FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w12 1/7 p. 3
  • Misy Mihaino ve ny Vavaka Ataontsika?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Misy Mihaino ve ny Vavaka Ataontsika?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana izy ireo no misalasala?
  • Sambatra Isika fa Afaka Mivavaka
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Manampy Anao ho Akaiky An’Andriamanitra ny Vavaka
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Manatòna An’Andriamanitra Amin’ny Vavaka
    Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
  • Fampidirana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
w12 1/7 p. 3

Misy Mihaino ve ny Vavaka Ataontsika?

“Nisalasala aho taloha raha nisy Andriamanitra. Nivavaka ihany anefa aho. Tsy azoko antoka raha nisy nihaino aho nefa tena tiako raha nisy nihaino aho. Tsy sambatra aho sady tsy nisy dikany ny fiainako. Natahotra ny hino an’Andriamanitra aho satria nihevitra fa ny olona kely saina ihany no mino azy.”—PATRICIA,a IRLANDY.

MITOVY amin’izay tsapan’i Patricia ve no tsapanao? Mivavaka ve ianao na dia misalasala aza raha misy Andriamanitra? Maro no toy izany. Diniho ireto:

◼ Ny 22 isan-jato monja tamin’ireo Anglisy 2 200 nadinadinina no hita fa mino hoe misy Andriamanitra namorona ny tany ary mihaino vavaka izy. Ny 55 isan-jaton’ireo nadinadinina anefa no mivavaka tsindraindray.

◼ Hita tamin’ny fanadinadinana natao tamin’ny olona 10 000 tany amin’ny tany samihafa fa efa ho ny 30 isan-jaton’ireo milaza fa tsy mino an’Andriamanitra no mivavaka.

Nahoana izy ireo no misalasala?

Hoy i Allan, any Angletera: “Niteny aho taloha hoe tsy mino an’Andriamanitra satria nieritreritra aho fa natao hifehezana ny olona sy hakana vola fotsiny ny fivavahana. Nieritreritra koa aho hoe raha misy Andriamanitra dia tsy tokony ho be dia be toy izao ny tsy rariny. Maka toerana mitokana anefa aho indraindray ary miresaka ‘amin-javatra.’ Manontany tena koa aho matetika hoe: ‘Ahoana àry no nampisy ahy?’ ”

Misalasala ny olona hoe misy valiny ve ny vavaka ataony. Tsy mitovy ny antony mampisalasala azy ireo. Matetika anefa no misalasala ny olona rehefa tsy mahazo ny valin’ny fanontaniana toy ireto:

◼ Misy ve ny Mpamorona?

◼ Nahoana ny fivavahana no mahatonga ny olona hanao ratsy?

◼ Nahoana isika no avelan’Andriamanitra hijaly?

Raha omena anao ny valin’ireo fanontaniana ireo, mbola hisalasala ve ianao rehefa mivavaka?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Novana ny anarana sasany ato amin’ity andian-dahatsoratra ity.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara