FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 6/90 p. 8
  • Valin’ny fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
  • Mitovitovy Aminy
  • Fandaharam-pivoriana Vaovao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Omeo ny Fanohananao ny Fitsidihan’ny Mpiandraikitra ny Fizaran-tany
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
  • Mpiandraikitra Voatendry Hiandry ny Andian’ondry
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
  • Fotoana Ifampaherezan’ny Rehetra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
km 6/90 p. 8

Valin’ny fanontanianareo

* Ahoana no tokony ho fizotran’ny fivoriana manokana izay mahafaoka ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona mandritra ny herinandron’ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany?

Amin’ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany, dia nomanina ny hivorian’ny kongregasiona manontolo ao amin’ny Efitrano Fanjakana hanao fivoriana manokana mahafaoka ny fianarana ny boky, ny fandinihana fanontaniana momba ny Baiboly sy ny fandaminana eo ambanin’ny foto-kevitra hoe “Mahareta amin’izay zavatra nianaranao”, ary farany lahateny momba ny asa iray ataon’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany. Raha azo atao dia ny alakamisy na ny zoma hariva no anaovana io fivoriana io.

Manomboka amin’ny fihirana hira iray sy ny vavaka ny fivoriana, avy eo dia misy loholona iray mitarika ny fianarana ny boky ao anatin’ny 45 minitra. Tokony hatao ny fiezahana mba handinihana ny tapany manontolo voatokana ho amin’ilay herinandro sy mba hamakiana ny fehintsoratra rehetra, mitovy tanteraka amin’ny fanao mahazatra. Arahin’ny fihirana hira hafa iray io fianarana ny boky io. Avy eo ny mpiandraikitra ny fizaran-tany dia manana 30 minitra mba hitarihana ny tapany atao hoe “Mahareta amin’izay zavatra nianaranao”. Aorian’izany dia manao lahateny momba ny asa 30 minitra nampifanarahina amin’ireo zavatra ilain’ny kongregasiona izay tsidihiny izy. Ao amin’io lahateny momba ny asa io, dia manao teny fiderana izy ary manome torohevitra mifanentana, amin’ny fikendrena hampiorina ny kongregasiona sy hampirisika ireo mpitory hitoetra ho mafy orina eo amin’ny asan’ilay Fanjakana.

Mifarana amin’ny hira iray sy ny vavaka ny fivoriana. Ny hira rehetra hiraina amin’io takariva io dia tokony hofidin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany. Ny faharetan’ny fivoriana, ao anatin’izany ireo hira sy vavaka, dia tsy tokony hihoatra ny adiny roa.

Izany fandaharana izany, nanomboka nanan-kery tamin’ny 1977 dia mandray anjara betsaka amin’ny fanaovana ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany ho fotoana manokana izay mitondra fifaliana sy soa ho an’ny kongregasiona manontolo, ary, isam-batan’olona, ho an’ireo mpitory izay manatrika sy mandray anjara amin’izany fivoriana tsara dia tsara nomanin’ny fandaminan’i Jehovah izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara