FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp16 No. 2 p. 11-13
  • Ho Voaro Ianao Raha Mailo!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ho Voaro Ianao Raha Mailo!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • MBA MAILO REHEFA MAHITA FAMANTARANA
  • TIA ANTSIKA ANDRIAMANITRA
  • MANDOSIRA DIA HO VOAVONJY IANAO!
  • Rahoviana no ho Tonga ny Farany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
  • Fanontaniana Efatra Momba ny Farany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Mitantara Ireo Tsy Maty Tamin’ilay Tsunami Tany Japon Tamin’ny 2011
    Mifohaza!—2011
  • Ho Tanteraka Tsy Ho Ela Ny Fikasan’andriamanitra
    Inona no Zava-kendren’ny Fiainana? Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
wp16 No. 2 p. 11-13
Morontsirak’i Sumatra, any Indonezia, ravan’ny tsunami

Ho Voaro Ianao Raha Mailo!

NISY horohoron-tany nirefy 9,1 amin’ny maridrefy Richter tany Simeulue, tamin’ny 26 Desambra 2004. Nosy anankiray any amin’ny ilany avaratrandrefan’i Sumatra, any Indonezia, izy io. Nandinika ny ranomasina ny olona, ka nahita fa nisintona be loatra tsy hoatran’ny mahazatra ilay izy tamin’izay. Tonga dia nandositra teny an-tampon-kavoana izy ireo, sady niantsoantso hoe: “Tsunami! Tsunami!” Nisy onja mahery be 30 minitra taorian’izay, ka rava ny ankamaroan’ireo trano sy tanàna kely teny amoron’ilay ranomasina.

Ny Nosy Simeulue no voa voalohany tamin’ilay tsunami. Olona 7 monja anefa no maty, tamin’ireo olona 78 000 nipetraka tany. Fa nahoana?a Efa fantatr’izy ireo tsara hoe: ‘Raha vao misy horohoron-tany ka misintona be ny ranomasina avy eo, dia mila mankeny an-tampon-kavoana haingana, fa hiverina tsy ho ela ilay ranomasina.’ Efa nisy hoatr’izany mantsy taloha, ka lasa hain’izy ireo ny mijery hoe hoatran’ny ahoana ny ranomasina rehefa hisy tsunami. Voaro àry izy ireo satria mailo!

Milaza ny Baiboly fa kely sisa dia “hisy fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.” (Matio 24:21) Tsy ny tany akory no ho potika amin’izay, satria hoe nanaonao foana ny olombelona na koa hoe hisy loza araka ny natiora. Nataon’Andriamanitra haharitra mandrakizay mantsy ny tany. (Mpitoriteny 1:4) “Izay manimba ny tany” kosa no haringan’Andriamanitra. Tsy hisy intsony ny faharatsiana sy ny fijaliana aorian’izay. (Apokalypsy 11:18; Ohabolana 2:22) Tena hahafinaritra tokoa izany!

Tsy hitovy amin’ny tsunami na horohoron-tany na volkano io fandringanana io, satria tsy ho faty ny olona tsy manan-tsiny amin’io. Milaza mantsy ny Baiboly fa i Jehovah “Andriamanitra dia fitiavana”, ary mampanantena izy hoe: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.” (1 Jaona 4:8; Salamo 37:29) Inona anefa no tokony hataonao, raha tsy te ho faty ianao amin’io fahoriana lehibe io? Mila mailo ianao ary manao zavatra avy hatrany rehefa mahita famantarana.

