FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w14 1/5 p. 3
  • Nisy ny Marina fa Betsaka ny Diso

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nisy ny Marina fa Betsaka ny Diso
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Misy Mahay Mamantatra ny Hoavy Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Fikarohana Filazana Mialoha Azo Itokiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Ny ho avinao: ny fomba iray tsara indrindra hamantarana azy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Azo Itokiana ve Ireo Filazana Mialoha ao Amin’ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
w14 1/5 p. 3

MATOAN-DAHATSORATRA | MISY MAHAY MAMANTATRA NY HOAVY VE?

Nisy ny Marina fa Betsaka ny Diso

Te hahalala ny hoavinao ve ianao? Be dia be ny hoatr’izany. Maro no maminavina ny hoavy, saingy samy hafa ny zavatra hitany. Diniho ireto:

  • MPAHAY SIANSA: Mandany vola be sy mampiasa fitaovana arifomba izy ireo mba hamantarana izay hitranga amin’ny hoavy. Vinavinainy, ohatra, ny ho vokatry ny fandotoana tontolo iainana, sy izay mety ho toetry ny andro rahampitso.

  • MPIKAROKA MATIHANINA: Mandinika ny fizotran’ny fandraharahana sy ny toe-draharaha ara-politika izy ireo. Antsoin’ny olona hoe mpaminany, ohatra, i Warren Buffett, ilay anisan’ny mpanankarena indrindra eto an-tany. Marina foana mantsy izay lazainy ka tsy matiantoka mihitsy izy. Antontan’isa kosa no ampiasain’i Nate Silver mba haminavinana ny toe-draharaha ara-politika any Etazonia, eny fa na dia izay hahazo loka amin’ny famoahana filma any Hollywood aza.

  • ASA SORATRA FAHINY: Nolazaina fa faminaniana izy ireny. Hitan’ny olona sasany hoe tanteraka ankehitriny, ohatra, ny asa soratr’i Nostradamus, izay niaina tamin’ny taonjato faha-16. Nolazain’ny olona fa fambara loza koa ny kalandrien’ny Maya, satria nifarana tamin’ny 21 Desambra 2012.

  • MPITONDRA FIVAVAHANA: Milaza izy ireo indraindray hoe hisy loza lehibe hitranga eran-tany. Te hampitandrina ny olona mantsy izy ireo sady te hampitombo ny ondriny. Naelin’i Harold Camping sy ny mpanara-dia azy, ohatra, fa ho potika ny tany ny taona 2011. Tsy tanteraka akory anefa izany.

  • MPANANDRO: Mihambo ho mahay mamantatra ny hoavy izy ireny. Nisy marina ny faminaniana nolazain’i Edgar Cayce sy Jeane Dixon momba ny taonjato faha-20. Betsaka koa anefa no diso. Naminany, ohatra, i Dixon fa hipoaka ny Ady Lehibe III ny taona 1958. I Cayce indray nilaza hoe hivarina any an-dranomasina i New York ny taona 1975.

Misy fomba azo antoka hamantarana ny hoavy ve? Tena tsara ho fantatra izany. Mety ho hafa kokoa mantsy ny fiainanao raha fantatrao izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara