FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w14 1/8 p. 5
  • Mahafantatra Tsara Anao Izy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mahafantatra Tsara Anao Izy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Mahafantatra tsara antsika i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Tena Mahafantatra Anao Tokoa ve Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Mahafantatra An’izay Manjo Anao ve Izy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2018
  • Mahatalanjona ny Fomba Nanaovana Antsika
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2016
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
w14 1/8 p. 5

MATOAN-DAHATSORATRA | SAROBIDY AMIN’ANDRIAMANITRA VE IANAO?

Mahafantatra Tsara Anao Izy

“Jehovah ô, mandinika ahy amin’ny an-tsipiriany ianao, ka mahalala ahy.”—SALAMO 139:1.

[Sary, pejy 5]

“Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho.”—SALAMO 139:16

NAHOANA NO MISY TSY MINO AN’IZANY? Maro no mieritreritra hoe tsy misy zavatra hitan’Andriamanitra amin’ny olombelona afa-tsy ny hoe mpanota izy ireo, izany hoe maloto sy tsinontsinona. Nanamelo-tena be i Kendra, satria tsy nahavita nanaraka tsara ny didin’Andriamanitra mihitsy. Tena ketraka izy ka tsy nivavaka intsony.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? Tsy mifantoka amin’ny fahadisoantsika i Jehovah. Fantany tsara mantsy isika. Milaza ny Baiboly fa “fantany tsara ny nanaovana antsika, ary tsaroany fa vovoka ihany isika.” Tsy mamaly antsika “araka ny fahotantsika” koa izy, fa tena mamela antsika raha mibebaka isika.—Salamo 103:10, 14.

Hoy i Davida, ilay mpanjaka tany Israely noresahina tao amin’ny lahatsoratra voalohany: ‘Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho. Ary voasoratra tao amin’ny bokinao ny faritra rehetra amin’izay ho vatako. Diniho amin’ny an-tsipiriany aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko.’ (Salamo 139:16, 23) Nanao fahadisoana i Davida ary fahotana lehibe ny sasany aminy. Resy lahatra anefa izy hoe mbola nandinika ny fony ihany i Jehovah, ka fantany fa tena nibebaka izy.

Mahafantatra anao kokoa noho ny olona rehetra i Jehovah. Hoy ny Baiboly: “Ny olona mijery izay hitan’ny maso, fa i Jehovah kosa mijery ny fo.” (1 Samoela 16:7) Fantatr’Andriamanitra tsara hoe misy vokany aminao ny toetra nolovanao, ny nanabeazana anao, ny manodidina anao, ary ny maha izy anao. Na manao fahadisoana aza ianao, dia hitany hoe efa miezaka manatsara ny toetranao ianao ary tena sarobidy aminy ny ezaka ataonao.

Raha mahalala tsara anao àry Andriamanitra, ahoana no ampaherezany anao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara