FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp19 No. 1 p. 13-14
  • Inona no Mbola Hataon’Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Mbola Hataon’Andriamanitra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2019
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • HOFOANANY NY FAHARATSIANA
  • HATAONY PARADISA NY TANY
  • HOFOANANY NY ARETINA SY NY FAHAFATESANA
  • HITONDRA NY TANY NY FANJAKANY
  • Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2020
  • Inona no Fikasan’Andriamanitra Momba ny Tany?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Nahoana i Jesosy no Nitory ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2019
wp19 No. 1 p. 13-14
Mpanompon’Andriamanitra manova ny tany ho paradisa

Inona No Mbola Hataon’andriamanitra?

Rehefa manana olana isika, dia fantatsika hoe tsy maintsy hanampy ny namantsika. Misy àry milaza hoe tsy namana hoatr’izany Andriamanitra, satria izy tsy mba manampy mihitsy. Efa betsaka anefa ny zavatra nataony ho antsika. Mbola hanafoana ny zavatra rehetra mampijaly antsika koa aza izy. Inona no hataony?

HOFOANANY NY FAHARATSIANA

Ilay mahatonga ny faharatsiana mihitsy aloha no horinganiny. Iza izy io? Hoy ny Baiboly: “Izao tontolo izao manontolo [dia] eo ambany fahefan’ilay ratsy.” (1 Jaona 5:19) Tsy iza ‘ilay ratsy’ resahina eo fa i Satana Devoly. Nantsoin’i Jesosy hoe “mpitondra an’izao tontolo izao” izy io. (Jaona 12:31) I Satana àry no mahatonga ny olombelona hijaly be hoatr’izao. Dia inona izany no hataon’Andriamanitra?

Tsy ho ela izy dia hampiasa an’i Jesosy Kristy Zanany, mba ‘hanafoana an’ilay manan-kery hahatonga fahafatesana, dia ny Devoly.’ (Hebreo 2:14; 1 Jaona 3:8) Na ny Devoly aza efa mahalala hoe “fohy ny fotoana ananany.” (Apokalypsy 12:12) Hofoanan’Andriamanitra koa ny faharatsiana, ary haringany ny mpanao ratsy rehetra.​—Salamo 37:9; Ohabolana 2:22.

HATAONY PARADISA NY TANY

Rehefa avy manafoana ny faharatsiana i Jehovah Andriamanitra, dia hanatanteraka ny fikasany momba ny tany sy ny olombelona. Inona avy izany?

Hiadana sy hilamina mandrakizay ny olombelona. “Ny mpandefitra ... no handova ny tany, ka ho faly be mihitsy satria tena hiadana.”​—Salamo 37:11.

Ho be dia be ny sakafo. “Hahavokatra be ny tany; ho be dia be ny vokatra, na dia eny an-tampon-tendrombohitra aza.”​—Salamo 72:16.

Hanana trano tsara tarehy sy asa mahafinaritra ny olona. “Hanao trano ny olona ka hipetraka ao, ary hamboly voaloboka ka hihinana ny vokatra amin’izany. ... Hanaram-po amin’ny asan’ny tanany ny olom-boafidiko.”​—Isaia 65:21, 22.

Efa tsy andrinao ve ny hahita an’izany? Matokia fa tsy ho ela dia ho hoatran’izany ny fiainana.

HOFOANANY NY ARETINA SY NY FAHAFATESANA

Mbola mety harary sy ho faty daholo isika amin’izao. Tsy ho ela anefa dia hiova izany. Hampian’Andriamanitra ny olona mba handray soa avy amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy. “Tsy ho ringana [àry] izay rehetra maneho finoana azy, fa hahazo fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Inona no hitranga?

Tsy hisy intsony ny aretina. “Tsy hisy olona hilaza hoe: ‘Marary aho.’ Ho voavela heloka ny olona mipetraka ao amin’ilay tany.”​—Isaia 33:24.

Tsy hisy intsony ny fahafatesana. “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana, ary hofafan’i Jehovah Tompo Fara Tampony ny ranomaso amin’ny tarehy rehetra.”​—Isaia 25:8.

Hiaina mandrakizay ny olona. “Fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika ... no fanomezana omen’Andriamanitra.”​—Romanina 6:23.

Ho velona indray ny maty. “Hatsangan’Andriamanitra ny marina sy ny tsy marina.” (Asan’ny Apostoly 24:15) Ho azo atsangana ny maty noho ny vidim-panavotana.

Ahoana no hahavitan’Andriamanitra an’izany rehetra izany?

HITONDRA NY TANY NY FANJAKANY

Hampiasa an’ilay fanjakany any an-danitra Andriamanitra mba hanatanterahana ny fikasany. I Kristy Jesosy no Mpanjakan’izy io. (Salamo 110:1, 2) Io fanjakana io ilay noresahin’i Jesosy tao amin’ilay vavaka nampianariny. Nasainy nangataka ny mpianany hoe: “Rainay izay any an-danitra, ... ho tonga anie ny Fanjakanao!”​—Matio 6:9, 10.

Hitondra ny tany manontolo ny Fanjakan’Andriamanitra, ary hofoanany izay rehetra mampijaly antsika. Mbola tsy nisy fitondram-panjakana tsara hoatran’io mihitsy hatramin’izay! Tsy mahagaga raha niezaka nitory ny “vaovao tsaran’ilay Fanjakana” i Jesosy, sady naniraka ny mpianany hitory momba azy io.​—Matio 4:23; 24:14.

Nampanantena an’ireo zavatra tsara be dia be ireo i Jehovah, satria tena tiany isika. Azo inoana hoe te hahafantatra azy sy te ho akaiky azy ianao noho izany. Inona ny soa horaisinao raha fantatrao tsara izy? Hanazava an’izany ny lahatsoratra manaraka.

INONA NO MBOLA HATAON’ANDRIAMANITRA? Hofoanan’Andriamanitra ny aretina sy ny fahafatesana, ny Fanjakany no hitondra ny tany manontolo, ary hataony paradisa ny tany

INONA MOA NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA?

  • Fitondram-panjakana any an-danitra izy io, ary naorin’Andriamanitra mba hanatanterahana ny sitrapony.​—Genesisy 1:28; Matio 6:9, 10.

  • Mpanjaka notendren’Andriamanitra no mitondra an’io fanjakana io, ary nomena azy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.​—Isaia 9:6, 7; 11:2-4; Matio 28:18.

  • Ny lalàn’Andriamanitra nampianarin’i Jesosy no mifehy azy io.​—Matio 22:37-39; Jakoba 2:8.

  • Olona an-tapitrisany izao no mampahafantatra ny “vaovao tsaran’ilay Fanjakana” eran-tany. Midika izany fa efa mitondra izy io.​—Matio 24:14; 28:19, 20.a

a Manazava bebe kokoa momba an’ilay Fanjakana sy ny mpitondra azy io ny lesona 32 sy 33 amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io ary azo alaina ao amin’ny www.pr2711.com/mg.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara