MATOAN-DAHATSORATRA: AHOANA NO ANAHAFANTSIKA AN’I MOSESY?
Iza moa i Mosesy?
Iza amin’ireto no ahalalanao an’i Mosesy?
Ilay zazakely nafenin’ny reniny tao anaty harona, tany amin’ny Reniranon’i Neily
Ilay ankizilahikely notezain’ny zanakavavin’i Farao tany Ejipta, nefa tsy nanadino hoe Israelita izy na dia niadana be aza
Ilay mpiandry ondry tany Midianina, nandritra ny 40 taona
Ilay lehilahy niresaka tamin’i Jehovaha teo akaikin’ilay voaroy nirehitra
Ilay lehilahy sahy niresaka nivantana tamin’ny mpanjakan’i Ejipta, mba hanafaka ny Israelita tsy ho andevo
Ilay lehilahy nasain’Andriamanitra nanambara ny Loza Folo hanjo an’i Ejipta, rehefa tsy niraharaha an’Andriamanitra ny mpanjaka tao
Ilay lehilahy nitarika ny Israelita niala tany Ejipta
Ilay lehilahy nampiasaina hanasaraka ny Ranomasina Mena
Ilay lehilahy nanome ny Didy Folo avy amin’Andriamanitra ho an’ny Israelita
MAMPIAVAKA an’i Mosesy daholo ireo, ary mbola misy zavatra hafa koa aza. Tsy mahagaga raha tena manaja an’i Mosesy daholo, na ny Kristianina na ny Jiosy na ny Silamo.
Azo antoka fa nahavita zavatra maro mahatalanjona i Mosesy mpaminany. (Deoteronomia 34:10-12) Nanaiky izy rehefa nasain’Andriamanitra hanao fahagagana. Olombelona hoatr’antsika ihany anefa izy. “Nanana fihetseham-po toa antsika” izy, sahala amin’ny mpaminany hafa. (Jakoba 5:17) Mitovy amin’ny olana mahazo antsika ihany ny olana nahazo an’i Mosesy. Vitany tsara foana anefa ny niatrika azy ireny.
Tianao ho fantatra ve izay nataony? Inona no toetra nanampy azy? Handinika telo amin’izany isika ary hijery ny fomba azo anahafana azy.
a Jehovah no anaran’Andriamanitra araka ny Baiboly.