MBA MAILO REHEFA MAHITA FAMANTARANA

Tsy fantatsika hoe rahoviana no hofoanana ny faharatsiana sy ny fijaliana. Hoy mantsy i Jesosy: “Tsy misy mahalala ny amin’izany andro sy ora izany, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany.” Nampirisika antsika ihany anefa i Jesosy hoe: “Miambena hatrany.” (Matio 24:36; 25:13) Inona no tiany hataontsika amin’izany? Resahin’ny Baiboly hoe hanao ahoana ny fiainana alohan’ny handringanan’Andriamanitra ny ratsy fanahy. Vao hitan’ireo mponina tany Simeulue, ohatra, hoe nisintona be tampoka ny ranomasina, tonga dia fantatr’izy ireo hoe hisy tsunami. Rehefa miova be koa ny zava-misy eran-tany, tonga dia ho fantatsika fa efa tena akaiky ny farany. Inona avy àry ireo fiovana hitranga efa noresahin’ny Baiboly mialoha? Miresaka an’izany ilay efajoro ato amin’ity lahatsoratra ity.

Marina fa efa nisy ireo zavatra voalaza eo amin’ilay efajoro ireo taloha. Nilaza anefa i Jesosy fa rehefa mahita an’izany rehetra izany isika, dia ho fantatsika fa efa tena akaiky ny farany. (Matio 24:33) Eritrereto àry izao: ‘1) Oviana ireo zavatra rehetra ireo no nitranga eran-tany? 2) Oviana izy ireo no niara-nitranga? 3) Oviana no vao mainka nihanitombo be ireo zava-dratsy ireo?’ Raha jerena ny zava-misy, dia amin’izao andro iainantsika izao mihitsy izany no tanteraka.

TIA ANTSIKA ANDRIAMANITRA

Nisy prezidà amerikanina teo aloha nilaza fa “raha aloha be dia efa ampitandremana ny olona rehefa hisy loza, ... dia maro be no ho voavonjy.” Nasiana fitaovana hampitandremana mialoha momba ny tsunami àry any amin’ny toerana maro, taorian’ilay tsunami tamin’ny 2004. Tsy ho be dia be intsony amin’izay ny olona maty, raha mbola misy hoatran’iny any aoriana any. Hoatr’izany koa no ataon’Andriamanitra. Mampitandrina antsika izy alohan’ny hahatongavan’ny farany. Hoy ny Matio 24:14: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.”

Maherin’ny 1 900 tapitrisa ny ora lanin’ny Vavolombelon’i Jehovah nitoriana ny vaovao tsara, tamin’ny herintaona. Tany amin’ny tany 240 no nanaovan’izy ireo an’izany, tamin’ny fiteny 700 mahery. Tena manaporofo izany fa efa akaiky ny farany. Tia an’ireo mpiara-monina aminy ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tsy mitsisy aina mampitandrina azy ireo hoe kely sisa dia hampihatra ny didim-pitsarany Andriamanitra. (Matio 22:39) Tia anao koa i Jehovah matoa avelany hahalala an’izany ianao. Tadidio foana hoe “tsy tiany hisy ho ringana” isika rehetra, “fa mba ho tonga amin’ny fibebahana” daholo. (2 Petera 3:9) Hankasitraka an’izany fitiavan’Andriamanitra izany ve ianao, ka hanaraka ny fampitandremana omeny?

MANDOSIRA DIA HO VOAVONJY IANAO!

Tadidinao ve ny nataon’ireo olona nipetraka tany amin’ireo tanàna amoron-dranomasina tany Simeulue? Tonga dia nankeny amin’ny toerana avo izy ireo raha vao hitany hoe nisintona be ny ranomasina. Tsy niandry an’ilay ranomasina hiverina izy ireo vao nandeha nandositra. Mailo izy ireo ary nanao zavatra haingana ka tsy maty. Raha tsy te ho faty koa isika amin’ilay fahoriana lehibe ho avy, dia tsy maintsy manao zavatra haingana isika dieny mbola tsy tara loatra. Inona no tokony hataontsika? Notarihin’ny fanahin’Andriamanitra i Isaia mpaminany, ka nilaza fa misy zavatra hasain’Andriamanitra hataon’ny olona “any am-parany”, izany hoe amin’izao fotoana iainantsika izao. Hoy i Isaia: “Avia! Andao isika hiakatra ho any an-tendrombohitr’i Jehovah. ... Hampianatra antsika ny lalany izy, ary handeha amin’ny atorony isika.”—Isaia 2:2, 3.

Rehefa misy tsunami, dia voaro sady afaka mahita izay mitranga ny olona raha mankeny an-tampon-tendrombohitra. Olona an-tapitrisany koa eran-tany no mianatra Baiboly, ka lasa mahafantatra momba an’Andriamanitra. Nanampy azy ireo hanova ny fiainany izany, ary nahitan’izy ireo soa. (2 Timoty 3:16, 17) Lasa ‘mandeha amin’ny atoron’Andriamanitra’ izy ireo rehefa nanao an’izany, ka mahazo sitraka aminy sady arovany.

Tian’Andriamanitra hanaiky an’ilay fanasany ao amin’ny Isaia 2:2, 3 isika, ka ho voaro amin’izao fotoan-tsarotra izao. Mampirisika anao àry izahay mba hijery an’ilay efajoro, ka handinika tsara an’ireo porofo hoe miaina amin’ny “andro farany” isika izao. Ho faly hanampy anao hahazo tsara sy hampihatra izay voalazan’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah eny aminareo. Hahita ny valin’ny fanontanianao koa ianao ao amin’ny tranonkala www.jw.org/mg. Jereo ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY.

a Olona 220 000 mahery no maty tamin’io tsunami tamin’ny 2004 io. Izy io no tsunami nandravarava indrindra hatramin’izay.

POROFO FA EFA AKAIKY NY FARANY

Fitaovam-piadiana

MISY ADY SY KORONTANA BE ERAN-TANY

“Handre ady sy filazana ady ianareo, nefa aza raiki-tahotra. Tsy maintsy hitranga izany, nefa mbola tsy ho tonga ny farany. Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hamely fanjakana. ... Izany rehetra izany no ho fiandohan’ny fahoriana.”—Matio 24:6-8.

Ankizy maty mosary

MISY ARETINA SY MOSARY ERAN-TANY

“Hisy areti-mandringana sy mosary any amin’ny toerana samy hafa.”—Lioka 21:11.

Mpitondra fivavahana voasambotra dia misy rojo vy ny tanany

BE DIA BE NY OLONA MANDIKA LALÀNA ARY MAMPIKORONTAN-TSAINA NY FIVAVAHANA

“Hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka olona maro, ary hihamangatsiaka ny fitiavan’ny olona maro, noho ny fitomboan’ny fandikan-dalàna.”—Matio 24:11, 12.

Mpitondra fivavahana manamasina ny fanambadian’ny vehivavy anankiroa

MIHARATSY TOETRA SY RATSY FITONDRAN-TENA NY OLONA

“Aoka ho fantatrao izao: Amin’ny andro farany, dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ... tsy ho mena-mivadika, tsy ho tia ny mpianakaviny, tsy ho azo ifanarahana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara, ho mpamadika, ho be di-doha, ho mpieboebo.”—2 Timoty 3:1-4.

Vavolombelon’i Jehovah mitsangana eo akaikin’ny fitoerana boky azo afindrafindra, ary mitory amin’ny lehilahy iray

TORINA ERAN-TANY NY VAOVAO TSARAN’ILAY FANJAKANA

“Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.”—Matio 24:14.

Vehivavy tsy mino hoe efa akaiky ny farany, dia mandà mafy

MISY OLONA TSY MINO HOE EFA AKAIKY NY FARANY

“Amin’ny andro farany, dia hisy mpaneso ho tonga haneso, ... ka milaza hoe: ‘Aiza akory izay fanatrehany nampanantenaina eo? Efa hatramin’ny andro nahafatesan’ny razantsika no tsy niova ny zava-drehetra fa mbola mitovy tanteraka amin’izay nisy hatrany am-piandohan’ny famoronana.’”—2 Petera 3:3, 4.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara