fisaka no atao seza. Manana Efitrano Fanjakana tsara tarehy manome voninahitra an’i Jehovah kosa ny ankamaroan’ny fiangonana. Efitrano Fivoriambe malalaka no ampiasainay, fa tsy toerana tsizarizary fijerena teatra intsony. Faly be izahay satria 243 000 mahery izao ny mpitory, nefa 490 monja tamin’izahay vao tonga teto Italia.

Nanao safidy tsara izahay

Maro ny olana hitanay. Narary izahay indraindray. Nanembona ny tany aminay koa izahay, indrindra fa i Fern isaky ny nahita ranomasina. Intelo nodidiana izy, sady izay tsy fandidiana tsotsotra. Novelesin’ny mpanohitra tamin’ny fitrebika vy izy, indray andro, tamin’izy handeha hampianatra ka voatery naiditra hopitaly.

Kivy izahay indraindray nefa ‘niandry an’i Jehovah’ Andriamanitry ny fampiononana. (Fitom. 3:24) Tamin’ny fotoana nahakivy azy mihitsy i Fern no naharay taratasy nampahery avy tamin’ny Rahalahy Nathan Knorr. Fantany tsara, hono, fa be fikirizana sy mafy toto ny vehivavy alemà avy any Pennsylvanie, toa an’i Fern. Marina ny azy! Tany akaikin’i Bethlehem, any Pennsylvanie, mantsy ny Rahalahy Knorr no teraka, ary tany koa i Fern no nanao mpisava lalana voalohany. Maro ny fampaherezana azonay tamin’ireny fotoana ireny, ary avy tamin’ny olona samihafa.

Niezaka ny hazoto hanompo foana izahay, na teo aza ireo zava-tsarotra. Misy divay tsara sy mandroadroatra atao hoe Lambrusco eto Italia. Nivazivazy i Fern hoe: “Enga anie handroadroatra foana koa ny zotom-pontsika!” Rehefa avy nitety faritany nandritra ny 40 taona mahery izahay, dia nasaina hitsidika sy handamina fiangonana sy antoko-mpitory nitory tamin’ny olona avy amin’ny firenena toa an’i Bangladesy, Chine, Érythrée, Etiopia, Ghana, Inde, Nizeria, Philippines ary Sri Lanka. Mahatalanjona tokoa ny fomba nanovan’ny Tenin’Andriamanitra ny fiainan’ireo nahatsapa fa mamindra fo i Jehovah. Vavolombelon’izany izahay! Na boky iray aza tsy ho ampy hitantarana izany.—Mika 7:18, 19.

Mivavaka izahay isan’andro mba homen’i Jehovah herim-po sy tanjaka, ka ho afaka hanompo foana. Manatanjaka sy mahasambatra anay ny fifaliana omen’ny Tompo. Miaiky izahay fa nanao safidy tsara, rehefa nanapa-kevitra ny hampiely ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.—Efes. 3:7; Kol. 1:29.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1992 (frantsay), pejy 94-184.

[Tabilao/Sary, pejy 27-29]

(Jereo ny gazety)

Ny ray aman-dreniko tany Rochester, any New York

1948

Tany South Lansing, tamin’izaho nanao Sekolin’i Gileada, kilasy faha-12

1949

Izahay sy Fern, talohan’ny hankatỳ Italia

Tany Capri, eto Italia

1952

Niaraka tamin’ny misionera hafa tany Turin sy tany Naples

1963

I Fern sy ny olona sasany nampianariny Baiboly

“Enga anie handroadroatra foana koa ny zotom-pontsika!”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara