Loha Hevitra ato Anatiny
15 Jona 2015
© 2015 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
LAHATSORATRA HIANARANA NY HERINANDRON’NY:
27 JOLAY 2015–2 AOGOSITRA 2015
Miseho Amin’ny Alalan’i Kristy ny Herin’Andriamanitra
3-9 AOGOSITRA 2015
10-16 AOGOSITRA 2015
Azo Atao ve ny Hadio Fitondran-tena Foana?
17-23 AOGOSITRA 2015
Mampihatra ny Voalazan’ilay Vavaka Modely ve Ianao? Fizarana 1
PEJY 20 • HIRA: 138 Jehovah no Anaranao (hira vaovao), 89
24-30 AOGOSITRA 2015
Mampihatra ny Voalazan’ilay Vavaka Modely ve Ianao? Fizarana 2
LAHATSORATRA FIANARANA
▪ Miseho Amin’ny Alalan’i Kristy ny Herin’Andriamanitra
▪ Tia Olona Izy
Miresaka momba ny fahagagana nataon’i Jesosy ireo lahatsoratra ireo. Mampianatra antsika halala-tanana sy hanampy ny hafa ireny fahagagana ireny, sady ahitantsika ny toetra tsaran’i Jesosy. Resahin’ireo lahatsoratra ireo koa fa tsy ho ela dia hisy fahagagana miavaka hitranga eran-tany.
▪ Azo Atao ve ny Hadio Fitondran-tena Foana?
Tsy mora ny miezaka hadio fitondran-tena foana ankehitriny. Hahavita tsy hieritreri-dratsy sy hankatò an’i Jehovah isika, raha mifandray tsara aminy, manaraka ny Teniny, ary mangataka fanampiana amin’ny Kristianina matotra.
▪ Mampihatra ny Voalazan’ilay Vavaka Modely ve Ianao? Fizarana 1
▪ Mampihatra ny Voalazan’ilay Vavaka Modely ve Ianao? Fizarana 2
Tsy manao tsianjery an’ilay vavaka modely ny Kristianina, isaky ny mivavaka. Tena ilaintsika rehetra anefa ireo zavatra asaina angatahina ao amin’izy io. Ho hita ao amin’ireo lahatsoratra ireo izay tokony hataontsika mba hampiharana an’io vavaka io.
HO HITANAO ATO KOA
FONONY: Mandeha sambokely ny mpitory mba hitoriana any amin’ny Vondronosy Bocas del Toro, any amin’ny ilany avaratrandrefan’i Panama. Mitory amin’ny olona miteny ngabere koa izy ireo
PANAMA
MPONINA
3 931 000
MPITORY
16 217
MPISAVA LALANA
2 534
Misy fiangonana 309 any Panama ary 180 mahery ny mpisava lalana manokana. Misy mpitory 1 100 eo ho eo any amin’ireo fiangonana 35 sy antoko-mpitory 15 miteny ngabere. Efa ho 600 ny mpitory any amin’ireo fiangonana 16 sy antoko-mpitory 6 mampiasa ny tenin’ny tanana any Panama