FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp19 No. 1 p. 4-5
  • Iza no Anaran’Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza no Anaran’Andriamanitra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2019
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ZAVA-DEHIBE VE NY ANARANY?
  • INONA NO FANTATSIKA AVY AMIN’IZY IO?
  • Anaran’​Andriamanitra
    Mifohaza!—2017
  • Nahoana isika no tokony hahafantatra ny anaran’Andriamanitra
    Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay
  • Nahoana Ianao no Tokony Hampiasa ny Anaran’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Omeo Voninahitra ny Anaran’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2019
wp19 No. 1 p. 4-5

Iza No Anaran’andriamanitra?

Raha te hahafantatra olona iray ianao, dia izao no hanontanianao azy voalohany: “Iza no anaranao?” Ary raha Andriamanitra no anontanianao an’izany, inona no havaliny?

“Izaho no Jehovah. Izany no anarako.”​—Isaia 42:8.

Izay ve ianao vao naheno an’io anarana io? Tsy mahagaga izany, satria betsaka ny mpandika Baiboly nanala azy io na zara raha nampiasa azy io tao amin’ny Baiboly. Matetika ilay izy no nosoloany hoe “TOMPO.” Tamin’ny vao nosoratana anefa ny Baiboly, dia niverina tao im-7 000 teo ho eo ny anaran’Andriamanitra. Litera efatra izy io amin’ny teny hebreo, ary adika hoe YHWH na JHVH. Matetika izy io no adika hoe “Jehovah” amin’ny teny malagasy.

Ny anaran’Andriamanitra amin’ny teny hebreo ao amin’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty

Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Misy ny Salamo Taonjato voalohany, HEBREO

Ny anaran’Andriamanitra amin’ny teny anglisy ao amin’ny Baiboly nadikan’i Tyndale

Baiboly nadikan’i Tyndale 1530, ANGLISY

Ny anaran’Andriamanitra amin’ny teny espaniola ao amin’ny Baibolin’i Reina sy Valera

Baibolin’i Reina sy Valera 1602, ESPANIOLA

Ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Dikan-teny Iombonana amin’ny teny sinoa

Dikan-teny Iombonana 1919, SINOA

Miverimberina ao amin’ny soratra hebreo tany am-boalohany ny anaran’Andriamanitra ary hita any amin’ny fandikan-teny be dia be

ZAVA-DEHIBE VE NY ANARANY?

Zava-dehibe amin’Andriamanitra izy io. Izy ihany no nifidy an’io anarana io. Hoy izy: “Izany no anarako mandrakizay ary izany no hahatsiarovana ahy hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.” (Eksodosy 3:15) Manana anaram-boninahitra maro izy ao amin’ny Baiboly, ohatra hoe Mahery Indrindra, Ray, Tompo, na Andriamanitra. Miverina imbetsaka kokoa noho ireo anefa ilay hoe Jehovah. Na ny anarana hafa toy ny hoe Mosesy, Davida, na Jesosy aza mbola vitsy kokoa. Tian’i Jehovah hahafantatra ny anarany koa ny olona. Hoy ny Baiboly: “Enga anie ho fantatry ny olona fa ianao irery ihany, ilay manana anarana hoe Jehovah, no Avo Indrindra manerana ny tany manontolo!”​—Salamo 83:18.

Zava-dehibe amin’i Jesosy izy io. Nasain’i Jesosy nangataka toy izao ny mpanara-dia azy, tao amin’ilay vavaka nampianariny: “Hohamasinina anie ny anaranao!” (Matio 6:9) Nivavaka koa izy hoe: “Ray ô, omeo voninahitra ny anaranao.” (Jaona 12:28) Ny hanome voninahitra an’io anarana io no zava-dehibe indrindra tamin’i Jesosy. Afaka nilaza àry izy hoe: “Efa nampahafantariko azy ny anaranao ary mbola hampahafantariko ihany.”​—Jaona 17:26.

Zava-dehibe amin’ny mpanompony izy io. Fantatry ny mpanompony fahiny fa ho voaro sy ho voavonjy izy ireo, raha mahafantatra ny anaran’Andriamanitra sady manome voninahitra azy io. “Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy. Mihazakazaka mankao ny olo-marina ka voaro.” (Ohabolana 18:10) “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.” (Joela 2:32) Mampiavaka ny mpanompony koa io anarana io. “Samy handeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy ny firenena rehetra, fa isika kosa handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika, mandrakizay mandrakizay.”​—Mika 4:5; Asan’ny Apostoly 15:14.

INONA NO FANTATSIKA AVY AMIN’IZY IO?

Mampiavaka an’Andriamanitra ny anarany. Maro ny manam-pahaizana milaza fa ny dikan’ilay hoe Jehovah dia hoe “Manao Izay Hahatonga Izy.” Nanazava ny dikan’ny anarany koa i Jehovah rehefa niteny tamin’i Mosesy hoe: “Hataoko Izay Hahatonga Ahy ho Araka Izay Tiako.” (Eksodosy 3:14) Hita avy amin’ilay anarana àry fa i Jehovah no Mpamorona ny zava-drehetra. Asongadin’izy io koa hoe mahavita miovaova araka izay tiany i Jehovah, sady afaka mampiasa sy manova ny zavaboariny amin’izay ilany azy, mba hanatanterahana ny fikasany. Ahalalana ny toerana tanan’i Jehovah sy ny fahefany ary ny heriny ny anaram-boninahiny. Ilay anarany hoe Jehovah anefa no tena ahalalana hoe iza marina izy ary inona no vitany.

Hita avy amin’izy io hoe tia antsika Andriamanitra. Hita avy amin’ny dikan’io anarana io fa mikarakara ny zavaboariny foana i Jehovah, ary anisan’izany isika. Tiany hahafantatra azy koa isika matoa natorony antsika ny anarany. Efa ela be mihitsy aza izy no nampahafantatra an’ilay izy. Tian’Andriamanitra ho tsapantsika àry hoe tena misy izy ary afaka ny ho akaiky azy isika.​—Salamo 73:28.

Hita hoe tia an’Andriamanitra isika raha mampiasa ny anarany. Andeha hatao hoe misy olona iray mba tianao ho lasa namanao, dia asainao miantso anao amin’ny anaranao. Ahoana anefa raha tsy manao an’izany mihitsy izy? Mety hieritreritra ianao hoe tsy te ho namanao angamba izy. Nolazain’Andriamanitra tamin’ny olombelona koa ny anarany, ary asainy ampiasaina. Hita hoe te ho namany isika, raha mampiasa azy io. Voamarik’i Jehovah mihitsy aza izay olona “misaintsaina ny anarany”, izany hoe mihevitra azy io ho sarobidy!​—Malakia 3:16.

Tsy maintsy hainao aloha ny anaran’Andriamanitra, raha te hahafantatra azy ianao. Mila hainao koa anefa ny toetrany.

IZA NO ANARAN’ANDRIAMANITRA? Jehovah no anaran’Andriamanitra. Hita avy amin’izy io fa mahavita manatanteraka ny fikasany izy

IZA NO NAMORONA AN’ANDRIAMANITRA?

Be dia be ny olona efa nanontany an’izany, ary mety ho anisany ianao. Misy, ohatra, milaza hoe: “Raha nisy namorona izao rehetra izao, dia iza izany no namorona an’Andriamanitra?”

Miaiky ny ankamaroan’ny mpahay siansa hoe nisy fiandohana izao rehetra izao. Manamarina an’izany ilay andininy voalohany ao amin’ny Baiboly hoe: “Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.”​—Genesisy 1:1.

Tsy ho nisy ny kintana sy ny planeta raha tsy nisy namorona. Tsy maintsy hoe nisy nanao azy ny zavatra iray vao misy, fa tsy hiforona ho azy eo. Raha tsy misy zavatra iandohana mantsy dia tsy misy na inona na inona miforona. Tsy maintsy hoe nisy àry ny Mpamorona. Fanahy tena mahery sy marani-tsaina izy io, ary Jehovah no anarany.​—Jaona 4:24.

Hoy ny Baiboly momba azy: “Talohan’ny nahaterahan’ny tendrombohitra, sy talohan’ny nanaovanao ny tany sy ny tany lonaka, dia efa Andriamanitra ianao hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay.” (Salamo 90:2) Efa nisy foana àry Andriamanitra hatramin’izay. Izy no namorona an’izao rehetra izao “tany am-piandohana.”​—Apokalypsy 4:11.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara