FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w15 1/3 p. 13-15
  • Fanomezana ho An’ny Mpanjaka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanomezana ho An’ny Mpanjaka
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NAMAKIVAKY NY TANY EFITR’I ARABIA
  • ‘TSIAMBARATELO TSARA AFINA’
  • Fitiavan-javatra Izay Nanova ny Fizotran’ny Fisehoan-javatra teo Amin’izao Tonto
    Mifohaza!—1993
  • Zava-manitra, Zavamaniry Mani-pofona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ny Makiazy Fahiny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Menaka Fanosorana sy Zava-manitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
w15 1/3 p. 13-15
Zava-manitra isan-karazany

Fanomezana ho An’ny Mpanjaka

‘Nisy mpanandro avy any atsinanana namoaka ny fanomezana sarobidy nentiny, dia volamena sy ditin-kazo manitra ary miora, ka natolony azy.’—Matio 2:1, 11.

INONA no fanomezana tianao homena olona ambony? Sarobidy toy ny volamena ny zava-manitra sasany fahiny, ka anisan’ny zavatra azo natao fanomezana ho an’ny mpanjaka.a Tsy mahagaga raha zava-manitra ny roa tamin’ny fanomezana nomen’ireo mpanandro ho an’ny “mpanjakan’ny Jiosy.”—Matio 2:1, 2, 11.

Menaka balsama

Menaka Balsama

Tantarain’ny Baiboly koa hoe nitsidika an’i Solomona Mpanjaka ny mpanjakavavin’i Sheba, ka nanome azy “talenta volamena roapolo amby zato”, ary “menaka balsama be dia be sy vatosoa. Ary betsaka tsy nisy toy izany ny menaka balsama nomen’ny mpanjakavavin’i Sheba an’i Solomona.”b (2 Tantara 9:9) Maro koa ny mpanjaka nandefa menaka balsama ho an’i Solomona ho mariky ny fihavanana.—2 Tantara 9:23, 24.

Nahoana ny zava-manitra no tena sarobidy sy lafo be, fahiny? Be mpitady izy ireny satria nilaina tamin-javatra maro, ohatra hoe nanatsarana tarehy na nampiasaina tamin’ny fivavahana na nikarakarana faty. (Jereo ilay hoe “Ahoana no Nampiasana ny Zava-manitra Fahiny?”) Vola be koa ny nitaterana azy sy ny masonkarenany.

NAMAKIVAKY NY TANY EFITR’I ARABIA

Kasia

Kasia

Nisy zavamaniry natao hakana zava-manitra, tany amin’ny Lohasahan’i Jordana fahiny. Nohafarana tany an-tany hafa kosa ny zava-manitra sasany. Maro ny zava-manitra voatonona ao amin’ny Baiboly. Miverimberina ao, ohatra, ny safrona, aloesy, balsama, kanelina, ditin-kazo manitra (oliban), ary miora. Eo koa ny zava-manitra fanao amin’ny sakafo, toy ny komina sy ny solila (menthe) ary ny aneta.

Avy taiza ireo zava-manitra tonga tany Israely? Avy tany Chine sy Inde ary Sri Lanka ankehitriny ny aloesy sy kasia ary kanelina. Tany an-tany efitra, any amin’ny faritra atsimon’i Arabia ka hatrany Somalia, any Afrika, kosa no nisy an’ireo hazo lehibe sy madinika nakana miora sy ditin-kazo manitra. Tsy hita afa-tsy tany Himalaya, any Inde, kosa ny narda.

Safrona

Safrona

Namakivaky an’i Arabia ny zava-manitra maro, izay vao tonga tany Israely. Ny Arabo àry no “tena mpitatitra” azy ireny “avy tany Atsinanana nankany Andrefana”, nandritra ny 2 000 taona talohan’ny nahaterahan’i Jesosy, hoy Ny Boky Momba ny Zava-manitra (anglisy). Nahitana tanàna sy toerana fijanonan’ny mpivaro-mandeha ary tanàna voaro mafy, tany Negev, any amin’ny faritra atsimon’i Israely, ary fantatra hoe nandalo tamin’ireny ny mpivarotra zava-manitra. Hita avy tamin’ireny tanàna ireny koa fa “nahazoan-tombony be ilay varotra ... nanomboka tany amin’ny faritra atsimon’i Arabia ka hatrany Mediterane”, araka ny tatitry ny UNESCO.

“Tena tian’ny olona ny nivarotra zava-manitra satria be mpitady foana izy ireny sady kely fotsiny dia efa ahazoana vola be.” —Ny Boky Momba ny Zava-manitra

Nisy mpivaro-mandeha nitondra zava-manitra be dia be foana tany an-tany efitr’i Arabia, ary namakivaky 1 800 kilaometatra teo ho eo izy ireo! (Joba 6:19) Milaza, ohatra, ny Baiboly fa nisy Ismaelita mpivarotra zava-manitra avy tany Gileada nankany Ejipta, nitondra “ditin-kazo ladanoma sy balsama ary hodi-kazo misy ditiny.” (Genesisy 37:25) Nivarotra an’i Josefa rahalahiny tamin’ireo mpivarotra ireo ny zanak’i Jakoba.

‘TSIAMBARATELO TSARA AFINA’

Aneta

Aneta

Ny Arabo no tena mpivarotra zava-manitra, nandritra ny taonjato maro. Izy ireo irery no mpitondra zava-manitra avy tany Azia, anisan’izany ny kasia sy ny kanelina. Tsy tiany hifampiraharaha mivantana tamin’ny mpamokatra tany Azia ny olona tany amin’ny faritr’i Mediterane, ka nanely tsaho izy ireo hoe mampidi-doza ny maka zava-manitra. Tsy nisy nahalala àry hoe avy taiza marina izy ireny. “Raha nisy koa tsiambaratelo momba ny varotra, dia io angamba no tsara afina indrindra”, hoy ihany Ny Boky Momba ny Zava-manitra.

Komina

Komina

Hoatran’ny ahoana ny tsaho naelin’ny Arabo? Nitantara, ohatra, i Hérodote, mpahay tantara grika, niaina tamin’ny taonjato fahadimy T.K., hoe misy vorona mampahatahotra, hono, mipetraka eny ambony hantsana sarotra iakarana, ary manao akany amin’ny hodi-kazo kanelina. Mametraka hena be dia be eo am-pototr’ilay hantsana ny mpaka kanelina mba halain’ilay vorona. Be loatra ny hena taterin’ilay vorona, ka mianjera eny ambany ny akaniny. Angonina haingana ireo hodi-kazo kanelina, avy eo, ary amidy amin’ny mpivarotra zava-manitra. Niely be ny tsaho toy izany. Lafo be àry ny kanelina satria “nolazaina hoe mampidi-doza ny maka azy”, hoy Ny Boky Momba ny Zava-manitra.

Solila

Solila

Nipoitra ihany ny marina tatỳ aoriana, ka tsy ny Arabo irery intsony no nivarotra zava-manitra. Lasa seranan-tsambo lehibe ho an’ny zava-manitra i Aleksandria, any Ejipta, tamin’ny taonjato voalohany T.K., sady nanjary tsenaben’ny zava-manitra. Lasa hain’ny tantsambo ny nanararaotra ny fitsokan’ny rivotra atỳ amin’ny Oseana Indianina, ka maro ny sambo romanina niainga avy tao Ejipta nankany Inde. Nihabetsaka àry ny zava-manitra ka nidina ny vidiny.

Tsy sarobidy toy ny volamena intsony izao ny zava-manitra. Tsy misy mieritreritra intsony koa hoe fanomezana ho an’ny mpanjaka izy ireny. Olona an-tapitrisany eran-tany anefa no mbola mampiasa azy ireny hanaovana ranomanitra na fanafody, na mba hampahatsiro sy hahamanitra kokoa ny sakafo. Mbola be mpitia toy ny taloha ihany ny zava-manitra, noho ny fofony manintona.

Kanelina iray fehezana

Kanelina

a Zavatra manitra azo avy amin’ny zavamaniry fa tsy zavatra fanao amin’ny sakafo no tena tiana holazaina amin’ilay teny hebreo sy grika nadika hoe “zava-manitra”, ao amin’ny Baiboly.

b Ditin-kazo manitra na menaka manitra avy amin’ny hazo lehibe sy madinika no tiana holazaina amin’ny hoe “menaka balsama.”

Ahoana no Nampiasana ny Zava-manitra Fahiny?

Nanaovana menaka fanosorana sy emboka masina. Natoron’i Jehovah an’i Mosesy hoe ahoana no hanamboarana ny menaka masina fanosorana sy ny emboka manitra masina. Samy nisy zava-manitra efatra izy ireo. (Eksodosy 30:22-25, 34-38) Nisy mpisorona notendrena hanamboatra menaka masina sy hanara-maso raha ampy tsara ireo zava-manitra ireo.—Nomery 4:16; 1 Tantara 9:30.

Natao tamin’ny vatana sy zavatra hafa. Nanisy vovo-javatra manitra tamin’ny tranony, ny akanjony, ny fandrianany, ary ny vatany izay olona nahavidy izany. (Estera 2:12; Ohabolana 7:17; Tononkiran’i Solomona 3:6, 7; 4:13, 14) Nandraraka “menaka manitra lafo vidy be, izay narda tena izy”, teo amin’ny loha sy tongotr’i Jesosy i Maria anabavin’i Lazarosy. Tamin’ny tavoahangy kely ilay izy ary karama efa ho herintaona no vidiny.—Marka 14:3-5; Jaona 12:3-5.

Nikarakarana faty. Nanome “miora sy hazo manitra”, na aloesy, i Nikodemosy mba hikarakarana ny fatin’i Jesosy. (Jaona 19:39, 40) Nisy mpianatr’i Jesosy nikarakara “zavamaniry mani-pofona sy menaka manitra” koa, ary nitondra izany teny amin’ny fasany.—Lioka 23:56–24:1.

Natao laron-tsakafo. Toa nampiasa zava-manitra ny Israelita mba hampahatsiro ny trondro sy ny hena. Nasiana zava-manitra koa ny divay mba hahery kokoa.—Tononkiran’i Solomona 8:2.

Ireo Zava-manitra Roa Nomena An’i Jesosy

Mamoaka dity ny hazo madinika sasany rehefa tatahana kely ny hodiny, ary izany no ahazoana ditin-kazo manitra sy miora.

Any amin’ny morontsiraka atsimon’i Arabia no misy ny hazo ahazoana ditin-kazo manitra, ary any Somalia sy Yémen ankehitriny, izay samy tany somary karakaina, ny hazo fangalana miora. Tian’ny olona izy ireo satria samy tsara fofona. Na i Jehovah aza nifidy azy ireo mba hampiasaina amin’ny fivavahana aminy. Nasainy nasiana miora ny menaka masina fanosorana, ary nasiana ditin-kazo manitra ny emboka manitra. (Eksodosy 30:23-25, 34-37) Tsy mitovy anefa ny fampiasana azy.

Nodorana ny ditin-kazo manitra vao nivoaka ny fofony. Tonga dia azo nampiasaina kosa ny dity avy amin’ny miora. Resahina intelo ao amin’ny tantaran’i Jesosy ny miora. Voalohany, natao fanomezana ho azy tamin’izy mbola kely. (Matio 2:11) Faharoa, nafangaro tamin’ny divay nomena azy teo amin’ny hazo fijaliana mba hampitony ny fanaintainany. (Marka 15:23) Ary fahatelo, nampiasaina mba hikarakarana ny fatiny.—Jaona 19:39.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara