Valin’ny fanontanianareo
* Ahoana no tokony hiheverantsika ireo feo noraisina tsy nataon’ny Fikambanana?
Ny Fikambanana dia manome, amin’ny fomba samihafa, sakafo ara-panahy tondraka, ka anisan’izany izay amin’ny endrika “cassettes” nandraisam-peo. Isika, ohatra, dia afaka mampiasa ireo fandraisam-peo amin’ny “cassettes” tenin’ny Baiboly, zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana, toy ny Ny Bokiko misy fitantarana avy ao amin’ny Baiboly, Ecoutez le grand Enseignant, ary tsy ho ela ny La Tour de Garde; ao koa ny “mélodies du Royaume” sy tantara maro be. Ilaintsika anefa ny mampiseho fahamalinana amin’ireo fandraisam-peo manokana miely ao amin’ny kongregasiona, izay mety ho toa mitovy karazana amin’izany. Noho ny fifandraisan’ny mpirahalahy amim-pitokiana misy eo amintsika, dia mety hanaiky hihaino izay “cassettes” atolotra azy, tsy misy fanamarinana izay niaviany, ny sasany.
Ireo lahateny noraisim-peo izay miely indraindray dia mirakitra hevitra mampiahiahy na vaovao manaitra. Amin’izany toe-javatra izany, tsy ho tsara ve ny hanehoana fahendrena amin’ny fanarahana ny torohevitr’i Paoly voarakitra ao amin’ny 2 Timoty 3:14? Ao amin’io andininy io i Paoly, rehefa avy nampitandrina an’i Timoty ny amin’ireo mpisoloky, dia manoritra fa zava-dehibe ny hahafantarana hoe olona iza no henointsika. Tokony ho azontsika antoka fa tsy mihaino na inona na inona ‘mihoatra noho ny voasoratra’ ao amin’ny Soratra Masina sy ao amin’ireo zavatra voasoratry ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”, izay misy ny sakafo ara-panahy isika.—1 Kor. 4:6; Matio 24:45-47.
Mety handray feo ny fandaharana amin’ireo fivorian’ny kongregasiona na ny fivoriambe ny sasany mba hampiasainy manokana. Misy mpikambana ao amin’ny kongregasiona izay, noho ny antony azo ekena, dia tsy afaka manatrika ireny fivoriana ireny, ka hankasitraka ny fananana fandraisam-peo toy izany. Tsy azo atao anefa ny ho tonga hatramin’ny fizarana malalaka izany amin’ireo rahalahy na ny fivarotana azy ireny. Enga anie isika ho afaka hampiasa amin’ny fomba feno izay rehetra omen’i Jehovah antsika amin’ny alalan’ny fandaminany mba hampahery antsika sy hampandroso antsika amin’ny lafiny ara-panahy!—Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana 10/77, p. 4; 6/80, p. 3; 11/87, p. 1.