Fantaro ny Tantarantsika
Ny Tantaran’ireo Mpitety Fiangonana
“TSY vitako ny hitory isan-trano!” Marina fa maro ny mpianatra Baiboly mahatsapa toy izany rehefa mieritreritra hoe hitory amin’ny olona tsy fantatra. Olona mahay mandaha-teny sy mahay mampianatra Baiboly anefa no nilaza an’io teny io. Rahalahy antsoina hoe mpitety fiangonana.
Nampirisika ny mpamaky ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona hoe mitadiava olona liana toa anareo, ary miaraha mianatra Baiboly tsy tapaka. Maro àry no nandao ny fiangonany, ary naniry hiaraka tamin’ireo mangetaheta ny fahamarinana. Naniraka solontena hitsidika an’izay antokon’olona liana, naniry hotsidihina, ny fikambanantsika, nanomboka tamin’ny 1894. Nantsoina hoe mpitety fiangonana izy ireny. Nofidina manokana izy ireny, satria be fandeferana, mahay tsara ny Baiboly, mahay mandaha-teny sy mampianatra, ary mino tanteraka ny vidim-panavotana. Naharitra iray na roa andro ny fitsidihan’izy ireo. Nizara fanasana hanatrika ny lahatenin’izy ireny no fotoana voalohany nandehanan’ny olona maro teny amin’ny saha. Nanao lahateny tao amin’ny sekoly iray i Hugo Riemer, indray hariva, ary namaly ny fanontanian’ny olona izy taorian’izay, ka taorian’ny misasakalina vao vita. Vizana be izy nefa faly, ka nilaza fa “nahafinaritra” ilay fivoriana. Anisan’ny Filan-kevi-pitantanana io rahalahy io tatỳ aoriana.
Milaza Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona fa “tena mahafinaritra” ny fitsidihan’ny mpitety fiangonana, satria nampahery ny “mpiray finoana” ny fivoriana nataon’izy ireo, izay natao tany an-tranon’ny mpiara-manompo. Tonga daholo ny Mpianatra ny Baiboly teny amin’ny manodidina mba hihaino ny lahateniny, sady azo natao koa ny nametraka fanontaniana. Niara-nisakafo ny rehetra taorian’izay. Tsaroan’i Maude Abbott fa tamin’izy mbola ankizivavy kely, dia nipetraka nanodidina ny latabatra lava be iray teo an-tokotany izy ireo, rehefa avy nihaino lahateny iray. Hoy izy: ‘Be dia be ny sakafo sady natsiro. Teo ny akoho nendasina. Teo koa ny mofo sy mofomamy isan-karazany! Nihinana izay laniny ny rehetra. Nihaino lahateny indray izahay tamin’ny roa tolakandro. Rendremana anefa ny rehetra.’ Hoy i Benjamin Barton, mpitety fiangonana efa ela: ‘Efa ela aho no tsy nitety fiangonana intsony, raha nohaniko daholo ireo sakafo matsiro be naroso ho ahy.’ Nisy taratasy nalefan’ny foibe tatỳ aoriana, nanolo-kevitra an’ireo anabavy hoe ‘sakafo tsotra sy mahazatra ary torimaso ampy tsara no tena ilain’ny mpitety fiangonana.’
Nahay nampianatra ireo mpitety fiangonana. “Nahaliana be foana”, ohatra, ny lahatenin’i R. Barber. “Toy ny ray be fitiavana” koa i Walter Thorn rehefa niteny. Nahay nampiasa zavatra hita maso na sary koa ireny rahalahy ireny, mba hampitana hevitra. Nandeha fiara i Shield Toutjian, indray andro, ary niteny tampoka tamin’ilay mpamily hoe: “Mijanòna kely.” Nivoaka ny fiara izy, ary naka voninkazodia. Vetivety teo izy dia nahita lesona momba ny zavaboary mba hampianarina an’ireo olona niaraka taminy.
Niatrika zava-tsarotra maro ny mpitety fiangonana, indrindra fa ireo efa zokinjokiny. Ny fanirahana hitory no tena mafy tamin’ny sasany. Nasaina hitarika ny fitoriana isan-trano koa mantsy izy ireo. Milaza Ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 1924, fa ‘ny fitoriana no asa lehibe indrindra’ tokony hataon’ny tena Kristianina. “Izany no antony anirahana an’ireo mpitety fiangonana.”
Sosotra tamin’ilay fiovana ny sasany, ka tsy nety nitety fiangonana intsony. Nisy aza namorona fivavahana. Nitantara i Robie Adkins, fa nitaraina ny mpitety fiangonana iray tena nahay nandaha-teny hoe: “Mitory eny amin’ny lampihazo ihany no haiko. Tsy vitako ny hitory isan-trano!” Hoy i Adkins: ‘Hitako tany amin’ny fivoriambe tany Columbus, any Ohio, io rahalahy io tamin’ny 1924. Izy no olona nalahelo indrindra hitako tao. Ny rehetra falifaly erỳ, fa izy nijoro irery teo ambany hazo kely iray sady nanjonitra be. Ny rahalahy maro anefa faly erỳ nitatitra boky nankao anaty fiarany’, ary vonona hitory isan-trano. (Asa. 20:20, 21) Tsy hitan’i Adkins intsony izy taorian’izay. Niala tamin’ny fandaminana izy taoriana kelin’ilay fivoriambe.
Maro tamin’ireo mpitety fiangonana no nitory tamin’ny fony manontolo, na dia hoe natahotra toy ireo mpitory nampiofaniny aza izy ireo. Hoy i Maxwell Friend avy any Alemaina: “Vao mainka nahafinaritra ny nitety fiangonana, rehefa nampiana fitoriana.” Nilaza koa ilay mpitety fiangonana atao hoe John Bohnet fa tena faly ireo rahalahy rehefa nantitranterina ny fitoriana. Nilaza izy fa “be zotom-po ny ankamaroan’ny rahalahy, ka loha laharana foana amin’ny fitoriana.”
Nisy vokany tsara ny asa nataon’ireny rahalahy tsy nivadika, nitety fiangonana, ireny. Hoy i Norman Larson, Vavolombelona efa ela: “Tena nilaina sy nahasoa ny asan’izy ireny, ary nahita izany aho tamin’ny mbola kely. Namolavola ny toetrako ny fiarahana tamin’izy ireo.” Mahafoy tena sy tsy mivadika ny mpiandraikitra mpitety faritany hatramin’izao, ary mbola manampy ny mpiray finoana aminy. Afaka milaza àry ny mpitory hoe: “Vitanay ny mitory isan-trano!”
[Teny notsongaina, pejy 32]
Fotoana nahafinaritra ny fandalovan’ny mpitety fiangonana!
[Sary, pejy 31]
Nanao fitsidihana 170 teo ho eo i Benjamin Barton tamin’ny 1905
[Sary, pejy 32]
Nantsoina hoe Pappy (Dada) ilay mpitety fiangonana atao hoe Walter Thorn, satria toy ny ray be fitiavana izy
[Sary, pejy 32]
Nasaina nitety fiangonana tany Jamaika i J. Browne tamin’ny 1902 tany ho any, mba hampahery antokon’olona 14
[Sary, pejy 32]
Nanatanjaka ny finoan’ireo rahalahy ny mpitety fiangonana, ary nanampy azy ireo hiray saina sy hifandray akaiky amin’ny fandaminana