Loha Hevitra Ato Anatiny
3 Nahafoy Tena Izy Ireo: Torkia
28 AOGOSITRA 2017–3 SEPTAMBRA 2017
Resahina ao hoe ahoana no azontsika ampiasana ny fananantsika mba “hahazoana namana” any an-danitra. (Lioka 16:9) Hazavaina ao koa hoe inona no azontsika atao mba tsy hofehezin’ny tontolon’ny varotra isika, ka ho afaka hanompo tsara an’i Jehovah.
4-10 SEPTAMBRA 2017
12 “Miaraha Mitomany Amin’izay Mitomany”
Tena mila fampaherezana isika rehefa idonam-pahoriana. Mampahery antsika amin’ny alalan’i Jesosy sy ny Baiboly ary ny fiangonana i Jehovah. Resahin’io lahatsoratra io ny fomba ahazoana fampaherezana sy izay azo atao mba hampaherezana an’izay nidonam-pahoriana.
11-17 SEPTAMBRA 2017
17 Nahoana Isika no Tokony ‘Hidera An’i Jah’?
Miverimberina ao amin’ny Salamo 147 hoe tokony hidera an’i Jehovah isika. Inona no nahatonga an’ilay mpanao salamo hazoto hidera an’i Jehovah? Ary nahoana isika no tokony haniry hidera azy koa? Hanazava an’izany io lahatsoratra io.
18-24 SEPTAMBRA 2017
22 “Hotanterahiny Anie ny Fikasanao Rehetra!”
Be dia be ny rahalahy sy anabavy tanora mazoto manompo manontolo andro. Ianao koa ve mba te hanao hoatr’azy ireo? Hanampy anao hanana tanjona tsara sy hahasambatra anao ny torohevitra ao amin’io lahatsoratra io.